violence sur la place du 13 mai du 17 dec 05

1. joda ( 27/12/2005 11:40)
hitanao @ site www.madanight.com

mampalahelo !!!
novalian'i fijo ny 10/01/2006 21:27
2. routa ( 27/12/2005 16:00)
tena voadaroka mihitsy ry zareo an!
looooza mahamenatra efa hoe avelao izy ho eo aloha fa rehefa tsy tim-bahoaka de tsy lany @fifidianana manaraka kou io fanonganam-pajakana io hiany za ko lou tsy tia an'io e!te hifuidy eo kou
3. fijo ( 27/12/2005 21:24)
ka ireny no efa notadiaviny ko.
4. xxx ( 27/12/2005 23:42)
nanome dernier avertissement hono i Faharo hoan'ny merina. nefa ahoana moa no ahalana'ilery fa merina daholo ireo namely azy. Eto Tana nge indrindra eo @ avenue dia be dia be ny bandy avy any @ sisiny mibizna eo e, na betsileo, na sihanaka, na tsimihety , na gena aza, izay tsy hita izay hanavahana azy raha eo @ endrika. mba ovay leitsy ry ledada ny toe-tsaina, ny fampandrosoana dinihina fa tsy hinanan-kanina izany kozy izany a!
5. Herimiafina ( 28/12/2005 03:04)
Ka ny azy anie hiota be le tsy fitiavana merina e, niandry an'iny fotsiny izy hamoahana azy, tssss:evil:
6. fijo ( 28/12/2005 04:44)
ka mibaribary izao ny tena toetsaina ao amindry zalahy.ka asan'izay mbola homba azy e
7. pitchou ( 30/12/2005 22:00)
boffff! miteny @ anaran'ny tenany izy fa izaho tena mino fa ny olona nifidy azy tsy misy momba izany eritreriny izany
8. fijo ( 31/12/2005 04:37)
ka ny tenany aza tsy hainy izay tena tadiaviny ko.
9. Bocassa ( 03/01/2006 12:29)
Ny tenako dia manome tsiny an' ireo oul nandaroka an' I Faharo sy ny namany! Ny antony de izao:
Mbola tsy niteny ninoninona akory ange ry lerony de efa nodarohana e! Sady tsy nanao fihetsika. Izay oul nanana fahasahiana namely dia tsy natahotra an' Andriamanitra. Fa nanao inona anazy ry Faharo? Tandremo ihany lahy fa mbola hivaly aminao ny ratsy e! Aleo alou izy hiteny izay vao mamely!
Fihetsika mahamenatra ny tahaka ireny. Sa ahôna hoy ianao?.....
10. fijo ( 03/01/2006 20:39)
boca an,efa niteny foana anie ireo talohan'iny e.ary efa hainao ihany ny zavatra hambarany eo.
11. pitchou ( 05/01/2006 17:51)
nenah klou d tena nahasosotra ahy ny fikasany hanakorontana ny krismasy kely mahantranay e! azony natao ny nivory tany @ villa elizabeta! raha ankasitrahan'ny olona v izy tdy ho tonga any ny olona fa maninona no tsy maintsy mila vaniny?
12. fijo ( 05/01/2006 21:58)
izay mihintsy.io na eny tampoketsa aza no hivory tonga ny pokona rehefa tiany.
13. eprom ( 06/01/2006 07:34)
pitchou:

boffff! miteny @ anaran'ny tenany izy fa izaho tena mino fa ny olona nifidy azy tsy misy momba izany eritreriny izany

Tandremo ihany fa izay le miteraka olana. Lazainareo tsy mahay mifidy izany ny olona any @ faritany? Fantany tsara ireo olona ireo. Fantany ny toetrany. Fantany ny heviny. Vitsivitsy olona kokoa any de mifankahalala bebe kokoa ny olona. Fa izay antony ifidianany azy de ry zareo no aoka hamaly.

14. pitchou ( 06/01/2006 18:31)
eprom> ny tena izy klou raha ny hitako d hafa ny nolazainy tany @ propagandy ary hafa ny ataony raha vao lany!!!!
15. fijo ( 06/01/2006 19:43)
le olona any koa anie mbola mijery le fiavian'ny olona hofidiana e.izay no mety hifidianany azy,fa tsy voatery hoe satria iny no tiany.
16. eprom ( 09/01/2006 04:26)
fijo> ka izay izany no tiany ko!
pitchou> tsy izany mintsy ka. Manana fomba fitsara hafa izy ( fiaviana ohatra, toy ny nolazain'ny fijo ).
17. jentilisa ( 09/01/2006 12:01)
Tsy ny hevitra tokoa fa ny olona matetika no fidian'ny olona!
18. fijo ( 10/01/2006 21:27)
izay no tena olana.ny olona any amin'ny sisiny any,matetika,dia tsy mijery izay hevitra aroso sy fahaizana mitondra zavatra,fa le olona fotsiny no jereny.ny mampalahelo,dia matetika izy ireo no kivy amin'ilay olona avy eo.hitako foan aizany fony aho mbola nipetraka tany mahajanga .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0488