Tsy tafiditra @ BIOS

1. hery ( 13/12/2005 13:08)
Niditra tamin'ny BIOS setup aho dia nikitikitika tao dia toa désactivé ny port. Rehefa novelomina ilay ordi dia ny clavier kay no desactivé dia tsy mety velona... dia tokony haverina ilay port desactivé. Tsy mety tafaverina amin'ny BIOS setup intsony anefa satria tsisy clavier akoriny.
Sao de misy fika hafa?
novalian'i sadakely ny 03/01/2006 07:50
2. Herimiafina ( 13/12/2005 13:10)
Sao dia tokony hesorina kely aloha ny pile bios de miverina amin'ny configuration initiale de izay vao velomina, anjamo aloha hoe? hehehe:wink:
3. Herimiafina ( 13/12/2005 13:20)
Izany hoe, esorina le pile de averina, izay fotsiny izay vao velomina ny machine.
4. namanao ( 13/12/2005 13:46)
Vahao ny machine de afindrao le jumper eo akaikin'ny Pile cmos eo amin'ny carte mere iny. Mandrindra ny 25 seconde eo defa ampy de averina amin'ny teo aloha indray. Tsara kokoa mijery ny boky mikasika ilay carte mere dia ao amin'ny rubrique clear-cmos.
Avy eo velomy indray ny machine de tonga dia par défaut indray ny configuration.
Mirary soa
5. Veloo ( 13/12/2005 15:58)
hery ko ty kitikitika ko :-D:-D:-D:-D vazy2 ny ahy an:wink:
6. hery ( 13/12/2005 16:35)
Ok andramako fa misaotra betsaka daholo. Miverina eo ihany aho raha tsy mipoaka :-)
7. njara ( 14/12/2005 04:27)
Efa tratran'io koa aho, ary mbola tsy afaka h@ zao.
Nesorina ny pile, nofafana ny cmos.
Vokany :
Misy fiovana ny cmos :
tsindrio ny F1 raha hanova
tsindrio ny F2 raha hanohy
tsy nety noho izany satria tsisy F1 sy F2 ho tsindriana
Raha voavaha ny olonan'ny hery dia mba omeo soupapa any e
8. njara ( 14/12/2005 04:33)
Efa tratran'io koa aho, ary mbola tsy afaka h@ zao.
Nesorina ny pile, nofafana ny cmos.
Vokany :
Misy fiovana ny cmos :
tsindrio ny F1 raha hanova
tsindrio ny F2 raha hanohy
tsy nety noho izany satria tsisy F1 sy F2 ho tsindriana
Raha voavaha ny olonan'ny hery dia mba omeo soupapa any e
9. eprom ( 14/12/2005 08:54)
Raha misy clavier USB any de andramo fa tokony hety. Izany hoe tsy tafiditra Bios aloha eh. Fa mandeha @ windows.
10. lapino ( 14/12/2005 09:24)
Raha tafiditra windows dia mety hisy utilitaire afaka hanaovana config bios, ohatra ny tweak bios, winbios, ...
11. hery ( 14/12/2005 10:39)
Rehefa nesoriko ny pile dia afaka nampiasa clavier aho dia niverenako tampoka tao amin'ny bios dia nataoko hoe "Load default values" dia vita ny amin'iny aloha.
Ny tena olana dia apetrako ho sujet hafa amin'izay.
12. sadakely ( 03/01/2006 07:50)
Izao angamba aloha no mety; Sokafy ny UC-nao de jereo eo akikin'ny Pile raha misy jumper na misy hoe Clear Cmos. Raha misy an'ireo de jereo hoe inona ilay jumper tokony havadika. Fa raha tsy misy de tonga dia alao ny Pile avelao hiala mandritra ny fotoana maro; aza adino ny manala ny Péripherique rehetra na écran na souris na clavier na alim aza.
Mino aho fa hamaha ny olanao ireo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7572