Misy shabbatiste ve ato?

1. olona ( 05/01/2006 14:11)
Nisoratra anarana ato aho mba te hifanerasera amin'ireo zay shabbatiste mety ho membre ato!
Raha liana ianao dia manorata amin'ity adiresy ity
akory2005-namana@yahoo.fr . Misaotra anao!
novalian'i dadabe ny 11/01/2006 09:14
2. bichette ( 05/01/2006 14:29)
in aloha ilay hoe sabathiste e ? mitandrina ny andro sabata sa jiosy
3. rpk ( 05/01/2006 14:35)
zah aloha mino ny andro sabata saingy tsy extrémiste akory:D
4. jentilisa ( 05/01/2006 14:40)
misy bobaka ao fa aza matahotra e!
5. landihazo ( 05/01/2006 14:44)
jentilisa : :-D zany ve
6. dadabe ( 05/01/2006 14:49)
inona izany shabatiste izany ??? sabath-tiste no haiko

fa izany hoe raha toa ka te ahahfantatra ianao dia sokafy ny ady hevitra mikasika ny Sabata dia hiavaka eo ny vary sy ny tsimparifary :D
7. jentilisa ( 05/01/2006 14:49)
misy ao ho'aho! firifiry akory!
8. dadabe ( 05/01/2006 15:14)
ie !! ao kalou ra -jentl ...somary sokafy kely ny adi hevitra momba ny sabata a!!
9. Veloo ( 05/01/2006 16:00)
inn ty shabbatsite aloha e?
tsy aiko zany...
10. Fiffi ( 05/01/2006 19:22)
mba manontany koa hoe inona izany shabbatiste izany ?8O8O8O
11. diamondra27 ( 05/01/2006 19:56)
mpanaraka an'i shabbat re io e! sa tsy zany

12. Veloo ( 05/01/2006 21:00)
diamondra a ka inn le shabbat e?
13. dadabe ( 06/01/2006 01:27)
veloo > ireo mitandrina ny andro Sabata re izany e, de atao hoe sabatista fa diso fanoratra izy, raha mpitondra bisikileta dia tsy atao hoe veloo-iste fa atao hoe cyliste,ny namana mpandeha eto @ forum dia atao hoe forum-iste, ....
14. diamondra27 ( 06/01/2006 01:57)
veloo: marina mitsy io voalazan'i dadabe io e!
15. majesty ( 06/01/2006 03:37)
misy sabatista bdb mintsy ao ka,fa sokafy marina le adi-hevitra fa tonga de miseho ao daholo ry zalahy :D
16. adam ( 06/01/2006 07:16)
dadabe> aza tonga dia velesina mafy loatra ny oul so de mandositra: teny hebreo io sabat io ny dikany dia hoe nanamboatra dia nitsahatra .lalina be io resaka io fa aleo mitandrina:-o:-o:-o
17. dadabe ( 06/01/2006 11:52)
adam > hoy ianao hoe
dadabe> aza tonga dia velesina mafy loatra ny oul so de mandositra: teny hebreo io sabat io ny dikany dia hoe nanamboatra dia nitsahatra .lalina be io resaka io fa aleo mitandrina

zah angaha mbola mamely ????? fa ao aza fa hosokafako ilay ady hevitra dia ho hita aeo nymarina rehetra :D
18. olona ( 06/01/2006 12:35)
Veloo:

inn ty shabbatsite aloha e?
tsy aiko zany...



shabbat = sabata
shabbat-iste = mpanamasina ny shabbat
19. pissoa ( 06/01/2006 18:17)
Dia rehefa atambatra ilay notenen'i adam sy io tenenin'i olona io dia lasa tsy azo indray ilay sabatista :(

adam:
teny hebreo io sabat io ny dikany dia hoe nanamboatra dia nitsahatra .lalina be io resaka io fa aleo mitandrina

olona:
shabbat = sabata
shabbat-iste = mpanamasina ny shabbat
20. dadabe ( 07/01/2006 05:36)
midira ary fa efa nisokatra ny ady hevitra , ary tena lalina tokoa a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1759