MBA MILA FANAMPIANA AZAFADY.
1. Ntsoa2
(
10/01/2006 14:05)
Ho antsika namana rehetra indrindra fa ireo izay mipetraka eto Italia indrindra no mba ilaiko fanampiana. Efa taona maromaro izay no nahatongavako taty Italie. Mbola tsy niverina tany Madagasikara mihitsy aho hatramin'ny nahatongavako taty. Amin'izao aho manam-pikasana ny hamangy vetivety any, ka inona no taratasy tokony ho karakaraiko, ampy ve ny fananako ny permis de sejours eto Italie sa mbola tokony hanao VISA indray aho mba hahafahako miditra eto Italie rehefa hiverina aho satria ny visa-ko voalohany efa lany daty. Misoatra antsika namana rehetra.
novalian'i Angie ny 02/02/2006 15:06
2. Vahinala
(
10/01/2006 15:44)
Tsy fantatro aloha ny any Italie fa raha ny eto Frantsa araka ny fahalalako azy dia ny mandeha aloha mazava ho azy fa afaka mandeha tsy misy olana ianao satria efa manana pasipaoro malagasy fa ny miverina kosa toa tsy mila visa izany intsony ianao raha toa ka efa ara-dalàna ny carte de séjour nao any amin'ilay firenena hipetrahanao (Italie ohatra zany).
3. Ntsoa2
(
10/01/2006 16:14)
Izaho tsy manana residence aty italie fa ny permis de sejours ihany no ananako ary expiré amin'ny volana septambra sy ny passport malagasy. Ka io indrindra no ilaiko fanazavana kely fa sao dia tsy tafaverina aty intsony avy eo.
4. hery
(
10/01/2006 16:52)
Raha alohan'ny aout ianao no mody dia tsisy olana. Mila mody 30 jours alohan'ny maha lany andro ny permis de séjour mba ahafahana manavao azy.
Dia aza adino ny mitondra voandalana :-)
Dia aza adino ny mitondra voandalana :-)
5. Ntsoa2
(
10/01/2006 16:59)
Misaotra amin'ny torohevitra ry namana isany e. Dia izao no mbola tsy mazava amiko:tsy mila manao visa intsonyizany fa ampy ny permesso di soggiorno? Kanefa expiré amin'ny 1 septembre ny permis de sejours-ko, amin'ny octobre na novembre anefa vao mety hiverina aty Italie indray dia mila manavao permis de sejours mialoha ny handehanana sa ahoana no tokony hatao?
6. ravakamalala
(
10/01/2006 18:59)
Ka io efa tenenin i hery io hoe tsy maintsy miverina 30 jours alohan ny fahataperan ny visa-nao ianao kou!
raha ohatra ianao ka te hiverina apres 1er septembre dia tsy maintsy manao renouvellement aloha vao mandeha.
raha ohatra ianao ka te hiverina apres 1er septembre dia tsy maintsy manao renouvellement aloha vao mandeha.
8. xxx
(
12/01/2006 06:46)
Dia ahoana ilay passport malagasy, efa ho lany daty koa ve ? Tokony havaozina angamba raha lany daty. Bon voyage.
9. Angie
(
12/01/2006 09:49)
Tandremo mandeha any dago miaraka @ ilay tapakilan'ny permesso de soggiorno vao novaina iny fotsiny an, tsy mety iny raha tsy @ noel sy vacances d'été izany hoe miditra Italie septembre au plus tard. Aleo koa manao passport vaovao dieny mbola aty Italie, manontania @ ambassade izay ilaina.
Quindi buone vacanze. :D
Quindi buone vacanze. :D
16. Fiffi
(
17/01/2006 05:03)
ny an'i fijo kosa tonga de alefa lavitra ny fisainana raha vatany mahita ilay soratra :-D:-D:-D:-D
17. mbaliana
(
20/01/2006 10:00)
Ha hono aho e, ao Italie angah atsy mba misy gasy azo angalana hevitra directe e.
Toa mba be olona ihany ao ry Ntsoa2.
Solution: renouveller-o daholo ny papier rehetra e.
Bonnes vacances
Toa mba be olona ihany ao ry Ntsoa2.
Solution: renouveller-o daholo ny papier rehetra e.
Bonnes vacances
18. hesham
(
26/01/2006 23:53)
Alamino doli ny papier zay vao mandeha manao vacances fa sao tomany raha vosakana ao Ivato .
Mazotoa eee , mitondra vondalana bdb .
Mazotoa eee , mitondra vondalana bdb .
19. Angie
(
02/02/2006 15:06)
Ntsoa> mba lazao za rehefa handdeha toi fa mba hampitondra sary ho an'ny namana e :D
dia jereo ao @ www.malagasy.it fa mety misy ny info ilainao.
Ciao
dia jereo ao @ www.malagasy.it fa mety misy ny info ilainao.
Ciao