Firariantsoa

1. hery ( 23/12/2005 09:31)
Tonga indray ity ny fetin'ny krismasy sy ny taombaovao ka tsy hay ny tsy hirary soa antsika rehetra namana eto amin'ny serasera. Ny tsirairay, sy ny rehetra, na ny mpandalo na ny mitoetra. Na ny tranainy na ny vaovao, na ny efa lasa na ny mbola ao. Fiarahabana ombam-pirariantsoa. Ho fety sambatra sy milamina io krismasy 2005 io, ary ho taom-pifaliana sy fiadanana io 2006 io.
Manaova fety sambatra daholo e.
Hery
novalian'i fijo ny 06/01/2006 20:08
2. Fanja1 ( 23/12/2005 09:46)
Dia mirary soa ho antsika rehetra! manaova fety sambatra daholo!!!!!!
3. dadabe ( 23/12/2005 10:13)
de aiza aza ny bon bon anay sefo a (sa afaka manao xxx amizay ve ?)

dia mirary soa ho antsika rehetra ary e

dadabe
4. naritsimba ( 23/12/2005 10:29)
Isika rehetra tsy ankanavaka
dia ho arahina vavaka
sady ho tsofina rano
tsy ahahita loza sy atambo

Tsiky dia ampy e! :D
5. pika ( 23/12/2005 10:42)
dia mirary soa ho an'i hery koa e
sy ny namana rehetra
6. ari.malala ( 23/12/2005 11:33)
Mirary soa hoan'ny namana rehetra tsy an-kanavaka ihany koa ny tenako, mirary Krismasy sambatra sy Taom-baovao finaritra dia ho taona hoampoky ny soa io taona hoavy io.
7. nani ( 23/12/2005 11:45)
Mirary noely sy taombaovao sambatra ho an ny naman rehetra ny tenako ! Mba hitombo saina ,fahendrena ary fanahy daholo anie tsika rehetra @ io taona 2006 io eee !!! Dia samy ho tahin Andriamanitra daholo ,ary aoka samy hisaotra azy !!
8. Fiffi ( 23/12/2005 12:43)
Dia mirary antsika rehetra tsy akanavaka Noely sambatra , ny Tompo anie hitahy antsika lalandava .Ary misaotra antsika rehetra koa .
Tonga ny Noely rankizy
Mifalia ka asandrato izao ny hira
Ka andeha mba hitady ilay zaza
Zaza kely izay ho tonga hanandaza
Tompo o! Tahio izahay.
Dia mirary soa sy fahambinana ho antsika rehetra e!:-*:-*
9. annie ( 23/12/2005 12:54)
Misaotra antsika isika e!
Mirary soa ho an'ny rehetra
10. fasaly ( 23/12/2005 13:12)
de mirary fety sambatra dooly ho antsika rehetra de ho samy ho tratry ny hasaramanitra taona vaovao 2006 ndray o! vive ny serasera an!
11. jentilisa ( 23/12/2005 13:44)
ny firariantsoa tokoa tsy ho lany mihitsy fa mandray anjara ihany koa izahay. Mifalia avokoa ary!
12. sipagasy ( 23/12/2005 14:03)
mirary fety milay sy mahafinaritra ho antsika rehetra koa e!!!!
13. pissoa ( 23/12/2005 14:16)
mirary soa o, dia manaova fety milay be doholo! :-*
14. Bariry ( 23/12/2005 14:24)
De toy ny mahazatra tokoa moa de mirary soa ho antsika rehetra eeeeeeeeeeeeeh(l)
15. mandrindra ( 23/12/2005 15:19)
Tonga ny andro firairiantsoa
Samy mifanatitra izany avokoa
Fety milay ho dôzy sy sambatra
Aoka re mba tsy hisy ho any an-tatatra

Dia hanomboka indray ny taona vaovao
Maro sy be ireo zavatra ho atao
Aza ajanona eo amin'ny vinavina
Fa mavitriha manatontosa izay nirina

Manaova fety finaritra daholo e !!!
16. fijo ( 23/12/2005 19:22)
dia tsy hay tokoa ny tsy hirary soa sy fety finaritra ho antsika namana rehetra eto e.ho fety mafana anie ny hoan'izay aty,ary fety milamina kosa hoan'izay any an tanana.ary samia hotratry ny taona manaraka koa e.
17. ravakamalala ( 23/12/2005 19:30)
Misaotra anareo rehetra mahatsiaro sy mirary soa.

Ho krismasy feno fifaliana anie ny amin ity taona 2005 ity ary samy ho tratrin ny taona 2006, irina ho feno fahombiazana.

18. fijo ( 23/12/2005 19:52)
faly raha mbola eto ndry ka
19. Vehivavy ( 23/12/2005 20:33)
Enga anie tokoa samy hanao fety sambatra daholo isika rehetra ka dia mirary soa an'ny namana tsy ankanavaka rehetra. Bizzzz daoly e ! :-*
20. Vehivavy ( 23/12/2005 20:34)
Enga anie tokoa samy hanao fety sambatra daholo isika rehetra ka dia mirary soa an'ny namana tsy ankanavaka rehetra. Bizzzz daoly e ! :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4463