Mail hafahafa

1. Vahinala ( 06/01/2006 14:51)
Misy namana iray noratra any am dinika "tetsy sy teroa" any hoe naharay e mail avy amin'olona ts fantany akory. D gaga be za fa naharay koa aho androany ary 2 be zao, mitovitovy ilay tantara fa samy hafa ny anarany ny 1 lahy ary ny 1 vavy : Ilay lahy Yousouf Mohammed zao no anarany any Sierra Leonne ony no mipetraka, le vavy ndray Flora Bamba hono any Abidjan, d milaza fa zanaka mpanakarena be izy reo d maty hono zao dadany zao (tena mitovy mihitsy le tantara an), d nametraka testament ony fa manana vola be 12.500.000 USD ilay ranga rainy d namosavian'ny associés any noho izay harenany zay, d mangataka fanampiana ony izy hanokatra compte hametrahana le vola sy hialany ao am le firenena misy azy dia hoe omeny 25% amin'ilay vola koa ony.
D variana be za hoe fa inona kay no tena dikan'ireny e,ary ahoana no nahitany ilay adresse mail andefasany le hafatra. D inona no tanjony satria ny mahavariana d mitovy tsisy valaka le zavatra resahandry zareo fa ny anarana sy ny toerana misy azy fotsiny no miova. D gaga aho ry reto, efa nisy nandefa ohatran'io za efa taloha be fa tsy tsaroko tsony ilay izy.
Ahoana no eritreritrareo ry reto ? :?::?:
novalian'i dizneff34 ny 01/02/2006 07:20
2. mpanarivo ( 06/01/2006 16:03)
tsara be ny fikarohanao.matetika io zavatra io miseho tonga amin'olona maaaro. raha ny momba ny fahazoany e-mailn'olona dia hataony cherche angambany. ny tanjony indray dia fangalarana.
raha ny marina no jerena dia olona tsy mpanakarena izany ry zareo fa mila te ahafantatra ny code(visa)nao;de halay avy ao ny compte-nao.
izay aloha ny fantatro
fa mbola hita eo ihany ny tohiny
3. hery ( 06/01/2006 16:13)
Aiza no ahitany ny email?

Matetika ianao ihany no manome ny email-nao ho azon'ny olona tsirihana. Izay no antony mahatonga ny adiresy email eto amin'ny serasera afenina... kanefa mbola misy mametraka adiresy amin'ny forum ihany.
4. Vahinala ( 06/01/2006 16:59)
Za aloha tsy mba mpanome adresse mail olona tsy fantatro zany e, ao amin'ilay resaky ry zareo d lazainy fa nanaovany recherche tamin'ny internet hono mba ahitany olona azo hatokisana, za aloha tsy manana eritreritra ny hamaly azy e, avelako ao fotsiny io.
5. lapino ( 06/01/2006 18:20)
Tandremo ihany fa tsy virus amin'ny ordi ihany rehefa sécurité amin'ny internet, fa amin'ny olona koa. Ireto misy rohy vitsivitsy:

Fiarovana adiresy imailaka: http://infogasy.dyndns.org:8080/wiki/Wiki.jsp?page=FiarovanaAdiresyImailaka , spam: http://infogasy.dyndns.org:8080/wiki/Wiki.jsp?page=Spam
Ary farany: http://infogasy.dyndns.org:8080/wiki/Wiki.jsp?page=Fiarovana
6. dnl ( 06/01/2006 22:34)
Mitandrema tsara @ reny mail hafahafa tahak ireny fa efa nisy ranamana ray zay voan ny hoatr io de foana ny compte avy eo, tarihany tsikelikely anao @ resabola satria lazainy fa omena ny 25 % io, de alefaso ary hoy izy avy eo ny numero comptenao nefa ny codenao no karohany avy eo ary efa za draharaha @ zany ry lerony io, de foana ny volanao avy eo, tsy misy tsony azo atao ,,, tandremo tsra reny ann, aza mamaly ntsony fa vela pandrika ankitsirano zao io! Veloma daholo
7. hesham ( 06/01/2006 23:26)
Aza mba zefa ihany fa raha tsy mahay de tratrany klou eeee .
8. Vahinala ( 07/01/2006 11:34)
dnl > Za aloha d ts namaly e, sady tsy miditra amzany koa fa tonga d hita be ilay izy hoe tantara hafahafa sady noforonina koa, mety ho betsaka tokoa ny ho voa satria mety mahita ilay hoe omena pourcentage d taitaitra d tafaroboka e ! Messi
9. jentilisa ( 07/01/2006 12:04)
Za moa dia misy matetika ny adiresiko tamin'izaho mpanoratra tany amin'ny yahoogroupes...fa tonga dia vonoina fotsiny sisa no anaovako azy!
10. APOKY ( 13/01/2006 04:50)
Refa olona tsy fantatra fotsiny dia tsy sikafana fa supprimena avy hatrany dia vita e.ny anarana aza hoe mohammed ko, refa tsy manana namana mohammed ianao dia fafao dia izay!
11. dadabe ( 13/01/2006 06:16)
izay
12. Vahinala ( 13/01/2006 08:33)
Za tsa namaly mintsy e, nitombo iray ndray izy ao d exactement la même histoira fa d le anarana foana no miova. :-w:-w
13. Veloo ( 13/01/2006 19:33)
an?8O
14. rurik ( 26/01/2006 12:17)
za ko naharay indray andro za nefa manana mail manokana ho an' ny asa sy ny fianakaviana dia misy koa ho an' ny namana fa le mail manokana no nahazahoako an'io, any sierra leonne koa le izy dia we ny papany hono niasa t@minister de minne dia manana arena be ry zareo ka mitady olona mba afaka hanampy andry zareo hamoaka an'io dia niantso azy aho zany dia avy eo izy niantso anay dia nilaza lehilehy le izy dia ny papany hono maty nisy namono fa ny mamany no ipetraha'io arena io dia tsy tsy noraisiko tsony rehefa niantso dia vita atreo .
mitandrema fa be ny pisandoka par enternet .
15. Vahinala ( 26/01/2006 12:45)
rurik > Ka tena mitovy daoly mintsy zany ange le resaka ataondry zareo e, mahagaga tokoa fa asa mety olona iray ihany angamba izy io. za aloha dia sady tsy namaly mihitsy no tsy niantso zany na navelako tao fotsiny.
16. hertix ( 29/01/2006 08:46)
Za efa nanana expérience t@ ireny. Fa ialako tsiny dieny izao fa ho lavalava ny tantara.
t@ 2001 no nisehoany. Naharay mail toy ireo voarainareo izao ireny aho. Tsy tadidiko fa nitonona ho ministra na mpiasan\'ny banky centrale tany Nigeria ry zareo. US$1.000.000 le somme t@zay. De ahy hono ny 20% raha tafavoakako ilay vola. De nomena azy ny coordonnées-ko rehetra. De nisy fax mihitsy nalefany, io fax io de milaza hoe disponible le vola fa miandry ny n° compte hanaovana virement. Tena ohatry ny lettre officielle mihitsy io fax an. De ni-exiger ry zareo hoe tsy maintsy compte bancaire any europe hono no omena azy. De ni-contacter olona manana compte tany France aho. De nomena azy ny n° de compte. De nanomboka teo izy de miodinkodina @zay hoe mbola misy an\'izao sy izao fa miandry an\'ilay virement isika. De nisy fotoana nasainy niantso tany USA, de natao. De avy eo nolazainy hoe tsy tafavoaka le vola fa tsy maintsy manao déplacement any RSA hono aho mi-débloquer an\'le sosy. De nilaza taminy hoe vonona ny handeha fa ahoana ny organisation-le voyage. De novainy indray le toerana hoe any USA indray hono no débloquer-na le vola na raha tsy izany de mandoa US$1,500 par Western Union, na virement bancaire @ compte-ny. Par coïncidence,nisy tonton-nay nanao mission tany N.Y., de nomena an\'le nigériens ny coordonnées-ny any USA, kanjo tsy nipoitra mihitsy ry zareo. De avy eo izy vao tena ni-exiger hoe tsy maintsy vola no aloa, de nalefany ny n° compte-ny sy ny anarany. De teo vao tapa-kevitra hoe aleo adaboka le izy fa resaka masiso. De teo ry zareo vao ni-insiste be indray niantso, nandefa fax, sy nandefa mails fa tsy novalianay intsony.

Fa efa nisy olona gasy HONO nanao an\'izany tratran-dry zalahy fa nendahiny tany RSA ka lasany daholo hatr@ passeport sy billet ary vola. Tena saika tsy tafody lery no sady narahin-trosa be taty Dago, tsy maintsy namidy HONO ny tranony namerenana volan\'olona.

Tsy olona iray no manao an\'io resaka io fa efa tena réseau mihitsy io. Rehefa asainy miantso izay mantsy ianao de tena le coden\'le pays mihitsy no antsoina. Misy azy any Nigéria, RSA, USA, France, Pays-bas, Allemagne sns... fa Afrika no tena betsaka. Ny fanao azy de tsy valiana mihitsy satria raha vao mamaly iray ianao de tena be dia be avy eo ny mails voarainao avy eo. Classer-o ho spams fotsiny ny mails-ny.
17. dizneff34 ( 01/02/2006 07:20)
hery:

Aiza no ahitany ny email?

Matetika ianao ihany no manome ny email-nao ho azon'ny olona tsirihana. Izay no antony mahatonga ny adiresy email eto amin'ny serasera afenina... kanefa mbola misy mametraka adiresy amin'ny forum ihany.



antony 1 ahitany ny adresse io voalaza eo ambony io fa misy kou itony antsoina wé chaine tony ! ilay mailaka manambara fa ahita loza ianao raha tsy mampita an' ilay mailaka @ ny olona 100 ao anaty 1 segondra :P ary ahita soa ianao ra alina @ 10 alina sy 10 minitra :D sns etsetra ...
Raha tena matahotra ianao mahazo ireny chaine ireny dia alefaso @ ny olona 100 ilay izy fa fafao ny adiresin' ny izay olona tratra teo alohanao ! tsy manankery intsony izy @ izay raha tsy wé ny olona 100 ao aorinanao indray no tsy mamafa ny adiresy teo aloha ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4502