Mpitendry bà gasy kalaza.

1. hertix ( 08/01/2006 13:37)
Betsaka ny mpitendry bà gasy kalaza an? Fa iza no tena henjana amin'izy rehetra? ao ireo mbola velona ry Zozo sy Coco(Henri Ratsimbazafy), Rivo Ramandiamanana (Salomon), Henri Ratsimbazafy ... ankoatra ireo efa maty : Naly Rakotofiringa, Ramaroson Wilson, Stormy, Hary ...
novalian'i hertix ny 26/01/2006 01:12
2. Herimiafina ( 08/01/2006 18:20)
I Harry no ankafiziko, fa saingy izy moa efa nodimandry, mahay iny an, hehehehe:-D:-D
3. hertix ( 08/01/2006 18:46)
Tena mitovy hevitra aminao aho amin'iny. Sady ny azy toa tena tsy mifidy karazany mihitsy. Samy nanana ny mampiavaka azy mantsy ireo mpihira narahiny: Ludger Andrianjaka, Railovy, Vola sy Noro, Kintana telo, Lalao Rabeson ;-);-)
4. Herimiafina ( 08/01/2006 18:55)
Mba misy relève izy iny e?
Izaho ihany koa somary mankafy ny fitendrin'i Bessa ihany na dia tsy bahankira malagasy aza.
5. hertix ( 08/01/2006 19:34)
ny zanak'i Harry toa nandimby azy. Raha tsy diso aho dia zanany ilay Haja Rakotonimanga satria toa mitovy ny nom de famille-ny
6. Herimiafina ( 08/01/2006 21:26)
Misy zanany vavay izay koa mpanankanto fa toa mbola tsy niakantsehatra.
7. gia ( 09/01/2006 10:13)
Aiza no misy mpampianatra mitendry bà gasy mahay?
8. hertix ( 13/01/2006 01:48)
Herimiafina:

Misy zanany vavay izay koa mpanankanto fa toa mbola tsy niakantsehatra.

Sao dia ilay nihira t@ jobiliny tao @ roxy t@ 1999 iny izany zanany vavy izany? Sa hafa? Dia iza no anarany?

9. hertix ( 13/01/2006 01:51)
gia:

Aiza no misy mpampianatra mitendry bà gasy mahay?


Raha eto Dago dia tsara ianao raha manantona ao @ tranom-pokonolona Analakely. Ao no mety ahazoanao info bebe kokoa.
10. Herimiafina ( 13/01/2006 02:15)
hetrix: Eny, iny tovovavy nihira ny hiran'i Helene Segara sy Celine Dion hoe s'il suffisait d'aimer iny tokoa ilay zanak'i Harry vavy.
I Hetrix koa ngah nanatrika tao, Favy be ny nanaovan'i Ludger ilay hira farany an, nahazo tehaka ary nitsangana mihintsy ny mpijery.8)
11. hertix ( 14/01/2006 11:13)
Herimiafina:

hetrix: Eny, iny tovovavy nihira ny hiran'i Helene Segara sy Celine Dion hoe s'il suffisait d'aimer iny tokoa ilay zanak'i Harry vavy.
I Hetrix koa ngah nanatrika tao, Favy be ny nanaovan'i Ludger ilay hira farany an, nahazo tehaka ary nitsangana mihintsy ny mpijery.8)



Ie! Tena tao tokoa aho tamin'iny. 1er mai 1999 ny andro tamin'iny. T@ entracte no nihira ilay zanany vavy. A song for U ilay hira iray nataony, an'ny The Carpenters. Latsaka mihitsy ny ranomason'i Harry t@ iny fotoana iny, dia nifamihina izy mianaka. Tsara koa ny nanaovan'ilay zanany lahy ny piano t@ iny an! Ny tsy tadidiko fotsiny dia hoe Nosy tanindrazako sa ny hirako (Ramaroson Wilson) ilay hira farany nampitsangana ny olona.
12. Herimiafina ( 16/01/2006 16:49)
Tsy dia tadidiko fa toa io Nosy tanindrazako io ilay izy raha tsy diso aho, :P
13. cutie ( 17/01/2006 11:54)
in zany ba gasy kalaza zany reto fa tsy arako ??
14. Herimiafina ( 18/01/2006 04:00)
Hitandry le hira mitsatotsatoka arahina piano ireny akia ry cutie an, ilay piano izany no manaraka karazana naoty Solfa mitsatotsatoka mahafinaritra, henoy ireny hiran'i Solika, Ludger, Oscar Randria, sns ireny de hainjy ilay izy e, :lol::lol:
15. jennifer2 ( 18/01/2006 23:36)
Mba taiza ary aho t@ zany!
16. Herimiafina ( 19/01/2006 00:13)
Mbola boule de poils angamba njy tamin'izany, hehe=))
17. cutie ( 19/01/2006 12:21)
Herimiafina [ Valio ] 18-01-2006 08:00:55
Lohateny : Re : Mpitendry bà gasy kalaza.
Hitandry le hira mitsatotsatoka arahina piano ireny akia ry cutie an, ilay piano izany no manaraka karazana naoty Solfa mitsatotsatoka mahafinaritra, henoy ireny hiran'i Solika, Ludger, Oscar Randria, sns ireny de hainjy ilay izy e,

azoko an-tsaina 8)
18. hertix ( 24/01/2006 16:13)
Ny mampalahelo @zao fotoana izao dia toa nilatsaka ambany izany ny haavo teknikan'ireo mpitendry bà gasy @zao fotoana izao. Tena tsy niampita angamba ny fomba fitendrin'ireo taloha hany ka toa mitendritendry fahatany ny ankehitriny.
19. fijo ( 24/01/2006 22:30)
le fampianarana mozika any no mila asiana fanarahana kely,fa mampalahelo.
20. hertix ( 26/01/2006 01:12)
marina zany ry fijo. Tena mampiavaka ny malagasy anie ny bà gasy e! Ny amerikana mahafantatra azy io dia mandray azy ho toy ny karazana jazz hafa mihitsy noho ny temps-ny sy ny style-ny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0854