Ba kely: Telo sa roa sa iray. Manomboka havanana sa havia..?

1. Levy ( 06/01/2006 08:48)
Izao taom-baovao izao de misaritaka mihitsy ny fonorohana (ba kely, biz...) miseho @ fomba samihafa sady samy hafa. Ny olana dia misy manao telo misy manao roa, ny sasany iray matanjaka be. Vokany fifanjevona. Ary fanontaniana iray koa> Inona no mahazatra anareo rehefa manoroka ny manolotra ny takolaka havanana sa havia ( afovoany 'exceptionel'). Tratra manko ny tenanay fa ilay firenena nandehananay dia ny havia no manavanana an-dry zareo, fa isika @ ankapobeny dia ny havanana foana. Vokany dia fifanjevona ka mitady hilatsaka eo @ " centre"...Aza mba tratrany...fa giravy..
novalian'i mirana5 ny 23/01/2006 16:33
2. fasaly ( 06/01/2006 09:23)
ny eto aminay kou dia havia no mahazàtra, fangah mou io misy samy manana ny azy e!?????
tsy fahazarana fotsiny manome ny havia na havanana ihany ve, de ny isan'ny bakely kou dia indray ihany ny eto aminay sady aleo kou zay fa lay lava be tena mahakrizy ahy be mintsy.
3. lantokely ( 06/01/2006 09:30)
fanarahana izay fomban-tany fotsiny io fa aza atao ho olana ry zareo a.
misy aza ny amin'ny firenena sasany avy dia iray eo ampovoany dia vita.
ny ahy aloha dia ny mifandray tanana ihany no hitako hoe tsara indrindra.
milaza io fa tsy mihevitra ny hanafika anao izay arabaiko aho. satria ny tanana havana no mitazona ny fiadiana matetika satria betsaka kokoa ny kavanana noho ny kavia.
4. dadabe ( 06/01/2006 10:57)
ny anay toa tsy mba misy an'izany kle :cry::cry:
5. fasaly ( 06/01/2006 11:09)
nedry lay bà mipetaka tampoka surprise reny ve???
6. dadabe ( 06/01/2006 11:17)
ny antsika mitsam le ba mipetaka mandritra ny 5 mn de somary miolakolaka de eo ampovovoany, sady mifampinana lela, de mikipy ny maso :wink:
7. pika ( 06/01/2006 13:01)
ny fahazarana no tena fahafantarako azy fa tsy dia hoe fomba loatra na havia na havanana
fa ilay tena efa nahatratra dia ianao zatra in-3 iny no tojo oul tsy nieritreritra hafa tsy in-2 dia tena ho wwwainina klé
efa tratra ny fifandisoana koa dia tratra tampoka teo ampivoany :oops:
8. Bariry ( 06/01/2006 13:10)
Mandeh hoazy ataoko :-*:-*
9. ari.malala ( 06/01/2006 13:14)
:-D:-D:-D:-D
10. mandrindra ( 06/01/2006 13:30)
bà ny takolaka roa
11. fijo ( 06/01/2006 20:10)
aza atao olana re ry zareo fa ataovy iray raha maika ,moa ataovy efatra raha manampotoana tsara an
12. Vahinala ( 06/01/2006 20:36)
za aloha ts mahatsikaritra na havia na havanana fa mandeha hoazy ko ! Nena indroa ihany d ampy !
13. fijo ( 06/01/2006 20:46)
raha misy fanintelony ataoko eo ampovoany an
14. fiaritiana ( 07/01/2006 08:14)
fa ny aty aminay ry reto in-4 a!dé en general ankavia no hanombohany azy!
15. narima ( 07/01/2006 13:48)
tsy dia maninona amiko na havia na havanana, fa asa ianareo na misy mitovy amiko fa ny ahy rehefa samy lehilahy dia tsy dia mazoto aho...
16. pissoa ( 07/01/2006 14:24)
narima, rehefa samy lehilahy ny hitako dia otran'ny mampiady loha izany fa tsy eo amin'ny tarehy! :-D
17. Vahinala ( 07/01/2006 14:52)
pissoa > =))=))=))=))
18. pissoa ( 07/01/2006 16:55)
Vahinala, marina izany an! Fa tsy haiko aloha raha fomba silamo e! Hitan-dry, otran'ny dona kely eo amin'ny andrina fotsiny :-D:-D
19. Levy ( 08/01/2006 06:35)
ILay izy anie nama tsy resaka hoe olana fa zava-misy @ fiainana an-davanandro. Fa raha zatra manomboka @ havanana ianao ka ilay olona zatra manomboka @ havia dia hitanao fa hafahafa be ho anao ilay izy. Mba handramo ange dia ho hitanareo e.
20. olona ( 10/01/2006 13:29)
reflexe io. somary aroso kely ny loha manantona tonga dia hita eo hoe takolaka gauche sa droite no atolotra araka ny fihetsik'ilay olona.
Ny eo amin'ny isany ndray tonga dia asiana fanisana mivantana atao henony tsara hoe ray, roa , sns dia ho hitanao fa miara-tafajanona ianareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3088