Horoscope

1. Fiffi ( 04/01/2006 05:24)
Ianareo ve mba mino ireny "horoscope" ireny ? misy manko ny olona raha vao mifoha maraina mihintsy dia mandefa radio aloha henoina ny horoscope-ny izay vao hoe afaka manao izay tokony hataony , dia hoe miankina @ io ny fandehan'ny tolak'androny.
Izaho aloha dia anisan'ny tsy mino e!
novalian'i fijo ny 06/01/2006 20:19
2. moi ( 04/01/2006 05:38)
Zaho koa anisan'ny tsy mino.
Telo mianadahy tena iray tampo mantsy izahay no mitovy signe de zodiaque. Dia rehefa mihaino radio izany dia itovizana daholo ilay horoscope ho anay ?? Dia sahala amin'izay koa ny voalazan'ny gazety ?? Nefa anie izahay telo dia tena samihafa toetra tanteraka e !!!
Mbola tsy hitariko aza hoe raha mbamin'ny cousin cousine no anaovana fandinihana, misy aza kambana ao nefa ...
Koa mba mieritrereta ianao mbola mino, firy ny mitovy horoscope aminao ao am-piasana, ao am-pianarana, ao amin'ny fianakaviana !!!
Fanampin'izay, roa ambin'ny folo karazana ihany izany isika satria 12 ny signes ?? Tsy maninona fa raisina hatramin'ny 1er, 2em 3em décan e ! dia lasa 36 karazana izany isika e !8-)
3. papala ( 04/01/2006 09:51)
Ny ahy mba mahafinaritra ahy fotsiny ny mamaky an'ireny, fa za koa tsy mino satria miverim-berina foana ilay izy.
4. ari.malala ( 04/01/2006 10:32)
:-D:-Dny ahy d entiko imehezana fts satria ndraindray tena debile b le zavatra voalazany...
5. Fiffi ( 04/01/2006 10:42)
ari.malala: ka zay indrindra manko e! arakin'ny filazan'i "moi" dia tena marina daholo izany , dia hitovy dahlo ny anjaran'ny olona eran-tany raha samy mamaky an'io :-D:-D:-D:-D:-D
6. Vahinala ( 04/01/2006 11:22)
Ho an'ny gazety aloha d entina hamenoana pejy fotsiny reny e, ho any radio ndray hisarihana ny mpihaino d zay fa ts mitombona akory reny, anga ny horoscope ve no hilaza ny ho avy ? Tsssssss, za d matoa zay mba mamaky an'ireny d tsy atao zay za e, ndraindray mety misy hifandraisany kely am réalité fa juste par coincidence zany e !
7. mamzelkely ( 04/01/2006 12:00)
zay mino ihany njainjay kouuuu :°)
8. jentilisa ( 04/01/2006 12:18)
nefa dia be dia be ny mino azy! tsy izaho aloha!
9. Veloo ( 04/01/2006 13:51)
tsssssssssss resa-ke... fotsiny reny ry reto a... mba ampiodinanana ny sain'ol...:-D
10. Fiffi ( 04/01/2006 15:18)
Veloo::-D:-D:-D sady commerce fotsiny ireny , olona aman-tapitrisa ve de hitovy daholo :-D:-D:-D
11. Veloo ( 04/01/2006 15:55)
ie wa retsy fiffi :-D:-D:-D:-D
12. Vahinala ( 04/01/2006 18:21)
[quote=Fiffi]
Veloo::-D:-D:-D sady commerce fotsiny ireny , olona aman-tapitrisa ve de hitovy daholo :-D:-D:-D
[/quote ]

Zay mintsy ange hoa e, tsy misy afaka maminavina ny hoaviny aky an, fa dia fandemena ny sain'ny sasany fotsiny ireny sady fitadiavambola ho an'ny mpanao azy e ! :-D:-D
13. kally ( 04/01/2006 18:47)
Ny ahy météo ihany no henoiko alohan'ny hiainga rehefa maraina dia ny vaovao f'izany horoscope-nareo izany toa fivarotana am-pitsanganana.
14. Veloo ( 04/01/2006 20:13)
kally a ndray2 ko ary ny meteo tsy milaza ny marina knou :-D:-D:-D
15. fijo ( 04/01/2006 21:03)
aza mba mihainohaino foana ry zareo fa tsssssss
16. kally ( 05/01/2006 09:22)
Veloo>Ny aty aminay marina tsara kah! asa kosa ny any aminareo
17. mandrindra ( 05/01/2006 10:05)
hatsikana daholo ireny e, sahala amin'ireo izay milaza ny tenany ho mpaminany
18. Veloo ( 05/01/2006 15:19)
mandrindra a ie marina zany :-D:-D:-D
kally a tssssss aty ndray2 tsy marina inn fa tonga tampoka ny laneige be na 1m :-D:-D:-D
19. mirana5 ( 05/01/2006 19:35)
mamarotra saka beloha fotsiny reny horoscope reny ry reto a, par contre ny compatibilité de signes ndray dia mino aho satria hitako misy signes idea astro tsy mety mifankahazo mihitsy é:cry::cry::cry:
20. Fiffi ( 05/01/2006 19:43)
mirana5: zany ve ?? miheritreritra an'io aho hoe tsy mifankahazo , raha olona 2 aloha hoe mifankatia ka tsy mifankahazo mihintsy nohon'io signe io dia ataoko fa samy naka ny heviny hisaraka sa .... ? sa olona samy hafa mihintsy ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1563