sarimihetsika malagasy

1. anjeliko ( 28/12/2005 08:29)
mbola mila ezaka betsaka io taranja iray io eto gasikara. tsy miankina amin'ny teknolojia ihany anefa io ezaka io. eo ihany koa ny "créativité" sy ny saina tia karokaroka.

mbola mila fahamatorana be noho izany io tontonlo io eto. aleo tsy manenjika ny teknolojy farany ,fa manao izay hahatratrarana ny "niveau" ireo zay nikirakira io tontonlo io taloha; izay tsy bola tsy dia nanana fitaovana ari-fomba toy ny ankehitriny.
novalian'i Roch ny 12/04/2006 21:14
2. joda ( 28/12/2005 23:31)
tsy hitanareo mitovitovy ve io film io sy ilay hoe "guru" ? hahaha
3. Vahinala ( 30/12/2005 18:32)
Tohizako kely ....Tsy adala ny any amin'ny firenena vahiny mandalina manokana momba ny fanaovana sarimihetsika, misy mihitsy aza ireo fianarana maro momba izany, ny malagasy anefa ts mieritreritra firy ny mikasika izany fa d rehefa malazalaza kely d iny fa manao film hono ra anona sy ra anona, mety ho lasa lavitra ny malagasy raha mandinika tsara sy manao zavatra ampahamatorana aloha vao miditra amin'ny sehatra iray.
4. fasaly ( 30/12/2005 18:44)
fa misy mpilahatra ihany ny film gasy any am cinema gasy an! fa raha vahiny aloha no hoe hijery de tsy misy na iray aza e! satria raha hijery sary mihetsika gasy dei mila mahazo tsara izay dikan'ny resahina ao fa resaka be no tena mibahana am film gasy.....
5. fasaly ( 30/12/2005 18:46)
ny tiko lazaina ohatra raha misy gasy iray ohatra tsy mahay teny frantsay mahintsy fa mijery film vita vazaha de mety haharitra hatramin'ny farany ihany izy sady hitsikitsiky satria mba misy azony ihany ny fandehan'ny tantara rehetra, satrai tsy resa-be fotsiny no hita sy heno....:wink:
6. gasitiako ( 11/01/2006 04:31)
io zany aloha de tranga vaovao ihany eto amintsika, efa hisy hetsika goavana hatao atsy ho atsy hitrandrahana azy io na eo @ lafiny fampitaovana, na ny fanohanan'ny governemanta, indrindra moa fa eo @ mpandray anjara mivantana dia ny trano mpamokatra sy ny mpilalao. Asiana centre de formation toy ny any an-dafy ary dia ho matihanina tanteraka izay tafiditra ao. Tanjona io, fikasana ny antsika fa ny fandaharaha any ao Ambony ao
7. Roch ( 12/04/2006 21:14)
Efa tsara ny tanjona, fa tsy any loatra no olana. Tsy hoe manana centre de formation ny aty an-dafy, de hanao koa ny gasy. Aza de tia halatahaka, fa mba manana ny an'ny tena. Raha jerenao ny film gasy de, film tsisy originalité, ny culture vazaha no alain-tahaka, ka rahovina inao hitovy aminy.
Tsy ny film ihany, fa raha te handroso iska dia tokony hitrandraka ny atsika aloha, izany le tonga @ fitenenana hoe "mati-kambo ohatrin'ny saka, ny ... tsy firana, nefa ny ... totofana".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1487