tokatrano

1. FALY2 ( 18/12/2005 12:01)
Hono hoa ry zareo ,
Mba hazavao kely amiko raha azonareo atao
Ny mpivady ve dia tsimaintsy misy gidragidra foana?
novalian'i anjeliko ny 29/12/2005 07:05
2. ravakamalala ( 18/12/2005 13:20)
tsy voatery mifampigidra rehefa mahay mifandefitra.

Misy zavatra zao efa fantatrao hoe tsy tian ilay lhl aminao dia mba mandefitra ianao hoe tsy ataonao aminy na koa rehefa mba eo izy dia tsy hataonao. Dia izy koa ohatran izay fa tsy ianao irery koa akory no handefitra eo, fa raha tsy izany dia tavela eo.

Fandeferana ny basen ny fifanarahana.
fa ilay gidragidra koa anie indraindray fanomezana tsirony an ilay fiarahana e! satria mamy be mihitsy rehefa miombona avy eo, ohatran ny tsy nanota!!!!!!!
3. lapino ( 18/12/2005 13:25)
Kolosiana.3:19,18:
18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo.

19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy.


Tsy maintsy misy gidragidra foana raha misy ny iray mi-manquer an'ireo.

Ho antsika lehilahy, tsy tokony ho mora sosotra isika, satria ny vehivavy izany raha izao dia efa voa-janahary mihitsy ny toetrany mahasosotra.
4. kally ( 18/12/2005 17:22)
Raha tsy miady tsy mifankatia fa aza atao gidragidra kosa fa adiady madinidinika ihany dia ampy e!
5. diamondra27 ( 18/12/2005 19:09)
avia ise aty
raha tsy miady tsy mifankatia
de andana makary
mba hankafy.....
6. vale ( 18/12/2005 20:34)
FALY2> ny teny hoe mpivady hono dia avy @ oe: mpiady fa nasina V fotsiny eo anelanelany!hihihihih
7. lapino ( 18/12/2005 21:00)
vale:
FALY2> ny teny hoe mpivady hono dia avy @ oe: mpiady fa nasina V fotsiny eo anelanelany!hihihihih

"V" comme V*dy =)) (* mety ho a, i, o)

8. hesham ( 18/12/2005 22:45)
hahahahahahah
Raha tsy miady tsy mpivady , tsy mifankatia raha tsy miady . N`iza niza olona intime be aminao miaramiaina aminao tsy maintsy misy fona ny fifamaliana kely tsy fitoviantsaina na mpianadahy na ray amandreny sns . Tsy mitombina zany mpivady tsy miady zany na hisolo vady in20 ary.Fa fandeferana no mampatsiro azy .
9. ari.malala ( 19/12/2005 08:16)
ny adiady madinika ts maints misy foana, fa ny fifandeferana no tena basen'ny fifankatiavana e, ts tsara ko le mamoha fotamandry, ny tiko tenenina d le we ady efa maly d androany mbola ts tadidiko nga le toy izao maly, na ko we efam ba mandefitra ny 1 d nefa enao mbola miseho b loha ihany... ts maitns raikitra ny gidra!
10. Veloo ( 19/12/2005 16:04)
hesham :-*=D=D=D
11. zandrikely ( 19/12/2005 18:37)
ny ady tsy maintsy misy e , fa rehefa samy mahatsapa hoe tsy mety ny natao ka miova dia zay no zavadehibe , ary miezaka manova an'izany , olona tsy nifankalala anie no miaraka e
12. diamondra27 ( 19/12/2005 19:21)
mpiady de lasa mpiVady

le V zany de tsofoka mitondra fahasambarana araka ny tenin'i lapino: V*dy
- V ola
- V era
- V ahiny
- V aovao
- V etso
- V érité.....
13. bozimanga ( 22/12/2005 06:24)
mahay ianao ry diamondra ka
14. Sorate ( 22/12/2005 07:15)
Raha ny fifandeferana no base'ny hoe tsy miady de tsy mahavaha olana zany raha tsy samy manao ny anjarany ny tsirairay.Fa tsy maintsy misy aloha ny gidragidra eb (imperativement)
15. mimiso ( 22/12/2005 17:02)
Eo @ fiainana tsy ho voatery ho positive fôna,fa mba misy kosa negative, de ôtran'zany ko le mpivady ,mba misy mifandamoro ,de misy ko le gidragidra ,sady ny tokatrano tsisy gidraka zany tsy milay
16. anjeliko ( 29/12/2005 07:05)
FALY2:

Hono hoa ry zareo ,
Mba hazavao kely amiko raha azonareo atao
Ny mpivady ve dia tsimaintsy misy gidragidra foana?



eo @ olona tsy maintsy mis gidraka fona e!na eo @ mpianamana,mpiakama,mpiaramiasa,...

tsy mitovy fotsiny lay fisehony eo anivon'ny tsirairay e!!!

azo atao fona ny mandefitra ba tsy hisian ny gidra² e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1582