Mpitendry jazz gasy mahay (clavier)

1. hertix ( 08/01/2006 13:47)
Iza araka ny hevitrareo no henjana?
novalian'i hertix ny 27/02/2006 19:12
2. Herimiafina ( 08/01/2006 18:19)
Maro ny henjana fa ny ahy i Silo no hitako toa somary favy ihany, de Itompokolahy Malala saingy izy moa efa nodimandry. hehehehehe:-D:-D
3. hertix ( 08/01/2006 18:41)
F'angaha moa i Malala nanao Jazz? Toa bà gasy no nanavanana azy kokoa. Ny ahy indray ny hitako hoe tena henjana dia classer-ko toy izao:
1- Sammy Andriamanoro
2- Silo
3- Haja Rakotonimanga
4- Serge Rahoerason
4. Herimiafina ( 08/01/2006 18:45)
I Malala angamba tsy dia tena Jazz loatra fa indraindray ihany rehefa misy koranampianankaviana no miotendritendry Jazz eo izy.
5. anjeliko ( 09/01/2006 04:55)
SILO iahany e!
6. pissoa ( 09/01/2006 05:47)
Silo koa no hitako hoe henjana!
7. rasinoa ( 09/01/2006 15:01)
Salama daholo isika ee, raha ny ahy aloha dia Samy ANDRIAMANORO, Serge RAHOERSON , dia Silo.
Efa nanaraka an'i Samy efa elaela ihany aho fa tena gaigy be i lery ee^:^
8. hertix ( 13/01/2006 02:02)
Efa nisy fotoana nifaninana tao @ boite de jazz la résidence izy roalahy ireo fa rehefa tena mi-improviser no ahitàna fa mahay kokoa i Sammy. Hita hoe misy azo raisina kokoa ny zavatra tendreny. Na ny arrangement ataony aza hita hoe matomatotra kokoa. I Haja indray dia tena tsy mifidy hira mihitsy na variétés, na bà gasy, indrindra moa fa jazz. Efa naheno aho hoe herinandro latsaka no nianarany ny hiran'ny tarika Zay tamina concert tao Antsahamanitra.
9. fbi ( 10/02/2006 19:45)
inona moa no ilazan'i hertix fa misy raisina kokoa
ny zabvatra tendreny rehefa ahoana no lazaina fa mahay nohon'ny hafa ny mpitendry iray ,angaha boxe
izy ity na baolina ka hifaninana .mba hafa ndray izany.
10. hertix ( 11/02/2006 11:16)
eo ny fahitan'ny mpitendry accords maro samihafa, ny fikapoka clavier, ny rapidité, ny fahaizana mampiaraka tsara ny main gauche sy droite, ny créativité, ny hafaingànana eo @ fandraisana hira vaovao ... Izany rehetra izany no ahitàna ny fahaizan'ny mpitendry fa tsy rehefa hoe maneno sy misy filirondrirony dia mahay. Ny mpitendry rehetra dia samy manana ny personnalité-ny eo @ fomba fitendrena.
11. fbi ( 13/02/2006 16:37)
international io sa eritreritr'i hertix ireo critéres ireo.

innn ilay filirondrirony.
12. fbi ( 13/02/2006 16:39)
ary i hertix ao antin'ieo mahay sa ao antin'ireo

tsy mahay.
13. hertix ( 27/02/2006 19:12)
ao anatin'ireo tsy mahay aho mazava ho azy fa kosa afaka milaza aho hoe mahay na tsia ny mpitendry iray rehefa hitako na reko ny fitendriny. Jazz sy bà gasy ihany no haiko jerena an!

ilay filirondrirony dia haingokaingony mahafinaritra ny sofina na koa mety manimba sofina ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7125