nenina tsy ao aloha fa ao afara arandatra

1. zefalah ( 23/12/2005 22:21)
tak'izay za tsy niaraka t@ ty.
tak'izay za tsy nande tany.
tak'izay za tsy nanome.
tak'izay za teto iany.
tak'izay za nanaraka anatra.
tal'izay za tsy nanao.
tak'izay za tsy nihinana.
tak'izay za tsy nitia.
tak'izay za tsy nandany vola tamin'iny.
tak'izay za nanambady aniny.
tak'izay za tsy nisaraka tamin'iny.
sy ny sisa sy ny sisa tsy ary ho voatanisa.
le fanotaniana.
maro be @sika no voan'io...sady tsy olombelona koa raha tsy voan'reo...sika olombelona manenina foana eny na dia @zavatra tsara aza..tak'izay nataoko tsaratsara le izy...tak'izay nataoko bdbd le izy.
tohizany koa ho an'reny mpanambady reny,ny tenako moa mbola tsy eo @ le toerana,fa mba namaky ny momba an'lay famoronana tokatrano iany...satria efa be ny tena sady efa ho tonga lay fotoana.
sika refa manambady na miaraka(lela sy vevavy io)
dia faly faly be @ voaloany..fa refa ela ela dia mialeo..dia ho aho hoe.
INONA NY FANAFODIN"NY FANENENANA?
misaotra anareo zay mamaly.
novalian'i dadabe ny 30/12/2005 08:54
2. dadabe ( 24/12/2005 03:13)
ny mivavaka dia mangataka @ I Tompo izay ho anjaranao :D
3. puopey ( 24/12/2005 05:54)
tsotra no avaliko anao fiainana daholo izany rehetra izany ,fa aleo matotra ihany @izay atao rehetra na fitiavana io na inona ,manaraka izany koa dia rehefa tsy ianao no nanao ratsy talohany dia maivana ny vato lolohavinao ,ary ny anjaranao dia mbola any ,aza tadiavina akory fa tonga eo fona izy.aza manenina izany famatoa natao dia niandrandra valiny tsara ianao zay, kanefa tsy voatery ho izany ny valiny ,matoa tsy nety dia tsy mahasoa anao akory izy ,zany an! courage
4. poupounesana ( 24/12/2005 06:02)
mba tsy anenenana hono (hono fa tsy za no niteny an'zany) d avadibadio impito ny lela alohan'ny hitenenenana, avadibadio impitoambifitopolo ao antsaina zay eritreretina atao alohan'ny hanantanterahana azy!)mety handany fotoana b ihany alou eh!
5. kally ( 24/12/2005 07:37)
Hanenina krismasy be izao ve? Dia mbola hanenina koa zefalah hoe tahak'izay aho tsy nankao @ forum serasera,...
6. Vehivavy ( 24/12/2005 09:28)
Efa tsy hita intsony reto izay ambony sy ambany amin'ity fiainana ity a, tokony mihezaka manao ny soa hatrany fotsiny fa mandalo anie isika no eto antany e, samy ho faty daholo ihany nefa koa moa tsy misy ny tonga lafatra d tsy hita be ihany e ! Na eo aza ny olana sy ny nenina samy hafa d manaova fety sambatra daoly na izany aza e ! :D
7. Vehivavy ( 24/12/2005 09:28)
Efa tsy hita intsony reto izay ambony sy ambany amin'ity fiainana ity a, tokony mihezaka manao ny soa hatrany fotsiny fa mandalo anie isika no eto antany e, samy ho faty daholo ihany nefa koa moa tsy misy ny tonga lafatra d tsy hita be ihany e ! Na eo aza ny olana sy ny nenina samy hafa d manaova fety sambatra daoly na izany aza e ! :D
8. diamondra27 ( 24/12/2005 10:05)
za kosa aloha ry zefalah tsy mba manenina zany mihitsy ary fafiko mihitsy zany an, tena resaka tabou io amiko, tena FADY FADY, matoa za zay nanapakevitra de haiko ny lafy ratsiny sy lafitsaranany de raisiko ny hevitro ary j'assume fa tsy manenina zany za

De haninona anefa enao raha anenina?

manenina ve enao fa nanao loto de tsy nahazo le 1000000 ? de haninona? tsy azoko mihitsy io mot iray io,

kally:marina mitsy ny anao, hanenina Xmas ve?
dadabe: ny anao koa, rehefa tena mivavaka tsy misy fanenenana zany fa Kristy ny mitondra ny fiainanao de tsy hanenina enao fa hahasoa anao daholo ze omeny
ANDRAMO ANGE E! De ho tsapanao le tiako lazaina hoe: za tsy manenina zany

zay ry zefalah fa de mahereza a!
9. jennifer2 ( 25/12/2005 03:25)
Zefalah! ny fanafodin'ny fanenenana? tsy misy, Ny misoroka no tsara. noho izany, mila manadihady tsara alohan'ny hanatanterahana zavatra iray.
10. mandrindra ( 26/12/2005 14:13)
Misy fahamarinany ny an'i jennifer2 hoe tsara ny misoroka, nefa tsy ho voasoroka daholo anefa fa tsy maintsy mba tratran'ny tsy nampoizina.
Amiko dia toy izao, ny "tahaka izay" sy ny "tsy misy" dia mitovy ihany ka raha hijery ny lasa eo foana dia ho vizana fotsiny ko aleo manohy hatrany ity fiainana milay ity ka ny ho avy no jerena.
Ny nenine dia zavatra efa lasa, ataovy sahala amin'ny mamily fiara e, andramo anie hoe ny retroviseur foana no jerena dia ho hita eo hoe aiza no hiafarana.
11. dadabe ( 26/12/2005 15:41)
Mpandefa : poupounesana [ Valio ] 24-12-2005 10:02:40
Lohateny : Re : nenina tsy ao aloha fa ao afara arandatra
mba tsy anenenana hono (hono fa tsy za no niteny an'zany) d avadibadio impito ny lela alohan'ny hitenenenana, avadibadio impitoambifitopolo ao antsaina zay eritreretina atao alohan'ny hanantanterahana

o ry poupou a nanandrana namadika ny lelako zah fa vao indr-1 fotsiny dia efa tsy nety kle :evil:, fa atao ahoana klou izany in-77 zany e??:-w:@
12. zandrikely ( 26/12/2005 18:47)
mety hahazo ny rehetra io nenina io , nefa koa ho entina hiatrehana ny ho avy e ,
mandrindra ; marina zany , nefa mba jerena kely ko ny lasa handrosona e
jennifer2 : tsara tokoa ny misoroka , nefa indraindray mba manenina kely ihany , ra fantatra hoe ho avy ny mpilaiso dia natao tsara hidy ny trano e
13. tafita ( 26/12/2005 19:05)
Tsotra ra zefalahy a , manenina eo am-boalohany de rehefa avy eo tsy manenina intsony e
14. Herimiafina ( 27/12/2005 04:09)
Tahak'izay zah tsy nanenina klé, hehehehe:-D:-D:-D:-D
15. mandrindra ( 27/12/2005 15:15)
fa raha nanenina teo kosa i herimiafina an
16. diamondra27 ( 28/12/2005 12:47)
tahak'izay tsy nisy serasera de tsy nisy ty dinika ty
17. jennifer2 ( 30/12/2005 00:26)
Hoy zandrikely:
jennifer2 : tsara tokoa ny misoroka , nefa indraindray mba manenina kely ihany , ra fantatra hoe ho avy ny mpilaiso dia natao tsara hidy ny trano e

Izay ilay mila mitandrina sy miambina mandrakariva
18. jennifer2 ( 30/12/2005 00:27)
hoy herimiafina:
Tahak'izay zah tsy nanenina klé, hehehehe

Fa inona avy ireo nahahatonga ny fanenenanao?
19. diamondra27 ( 30/12/2005 06:16)
nanenina tsy nihinana le cassoulet io ry jennifer a!
20. dadabe ( 30/12/2005 08:54)
Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 28-12-2005 16:47:27
Lohateny : Re : nenina tsy ao aloha fa ao afara arandatra
tahak'izay tsy nisy serasera de tsy nisy ty dinika ty

inn njay ity ry diamondra a? aleo misy fa ny fanenenana anie misy foana e:)

zefalah > raha tsy mahay fanenenana ianao dia ity
" A/TRA Tompoko
malahelo mafy ny ratsy nataoko taminao aho
satria Ianao no tsara indrindra
ary tokony ho tinay indrindra
ary Ianao no tsy tia ny ratsy
manampo tsy hanao ratsy aminao intsony aho
ary hanao asa fivalozana @ fitahianao ahy "


io le fanenenana ry zefalah a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1532