CHAMPION NY BAREA

1. Lepetitbeau ( 12/12/2005 05:11)
Aminareo inona izao no tokony ho valisoa mendrika ho an'ireto zandry kely izay azo lazaina fa nitondra avo ny voninahitr'i Madagasikara satria sambany teo amin'ny tantaran'ny baolina kitra malagasy vao nisy solontenatsika malagasy nahazo ny anaram-boninahitra?
novalian'i Achia ny 22/02/2006 16:44
2. Levy ( 12/12/2005 05:45)
Fandresena efa valisoa bedebetsaka sy glady.De fisaorana mitafotafo @ izay nahatontosa...Ny firariana dia ny mba hitohizan'ny fahombiazana...Tsa hipody koua..=D
3. ramorafr ( 12/12/2005 17:42)
Raha ny hevitro aloha dia omena valisoa ry zalahy mba hampirisika azy sy hampazoto azy hanohy ohatra hoe ilay valopy tsirairay e ny andro koa moa fety rahateo ka tena iny zao no tsy ampy aminy zalahy ireo;dia asaina mifanandrina ny mpanohitra sy ny eo aminy fitondrana hoe izay manome vola be aminy ry zalahy ireo sa ahoana hoy nareo voninahitra iraisana ihany io.
4. kilalaki ( 13/12/2005 02:30)
tokony mba tena taitra amin'izao vokatra izao kosa ny mpiandraikitra (ministera,indrindraindra),fa tsy mody taitra toy ny taloha reny ,
ny tiana ambara eto de hoe;mila tohanana ireo ankizy ireo,ary zava-dehibe tokoa ny tanjona tratran-dry zalahy,tsy hoe koa miandrandra valisoa koa vao afaka manao zavatra tsara fa raha tiana le sport de misosa io fa mila de mila ny fanohanan'ny tompon'andraikitra isantsokajiny amin'ny tokony ho izy,tsy anavahako sport zany rehetra zany fa dia ny rehetra no mila tohanana mba hisian'ny vokatra tsara,manantena ny mpitantana vaovao hiroso ny @n'ny vokatra tsaratsara kokoa,
=D=D
5. bener ( 13/12/2005 05:09)
Raha ny hevitro indray momba ny Barea ,fombanjavatra io é, isika mantsy mihevitena fa efa enjana be raha vao nahazo fandresena kely ka tsy taitra ny hanova fomba filalao maro ka raha vao resy eo indray dia ny anaran'ny ekipa-pirenena sy ny akanjo nanaovany no lazaina fa tsy mety sy tsy manambina ,Iza aty Africa no tsy mahalala fa mahay baolina ny Malagasy , fa io ny mpimasy tsy masina antaniny ,ny tiako ho tenenina dia raha mbola gasy no ho mpanazatra eo tsy holasa mihintsy isika é;satria tsy misy fifanajana mihintsy eo amintsika samy isika , Raha tsy hiteny afa tsy ny fahafatesan'i Ntso aho iza tao amin'ny federasion no mba ny fitsaboana azy ho any andafy kanefa fantatra izao fa olona ilaina io ,aok'izay fa leo aho
6. DotMG ( 13/12/2005 05:30)
Ravatorano mitantara vaovao diso :evil: (http://serasera.org/forum/index.php?rub=message&msgid=m43940a354d9e8)
Angola 1-0 Madagasikara fa tsy 1-1
Seychelles 0-7 Madagasikara fa tsy 0-2
============================
Hatramin' izay dia alohan' ny fandehanana any am-pita no manao hetsika ara-java-kanto hanangonam-bola hoenti-manana. Izao kosa mba manome soso-kevitra izahay hoe tokony hasiana spektakla eran' ny fari-tany hanangonam-bola (rakitra, fitia tsy mba hetra) hatao any am-paosin' ireo Barea zandriny ireo. Ny tenako aloha vonona ny hanome raha misy ny fikarakarana e!
7. Lepetitbeau ( 13/12/2005 09:46)
Tsara ny hezaka nataon'ny Féderation dia tokony ho tohizana ary atao izay hitazonana an'io vokatra tsara io fa tsy rehefa voa indray vao mody mikofoka etsy sy eroa zara aza efa nahazo an'io titre io mba hizoran'ny hafa e!
8. ravatorano ( 13/12/2005 12:11)
DotMG
9. jentilisa ( 13/12/2005 15:16)
eh! mbola vao ny tapany atsimon'ny afrika anie iny fa tsy afrika na inona akory e! sady iny lalao iny dia fizarambola ho an'ny mandresy sy ny resy hatrany! tsy fantatratreo angaha!
10. zama91 ( 23/12/2005 18:05)
Mba tokony homena valisoa sy fankaherezana,satria ireo no ho lasa scorpion atsy ho atsy ary amin'izay angamba mba mety hieritreritra an'izany can2010 sy coupe du monde 2010 izany .Enganie
11. Achia ( 22/02/2006 16:44)
Ra ny hevitro indray de aleo ry zala hamidy satria sika tsy manana zavatra hampanatenanandreo sady tombotsoa ho azy no ho any tanindrazany koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1347