MI-SAO

1. voaloboka ( 02/01/2006 15:21)
Manao ahoana daholo dua tratry ny taona vaovao 2006

Manimanina Mi sao ka sao mba misy afakamanome recette nareo e ,ilay ôtran'ny any dago mintsy fa tsy toan'ilay sinoa atyan ?

Misaotra betsaka
novalian'i Angie ny 15/03/2006 09:00
2. sipagasy ( 02/01/2006 17:39)
tratry ny taona aby e!

ny ahy ny fanaoko dia paty hihi mazava ho azy ilay any @ sinoa ireny avy eo koa ilay anana somary fotsy tahony iny no endakendasiko fa tsy andrahoana annn, avy eo koa dia karazana charcuteries rehetra hitako eo endakendasiko, ampiako atody avy nendasina ihany koa, tsy adino ny zava-manitra-maitso, afangaro ireo miaraka @ paty izay nandrahoana mitokana tsy dia atao ritra loatra dia mazotoa homana e!
3. vale ( 02/01/2006 21:16)
Voaloboka> dia rrehefa tsy maita le anana fanao azy iny ko ny salade maintso (laitue oh) mahasolo azy ! :D:miam:
4. jennifer2 ( 02/01/2006 23:24)
Vale, ary inona no solon'ny carry?
5. diamondra27 ( 03/01/2006 06:51)
safran ry jenni:
6. bichette ( 03/01/2006 07:25)
tratry ny taona aloha
asiana champignon noir voatetika ihany koa ; asiana carotte voatetika lavalava dia sauté-na fa tsy handrahona, asivo "vetsin" (any am sinoa) ilay saosy dé mazotoa homana :miam:
7. Andriambelo ( 03/01/2006 11:23)
Tratry ny taona daholo.
Tsy hoe manao dokambarotra aho fa mitatara fotsiny :
Ao amin'ilay restaurant sinoa-gasy ao Plessis-Robinson (92) (ao amin'ny Sobika ao ny dokambarony sy ny mombamomba azy), ny Mi-sao sy ny lasopy van-tam (tsy haiko ny manoratra azy) dia tena ohatr'ireny resto sinoa any dago ireny.(Aleonay mantsy naka plat sinoa toy izay ravitoto 12 €uros).
Fa na plat sinoa aza dia nampanembona ny tany an-tanàna. Sady tsara fandray be ilay sipa tao (mpianatra tao amin'ny St Jo tao Antsirabe hoe, taty aoriana angamba ka tsy fantatro).
8. vale ( 07/01/2006 23:07)
jennifer2:

Vale, ary inona no solon'ny carry?



jennifer> tsy haiko ndray iny ko! nenà tsy asiko curry aky e! fa ny legioma no tetehiko lavalava dia tapahiko roa oh ny carotte de ampiana ilay salady maintso iny (voatetika ko an!) de atody, champigons noirs nandrahoina tetehina ko! fa azondry soloina arôme maggi ko angé na viandox le curry satry mampatsiro sakafo ko iny no mahasolo niock mam! (miala tsiny raha diso ny fanoratro azy!:-D) :-*
9. voaloboka ( 09/01/2006 14:24)
Misaotra nareo rehetra fa dia afa po ny tenanay ary dia efa natao ny Mi soa fa dia tena tsara .

Misotra daholo
10. vale ( 11/01/2006 21:24)
Tsisy fisaorana aky voaloboka fa izay no mba ifampidinihana eto izay mahasoa!(l) indd2 fa hiezaka hanampy ny mpanolotra ny sujet rehefa cas toan'ny anjy io! :-*
11. andry08 ( 06/03/2006 18:16)
Inty misy recette: ny hena:nofon'akohosy nofon-kisoa(na jambon blanc). Pate eny @ sinoa. Atody hatao omelette dia tetehina. TI-SAM. Carotte,Courgette,Tongolo maintso,Champignons noirs( eny @ sinoa), oignon,tomate,menaka kely,vetsin.
Teteho araka ny hitiavanao azy dia asio coriandre(kotomila). Mahazotoa!:lol::lol::lol:
12. mirana5 ( 10/03/2006 20:48)
andry08:

Inty misy recette: ny hena:nofon'akohosy nofon-kisoa(na jambon blanc). Pate eny @ sinoa. Atody hatao omelette dia tetehina. TI-SAM. Carotte,Courgette,Tongolo maintso,Champignons noirs( eny @ sinoa), oignon,tomate,menaka kely,vetsin.
Teteho araka ny hitiavanao azy dia asio coriandre(kotomila). Mahazotoa!:lol::lol::lol:


Fa oatra'ny ahoana ny anana ti-sam fa toa tsy hitako zay mItovy aminy aty ?
:?::?::?:
13. Angie ( 15/03/2006 09:00)
mirana> raha tsy mahita anana ti-sam dia azo soloina salade maintso laitue(efa voalaza eo ambony io kah)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6723