fivoarana amin'ny publiphone!

1. jentilisa ( 17/12/2005 13:09)
Tato ho ato izay teto Antananarivo. Asa raha nahatsikaritra isika fa misy soratra maitso ngezangeza iny amin'ny sasany amin'izy ireo. Izao ny soratra ao hoe : ariary zato na aiza na aiza no antsoinao...nefa ny sarin'izao tontolo izao mihitsy no asehony eo, fandrika ve sa fanairana tokoa.

Manaraka izany dia ametrahany nomerao koa ireo publiphone ireo ka azonao iantsoana sahala amin'ireny fahitantsika amin'ny film ireny. Izany hoe ianao any an-kafa dia afaka miantso ilay publiphone amin'ny ora ifanarahanareo sy izay olona hiresaka aminareo. Izay no hitako aloha! mandeha ve sa tsia? Tsy fantatro! andramo hoe!

tsy mba efa mitady hifaninana amin'ny firenenkafa ve isika amin'izany?
novalian'i fijo ny 05/01/2006 22:04
2. sipagasy ( 17/12/2005 13:42)
ka tsy vao maika ve tsy tsara izany???? sa diso aho??,
3. vale ( 17/12/2005 16:29)
jentilisa> raha aty ivelany aloha dia izaho efa nampiasa io mifanome n° ny cabine io dia mifampiandry fa mety fa matoa ny fanjakana manao izany dia mety ka! de sanatria ve dia tsy homatotra tokoa izany??? Itako tsara aloha raha misy fivoarana izany e!!! izay no iriana ho an'i gasikarantsika sa aona?
4. fasaly ( 18/12/2005 08:21)
jentilisa: andramo hoe de lazao anay ny tena marina!!!!!!:lol:
5. fijo ( 28/12/2005 18:38)
efa fiovana tsara daholo izany ka.
6. lanto ( 30/12/2005 11:25)
Efa ela tokoa no nanandrakandrana miantso cabine io. Efa ni-enregistrer num cabine tanaty portable koa aho dia tonga dia fantatra hoe ranamana ary am quartier ananona izany miantso izany. Izany hoe efa nisy num foana ny cabine. Fa rehefa antsoina tsy maneno :(
Tsara kosa raha tena mandeha io mba azo atao le hoe "antsovy zah fa lany ny carte-ko" :)
7. fijo ( 30/12/2005 19:10)
aiza i lanto no hoantsoiko ary?
8. lanto ( 31/12/2005 13:16)
fijo> aty bazary be zah io 00 261 20 53 978 33
9. fijo ( 05/01/2006 22:04)
bazary be aiza io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.318