AOKA HAZAVA NY FANOHERANA!

1. cristal ( 23/12/2005 06:55)
(l)Salama daholo ny namana rehetra!AOKA HAZAVA NY FANOHERANA satria ny:-Ny vidin'ny entana @zao fotoana zao ange ka tokony ho efa tany aloha tany no niseho satria,nanaovana ny atao ho subvention de l'ETAT,daholo ka ny vola tokony nanaovana ireo asa maro hafa dia nanetsemana ny vidin'ny solika,ka hany ka ny vola tokony nanaovana ny asa zay hita fa vita @zao fotoana zao dia lany tsy ammortir fa lany t@ sakafo ka tsy nisy ny fandrosoana teo @ tanana na faritany tsirairay.Teo ihany koa ireo fihovana tena diso haingana loatra nataon'ny fanjakana ohatra,ny fampandoavana ara-dalana ny hetra @ zavatra rehetra atao,zay navela ho gaboraraka teo aloha satria zay te handoha mandoha fa zay tsy te hanao izany de manome tsolotra ny manampahefana!Sombiny ireo raha tsy hiteny ny @ jirama zay tsy maintsy atao ny fanadiovana mba ahitana ny tombony sy ahafahana mamorona tohadrano mba hakana herinaratra rehefa mahita tombony ny jirama,ka mahareta fa ireo asa ataon'ny fanjakana @ zao fotoana zao dia hoantsika tanora no tena hanaovany ireny satria a long terme daholo fa tsy hoe eo no eo dia tsy maintsy ahita tombony ,tahaka ny olona mampiasa vola ihany anie ny fanjakana e!satria misambotra vola any @ FMI SNS IZY mba ampitomboina,raha tsy manana ny fiandrianana ara-bola isika dia tsy afaka ny fanagejana ataon'ireo firenena hafa,ka rehefa mahay mitantana dia mety satria isika manan-karena fa tsy mahatra fa sahirana fotsiny ka mivavaha hoan'izay mitondra na iza izy na iza mba ho lay ANDRIAMANITRA no hanolontsaina azy @ fitantanana ataony zay no adidintsika vahoaka dia mahaiza mankasitraka!De manaova fety sambatra daholo e!ANDRIAMANITRA ANIE HIARO NY TANINTSIKA KA HANOME NY TSARA INDRINDRA NY MALAGASY!AZa mitsahatra ny mivavaka hoan'ny tanindrazantsika ry Malagasy!Tiako ny malagasy tsy foiko ny tanindrazako ka hitondra ny kely aho mba hampandrosoako azy,io no tanjona tokony ananantsika tsirairay!Veloma vetivety daholo!
novalian'i fijo ny 04/01/2006 04:31
2. jentilisa ( 23/12/2005 08:01)
artista sy hira ve no misy azy ity? :lol:
3. Ragadona ( 23/12/2005 08:08)
Tandremo koa anefa fa ny tora po be loatra sy io fanipatsipazana voninkazo lava amin ny alalan ny fikarokarohana fanazavana etsy sy aroa handresena lahatra olona io no anisan ny tsy maha lasa lavitra antsika. Raha vao misy zavatra tsy mande de zay argument hanamarinan tena no karohina voalohany fa tsy mba vahaolana. Ary iezahana atao an ireny fanazavana tsy hita hoe marina na diso ireny satria tsy hita zay hanaporofoana azy de hoe hino fotsiny ny olona.Ka raha amin zao alo amiko de mila fihavaozam pomba fijery daholo na mpanohana fitondrana na mpanohitra satria efa fomba fanao teo amin ny fitondrana taloha daholo reo fihetsiky ny roa tonta amin zao
4. zama91 ( 23/12/2005 17:26)
mba ataovy fohifohy moa rehefa manazava fa tena mampatory be nefa ilay adihevitra mba tsra ihany eh
5. fijo ( 24/12/2005 04:24)
lasa artista moa izany isika mpiserasera politika izao.tsy maninona fa mila fahalalana koa ny polifika e.
ragadona,marina tokoa io voalazanao io.
6. pissoa ( 24/12/2005 14:44)
Ragadona,marina mihitsy izany!
7. xxx ( 24/12/2005 15:17)
Rehefa avoaka ny fonja izao ra-Voninahitsy dia ankalazaina indray hoe maheri-fo, hero etc, fa tsisy resaka hafa toy ny hoe aiza ny investissement? Ahoana ny sante? Ny jeunesse? Ny trosa?........
Tsy hitako! Izany ve no hampandroso an'i Mcar?
Mba ataovy serieux ilay fanoherana e!
8. fijo ( 27/12/2005 21:32)
ka ireo anie tsy manohitra fa mitady seza e.
9. chic ( 03/01/2006 16:44)
Izay ilay nolazaiko an'i Bocassa hoe tsy mpanohitra fa mpankahala.Tsy mahalala loko afa-tsy mainty. Ny mpanohitra eto dia olona matahotra ny hietsehin'ny dossier-ny ny ankamaroan'ny londohany ao:
Alain Ramaroson:Efa nisy nanontany hoe ahoana no fandehan'ilay saphir sa inona moa ilay tao @ ny birao n'i Herivelona Ramanantsoa
Daniel Ramaromisa:Vao nihetsika ny rova dia hita @ izay tao anaty mpanohitra izy (Anisan'ny nitantana ny volan'ny rova teo aloha)
Voninahitsy: no comment
Ramasy Adolphe : Mpanenjika merina tao T/ve



10. fijo ( 03/01/2006 20:41)
ka avelao izy handany andro eo,fa ny asa ihany toizana e
11. khery ( 03/01/2006 22:49)
F'angaha rehefa mitsikera ny fitondrana de lazaina fa mpanohitra?Ny mpanohitra amiko de ireo manaika be fahatany zay lazai'ny filoha nefa de hita fa ts'isy tomb.... akory.
12. fijo ( 04/01/2006 04:31)
ka ny antsika wa tsy mpanohitra ireo fa mpitady seza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0574