Ny tsy fisian'ny quota régional no mampikatso ny firenena!

1. jentilisa ( 16/12/2005 08:36)
Indrindra indrindra izany fa eo amin'ny fizarana ny seza ho an'ny minisitra sy ny direktora ambony.

Izany no tenin'ny filohan'ny antenimieram-pirenena raha nikabary tany Toliary izy fony nitsidika tany.

Ahoana ianareo amin'izany hevitra izany?
novalian'i fijo ny 22/12/2005 20:51
2. jentilisa ( 16/12/2005 08:36)
Andriamatoa Lahiniriko Jean no niteny izany an!
3. sonwin ( 16/12/2005 09:23)
io fanasongadinana fiaviana io indrindra no mampikatso antsika.tsy samy gasy ihany ve e!jereo ny firenena mandroso, aleo hanao izay compétent fa tsy hoe avy aiza sy avy aiza..asa anefa!!!
4. namanao ( 16/12/2005 10:15)
sonwin> ka ahoana raha samy compétent ? Amiko aloha raha mbola misy ny compétent amin'ireo anatin'ny lisitra amin'ny fanaovana ny equilibre regional dia aleo zay ihatra eh!
5. jentilisa ( 16/12/2005 12:31)
ka le izy kosa aloha misy tsy competent mihitsy fa mba hoe asio minisitra avy aty aminay dia izay e! mpiseho io!
6. kally ( 16/12/2005 13:08)
Izay manam-pahaizana sy mahay mamaha olana no tokony hiakatra eo fa tsy izaràna hoe avy aiza na avy aiza.Hevitro iny aloha fa toa na iza na iza no napetraka teo toa tsy hitako izay mba hainy hatramin'izao aloha...
7. lapino ( 16/12/2005 13:27)
Ny tsy fisian'ny quota régional no mampikatso ny firenena!

Izany hoe: Akatso, Katsoina, Ampikatsoina izany ilay firenena ?!!! Izany ve tsy chantage kle?! :twisted:
8. Samoana ( 16/12/2005 13:34)
Tsy mety ny manisy quota izany raha ny hampandroso firenena no tanjona. Aleo aza asiana appel d'offres ho an'izay te ho kandidà @ ministera samihafa ; dia hampanaovina fanadinana hitsapana ny fahaizana.
Saingy politika moa ny ministera ka nofy izany antoko samihafa hiara-hiasa amina poste clé izany!Izay rapôlitika izay no tena mampikatso firenena e !
9. Stone ( 16/12/2005 14:44)
Anefa dia io quota io konikoa no tsy nahatafavoaka antsika nandritry ny 45 ans, ka inona ihany ary no hatao?

Methode à l'africaine io quota io, tsy mahagaga raha tsy tafita i Afrique.

I Tsiranana dia tsy mba nanao io quota io, nisy minisitra tsimihety 5 tao @ governemantany. Zavatra hafa no nanonganana azy t@ izany.

10. jentilisa ( 16/12/2005 15:26)
fa ny nanonganana an'i Zafy ohatra dia izy tsy nametraka praiminisitra merina satria tamin'izany izany no fanao. Raikitra ilay fifdianana vao hoe Ratsirahonana no ataoko praiminisitra rahalany eo aho.

Fehiny: tsy afaka amin'ny mpanao politika ny quota satria io no mora ahazoany seza kokoa!
11. Stone ( 16/12/2005 17:13)
Ka tsy afa miala @ merina izy satria 40% de la population malagasy dia avy @ io foko io, raha atambatra ny haut-plateau rehetra dia miakatra 70% izany.
12. fijo ( 16/12/2005 19:18)
efa resabe hatrizay io resaka quota io.
ka izao.
-dradradradraina fa isika samy malagasy.raha samy malagasy ve atao inona intsony indray ary quota?????zavatra heno koa io tamin'ny andron i deba,fa ny merina indray no niteny azy teo.
-dikany dia,manaiky isika fa samy gasy fa samy hafa fiaviana koa.ka izay no mitarika ny fitakiana io quota io.
za aloha dia tsy momba azy io mihintsy,satria manjary manenjika isa isika fa tsy mitady izay tena mahavita.
-raha toa kosa ka samy manana ilay fahaizana tadiavina dia zarao ny toerana.raha avy ao anindrana ny DG dia ataovy avy ao imerina ny SG.
marihiko aloha fa ny fananana fahaizana akory tsy mika hoe fahaizana mitondra koa.
13. sonwin ( 16/12/2005 21:21)
izay mihitsy razoky a!
namanao> efa novalian'ny namana ireo daholo angamba!
14. fijo ( 16/12/2005 21:49)
mbola hafaka manampy ka
15. jentilisa ( 17/12/2005 10:05)
ampio e
16. Herimiafina ( 17/12/2005 17:30)
jentilisa:

Indrindra indrindra izany fa eo amin'ny fizarana ny seza ho an'ny minisitra sy ny direktora ambony.

Izany no tenin'ny filohan'ny antenimieram-pirenena raha nikabary tany Toliary izy fony nitsidika tany.

Ahoana ianareo amin'izany hevitra izany?

Misy ny quotas regionnal kah, amin'ny fomba ankolaka izany, jereo ny concours ENAM sns, fa ny olona de izay mivoaka amin'n'ireny toerampianarana ho mpitondra ambony ao amin'ny fanjakana ireny dia tsy misy miverina any amin'ny toerana niaviany fa mivangongongo amin'ny toerana iray avokoa.
Ary tsy manome tsiny azy aho satria tsy misy incitation any amin'ny toerana asiana andehanany.
Ny vaha-olana dia hatsarao aloha ny tanana rehetra.

17. mandrindra ( 19/12/2005 09:22)
Miombonkevitra amin'i fijo.
Madagasikara firenena tokana koa raha resaka fihaviana ao anatin'ny firenena tokana sy mitambatra no hitadiavana toerana eo amin'ny fitondrana dia ataovy izay hialana ao anatin'io firenena io.
18. jentilisa ( 20/12/2005 08:08)
Efa io no nampianarin'ny frantsay antsika hoy izy (ka "sous entendu tokony hotohizana)...rehefa nijery ny vaovao aho no nahenoako ny tohin'ny resaka. Dia mbola ny zavatra apetraky ny frantsay foana ve no tsy maintsy arahina sa "zanatany" tsy anarany fotsiny isika?
19. fijo ( 20/12/2005 20:52)
raha manana fahaizana koa anie ilay apetraka eo,tsy olana e.fa tsy he zanak'anabaviko ity dia alefaso e.izay no olana.
20. mandrindra ( 22/12/2005 09:38)
jentilisa, aleo tsy apetraka ho an'ny frantsay foana ny hadisoana fa tokony handray andraikitra isika ary hanaiky ny hadisoantsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2162