Ady tany

1. scorpion ( 09/12/2005 13:21)
Manana tany any Itasy ny RR-ko.Olona roa samihafa no nividianana azy,lasa nidadasika be ilay tany ka hoy indray ilay tompony iray: Avereno ny taniko dia averiko ny volanareo. Tsy nety ny RR-ko.Tezitra izy ka nosakakany nasiany fefy ny lalana makany amin'ilay tany ka tsy misy lalana ho an'ny fiara intsony, satria nandalo teo aminy io lalana io. Inona no mety azo atao?ahona hoy ny lalàna? Eny amin'ny tribonaly sur fa taona maro no ho lany vao hahazo didim-pitsarana izay tsy mbola hay na hahazo rariny na tsia.Sao misy namana afaka mba manampy?
Misaotra.
novalian'i fijo ny 02/02/2006 20:50
2. Herimiafina ( 09/12/2005 15:19)
Taminareo nividy le tany ve de nanana titre de propriété le tompony? (Na cadastre indigène ohatra?).

Raha nanana izy ka vita ny varotra, nisy actes de vente, mutation ary famindrana titre ve?

Hoy ny lalàna: "tsy azo amidy ny zavatra iray tsy hananana titre de propriété".

Mety namboly teo efa ela ilay olona fa izany tsy midika hoe afaka mamarotra izy, satria an'ny fanjakana ny tany tsy misy titre.
3. scorpion ( 09/12/2005 15:42)
Ny taratasy ara-dalana daholo, tsy any ny olana. Fa ny lalana makeny aminay nosakanana sy voafefy.
4. Herimiafina ( 09/12/2005 16:05)
Bon resaka SERVITUDE DE PASSAGE izany, raha anaty tanàna no misy ny tany iray dia tokony hi-ceder accès foana ireo trano manoloana, ary voarara ny mamefy làlana. Izany hoe tsy mety ny ataony fa vakio ny Droit Foncier momba ny Servitude de passage.

Raha manana ilay CD 1000Textes ianao dia milamina io, de hangalao fokontany de anto any amin'ny Mairie na Commune fa izay no solution haingana injinja sy tokony ho izy.

Rehefa tsy milamina eo vao miakatra tribonaly foncier.
5. scorpion ( 09/12/2005 16:22)
Ok misaotra. Toa manana io CD io za ka. Mankasitraka amin'ny toro-hevitra e.
6. lapino ( 09/12/2005 16:26)
Inona kay ilay CD 1000Textes, dia ahoana no ahazoana azy, azafady e?
7. Herimiafina ( 09/12/2005 16:32)
Le Cd 1000textes dia CD misy ny textes juridiques sy lalàna rehetra ao Dago hatramin'ny code des 305 articles tamin'ny andron'ny mpanjaka.

Jereo ao amin'ny CITE Ambatonakanga na Ministère de la Justice, zah kalongany tany Dago nanao copie e.
8. lapino ( 09/12/2005 16:47)
Ok, misaotra an'i Herimiafina.

Milay kosa raha mba misy an'izany ko, hikôzy amin'ny olona any amin'ny tanàna indray zany :)

9. Herimiafina ( 09/12/2005 16:54)
Format Pdf daholo le texte rehetra ao anatiny de misy hatramin'ny Droit administratif sy droit des affaires klé, fananganana société, sns, favy kah, izay no mba référence-ko tany.
10. Ralay ( 09/12/2005 17:14)
Marina ireo voalaza ireo fa ny droit de passage dia tsy maintsy misy foana na dia any anaty tanana any aza ny taninao ary na misy tompony daholo aza ny tany manodidina ny taninao.Jereo ny article milaza an'io dia ento ny fokotany hilaza @ilay olona namefy ny lalana.Zonao izany fa refa mbola tsy mety izy dia tribonaly no handidy azy fa tsy maintsy mandresy ianao.
Korazy e.
11. fijo ( 09/12/2005 19:34)
marina fa resaka "servitude de passage" no resahana eto.ka izao ny momba izay.raha toa ny taninao ka anaty tanana,dia manana zo hangataka lalana amin'ny manodidina ianao,ka izay lalana mora indrindra no azonao.fa raha toa kosa ka misy lalana hafa ahafahana miditra ilay tanana,na dia mihodidina aza izany lalana izany.dia tsy mahazo io lalana io ianao.
raha tsy misy hidirana any hafa tsy eo dia,tsy mannaa zo hamefy ny taniny izy.
ka io nolazain'i hery io ambony io arahana.na juge de referer,fa io haingana
12. xxx ( 10/12/2005 05:37)
Izao no anontaniako aloha : vita daholo ve ny taratasy ara-panjakana mikasika ilay tany ? raha afaka ianao dia mpihaonako amin'ny tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministera miahy ny fananantany. Mankanesa ary ao Anosy, Ministeran'ny fambolena, miakara any amin'ny rihana faha-6 ary midira ao amin'ny varavarana faha-620, dia lazao hoe mitady ny Tale. Hanampy anao io olona io. Mahita ny rariny indray.
13. scorpion ( 11/12/2005 15:00)
Misaotra ny rehetra namaly fa dia misy hodinihina tsara.mankasitraka.
xxx> izaho aty eraopa fa ny RR-ko no any an-tanana, ary afaka mankany amin'ilay lazainao io.Sao dia afaka mandefa hafatra ho ahy ianao? sa tonga dia omenao signal Tale io? Sa tonga de resahina aminy ny olana tsy misy presentation hoe ilay tany amin'ny serasera?..Misaotra.
14. Herimiafina ( 11/12/2005 15:17)
Tonga de asaivo mankao izy fa cool be le olona ao kah, zah efa tao.Tsy haiko na biraon'ny conservateur io na tonga de ny DG klé? hehehehe:-D:-D
15. fijo ( 13/12/2005 20:27)
raha ny fahazahoako azy dia efa vita aby ny taratasy,fa io mila didimpitsarana raha zavatra toa izany
16. scorpion ( 14/12/2005 12:44)
ie efa vita aby ny taratasy ka.Amin'ny herinandro ho avy iny no hakany amin'io birao lazain'ny xxx eo ambony io ka asa na hanao ahona.Dia izay vao harahina indray ny toro-marika resaka fokontany sy commune io, dia ho hita eo izany izay vokatr'izay rehetra izay.Raha ohatra moa zany tsy ahitam-bokany dia tsy maintsy hoe tribonaly:(
17. fijo ( 15/12/2005 20:46)
ka raha hoany amin'ny tribunaly dia tribunal de referer io hidirana fa io vetivety dia mahazo didy.
18. zandrikely ( 28/01/2006 19:04)
tribonaly aiz a no aleha , tana sa miarinarivo , aiza ho aiza ao itasy zany tany zany
19. cheboman ( 02/02/2006 04:51)
hoy scorpion "tsy misy lalana ho an'ny fiara intsony"

lay servitude de passage ananana zo ve tsy ho an'ny mpandeha tongotra iany, toa misy refiny ny habean'ilay izy ary tsy voatery ho an'ny fiara
20. fijo ( 02/02/2006 20:50)
tsy voatery hoe mpandeha antongotra ka.hafaka atao lalana hoan'ny fiara.
ny tribunaly hanantonana dia izay tribonaly misy ilay toerana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2036