Inona marina moa ity kianjan'ny 13 Mai ity e?

1. notron ( 22/12/2005 05:53)
Araka ny fandinihana (analyse) politika hatramizay dia io no Andriamanitra faharoan'ny mpanao politika malagasy. Satria nahoana? Izy no manome ary izy no maka. (mametraka sy manala ny mpitondra fanjakana)
Iza ary no tompon'io 13 Mai io?
Ny tompony dia ny vahoakan'Antananarivo, hafohezintsika @ hoe VA.
Iza indray ary ity atao hoe VA? merina ve? Diso.
Ny VA dia ahitana ireo malagasy rehetra avy @ lafivalon'ny Nosy, monina eto Antananarivo. Izany hoe mahasolo tena ny rehetra. Ireo no tompon'ny 13 Mai.
Sarotra noho izany ny manozongozona izay olona hiantefan'ny safidin'ny VA. Ary tsy tafapetraka eo @ fitondrana mihintsy ny olona tsy manana ny fon'ny VA.
Ny fitaovam-piadiana farany (dernière cartouche)ampiasaian'ny manao politika na mpitondra izy na mpanohitra tsy ankasitrahanan'ny VA dia ny milaza fa ny Merina no VA (Diso, diso, ary tena diso tanteraka izany)
Io fampisaraham-bazana sy fampiadiana ny samy mpiray firenena io no heveriny fa tombotsony.
Ary izay no hahatsapana fa malemy izy. (na mpitondra io na mpanohitra).
Tsy mamorona aho akory fa samia isika manaraka tsara ny tantara dia hazava izay tiako ho lazaina.

Teny atsipy ho an'ny manampanahy rehetra io ka am-bava homana, am-po miheritra
novalian'i fijo ny 27/12/2005 21:35
2. jentilisa ( 22/12/2005 06:31)
NY nahavoa ny teo farany dia tsy nampianarina hitoraka voatabia sy atody ny olona, na dia lafo aza ireny. Sa mbola tsy azo atao koa moa ireny?

Ny zavatra faharoa dia raha tena maro ny olona te-hanongana araka ny filaza azy dia tsy nahavita na inona na inona izay nanao herisetra teo. Tsy maintsy nisy ny nanakana...saingy efa tetika moa ny hisaian'ny korontana ka tsy fantatra marina hoe iza no tena nanakorontana dia nanely avy eo fa nodarohan'ny...ny olobe avy any amin'ny...,

Atao hoe manana-kasina ilay kianja ka raha tsy tena maro tsy mahamasina azy...Eo no tena mahamasina izany e! rehefa maro an'isa, fa potika kosa ianao raha vitsy an'isa miseho mitetateta eo
3. jentilisa ( 22/12/2005 14:09)
8O TENA TSY AO VE LE RESAKA ?
4. fijo ( 22/12/2005 20:44)
mazava ka,ary mtombona tsara.
5. zama91 ( 24/12/2005 14:09)
Ny 13mai dia hoan'ny vahoaka malagasy ,ny foko 18 ao madagasikara ka tsy hitako hoe inona koa no mba hidiran'ny hafa hoe azy irery io
6. xxx ( 24/12/2005 14:28)
I Mcar koa dia an'ny malagasy rehetra mazava loatra izany fa tsy an'ny vahiny tsy akory
7. fijo ( 27/12/2005 21:35)
izay mantsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8081