Mila fanampiana maimaika azafady

1. ari.malala ( 09/01/2006 05:54)
Miarahaba ny mpiserasera rehetra

Mba mila torohevitra azafady fa zao ny mahazo ahy, za bevok a4 volana, d tokony hikarakara fiche rose aho zany hikarakarana volanjaza, d efa nangataka permisson aho t@ tapabolana fa tsy nahazo, sous pretexte hoe tsy ampy ny personnel, d nangataka indray aho ho @ zomà hariva izao satria efa 4 volana mintsy zao ny kiboko ary ny dokotera mameno an'ilay taratasy sy manao ny fizahana dia tsy mandray raha tsy ny hariva ihany, d ts mahazo ihany sous pretexte hoe tsy ampy ny personnel, ka ny tiako anontaniana dia hoe, zon'ny mpampiasa ve ny mandrara ny mpiasa tsy hamonjy dokotera ary anjaran'ny mpiasa ve no midebra ny tsy fahampian'ny mpiasa? satria manko efa mpiverimberina io resaka tsy fahampian'ny mpiasa d ts mahazo mandeha io rehefa mangataka permission, eny fa na dia efa mipetaka @ mitof ny fiche de permission aza hoe Rendez vous médical
novalian'i fijo ny 10/01/2006 21:52
2. Vahinala ( 09/01/2006 08:37)
ari.malala > Za efa nanana mpiara miasa tamiko bevohoka fa zo an'ny mpiasa ny mangataka permission ary anjaran'ny patron anao no mi debra amin'ny tsy fahampian'ny mpiasa izany, tsy afaka ny mandrara anao mihitsy izy, tsara kokoa anefa ianao mividy ireny boky kely mirakitra ny "codes de travail" ireny ahafahanao manaporofo aminy fa tsy afaka manome excuses toy izany mihitsy izy.
3. Vahinala ( 09/01/2006 08:38)
Adinoko fa rehefa teraka soamantsara aza ianao dia mbola mahazo congé 3 mois (na 2 izy zay tsy tadidiko tsara ) plus indemnité ka dia handeha hanery anao hiasa koa izy zany ?
4. naritsimba ( 09/01/2006 09:36)
Miezaha ianao manantona ny inspection de travail eo Antsahavola fa akaiky anao eo!
Dia anontanio tsara hoe inn avy ny zo tokony ho azonao
5. Angie ( 09/01/2006 09:53)
Ari.malala>Mirary soa akia dia tongava soa ny vahiny e. dia aza manao reraka loatra na izany aza refa miasa an. :-*
6. ari.malala ( 09/01/2006 10:05)
Misaotra betsaka ry reto a, fa ny tiko anontaniana dia hoe, miala @ conge ako ve io permission alaiko io?
7. Vahinala ( 09/01/2006 11:02)
ari.malala > non ka, ny mpiasa rehetra ange manana zo hangataka permission daholo e raha tena misy antony mazava, 2 jours par mois izy zay raha tsy diso aho, fa ny congé de maternité hafa mihitsy tsy misy hifandraisany amin'ny permission io. Mandehana mihitsy tokoa makany am inspéction dia anontanio tsara daholo ny zoanao dia hiadio fa tsy afaka manery anao zany ny patron nao, dia aza manao reraka loatra na izany aza an, tongava soa ny vahiny e !
8. ari.malala ( 09/01/2006 11:24)
Misaotra betsaka indrindra re a :) tena manana namana tokoa manana anareo :-*:-*
9. pika ( 09/01/2006 11:24)
misy fanontaniana manitikitika kely hoe sao mba manana OSTIE oh na ohoh izany ny orin'asanareo dia izay no mampilavanony azy satria any @ dokotera hafa ianao no mandeha
na izany aza dia ozanao ny mangataka permission rehefa indrindra misy ttsy mazava
10. ari.malala ( 09/01/2006 11:36)
Eny e, AMIT alo no fandehananay, saingy resaka misafo v d hoany @ AMIT? le izy anie consultation sy mameno fiche rose avy misafo e!!! d zay no tena maharangitra b ana we efa misy we rendez vous medical ny fiche de permission napetrako t@ maraina d mbola misy antsojay ihany... sous pretexte hoe tsy ampy ny ankizy...fa efa nanaiky ihany izy ka, niantso an'ilay dr za d ts afaka ahemotra le RV d efa nanaiky ihany ry zareo..
11. watafon ( 09/01/2006 14:16)
hay kosa efa milamina zany raha azoko tsara ? zonao tanteraka ny mangataka permission amin'io antony voalazanao io e (1 journée/mois angamba izy zay )! ary aza manaikinaiky zany njy fa tsy ara-drariny zany !
12. Vahinala ( 09/01/2006 14:41)
watafon > 1 jours et demi par mois tokoa moa ny any dago sa 2 fa tsy tadidiko tsara tsony ? Fa ny tena important dia hoe manana zo an'io permission io ny mpiasa rehetra rehefa misy antony mazava tsara, avec justificatif.
13. Veloo ( 09/01/2006 16:00)
ari a arabaina aky njy an... za mo tsy dia afaka manampy satria tsy aiko io zavatra io hihihihih
Dia mirary soa aky an:-*:-*:-*
14. pissoa ( 09/01/2006 16:12)
Tsy manan-kevitra ry ari fa tongava soa le zazah an-njy ah :-*:-*
15. Vahinala ( 09/01/2006 21:38)
ari.malala > Tsy haiko raha misoratra ara-dàlana am CNAPS koa ianareo, ny indemnités mandritra ny fotoana maha congé de maternité anao mantsy dia toa ny cnaps no manome azy raha tsy diso aho, hanontanio tsara daholo ny mikasika izany rehefa makany am inspéction fa sao dia sanatria fetsifetsen'ilay patron ianao an. Mahereza.
16. ari.malala ( 10/01/2006 05:13)
Misaotra betsaka daolo ry reto @ teny fampaherezana sy ny fampahalalana fa d hoany @ inspection de travail tokoa aho raha vao avy any @ dr @ io zomà ioh anontany ny droit ko rehetra :) efa nisy namana mpiara miasa koa nitondra ilay boky code de travail d eo ampamakiana azy mintsy ah io fa d misoatra betsaka e :) misaotra idnrindra koa @ firariantsoa e :) :-*:-*
17. Vahinala ( 10/01/2006 08:41)
ari.malala > De rien aky an ! :-*
18. fijo ( 10/01/2006 20:59)
zo ndry ioka takio,fa tsy tokony hilana vaniny izany.
19. Herimiafina ( 10/01/2006 21:29)
Fa inona no contrat-n'i ari.malala klou e? CDD sa CDI fa rakarak'izay no anjara congé anjy.

Fa ny tokony ho izy tsy tokony ho pretexte hitazomana mpiasa ny tsy fahampian'ny personnel.

Jereo klou ny manuel des procedures-ny fiasana iasanao fa mety ao ny valin'ny fanontanianao, raha tsy nampahafantatra anao an'io ny mpampiasa dia azo toriana.
20. fijo ( 10/01/2006 21:52)
raha bevohoka izany,tsy misy azo hitazomana azy mihitsy e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2075