Fa nankaiza ?

1. Fiffi ( 09/12/2005 07:51)
Tsy aiko ry namana na izaho no diso na tsy aiko fa gaga aho satria t@ izaho niditra ho mpikambana ho namana eto dia nahita hoe " mihisa 10123 ny namana" na mety ho mihoatra na mihena fa itako io nahatratra 10 000 aloha e! de gaga be aho mijery fa toa lasa
" mihisa 6032 " sisa no hitako misoratra ?:o:o:o
novalian'i Fiffi ny 11/12/2005 13:45
2. hery ( 09/12/2005 09:40)

Azo jerena ao amin'ny blaogin'ny serasera ny zavatra mandalo eto :-)

http://serablog.blogspot.com/2005/11/fanadiovana.html
3. Fiffi ( 09/12/2005 10:45)
hery: misaotra anao , ary hono hoa : ireo hafatra nafindra any @ cron en archive iero ve afaka ho jerena ? satria mba nisy hevitra nanintona ny saina hiany ka rehefa mba misy zavatra hatao dia mba any no mijery , ohatra indrinda ny sakafo (recette) izany , na hevitra hafa koa e!
4. dadabe ( 09/12/2005 13:04)
kay efa voavalin'i sefo:(
5. hery ( 09/12/2005 13:11)
Fiffi> ie, mieritreritra an'izay mihitsy aho. Angamba version statique no hametrahana azy.
Ny forum no tara indrindra amin'ny fanavaozana eto amin'ny serasera :-( tsy mety vitako mihitsy kanefa mbola be dia be ny zavatra tokony hahitsy sy hatsaraina ato.
6. Fiffi ( 09/12/2005 15:39)
hery: misaotra indrindra o!Dia ataovy miadana e! sady efa tonga koa izao ny fiheritreretana ny momba ny fety rehetra dia mampitombo ny adin-tsaina kely ko
Dia manao ny fisaorana eram-po , eran-tsaina ny mpiandraikitra @ fanatsarana sy fanavaozana ity sehatra hiarahantsika midinika eto ity.:D
7. Herimiafina ( 09/12/2005 16:58)
Rehefa tsy miditra eto ao anatin'ny efabolana dia toa voafafa ho azy o?
8. Fiffi ( 09/12/2005 19:14)
Herimiafina: tsy aiko na voavafy ho azy io na ny mpiandraikitra no mamafa azy. Toa ny mpiandraikitra no mamafy azy ka! satria novakiko tao @ io lien io dia mba tsy lasa mavesatra ny site nefa asa aloha raha io fa momba an'io koa . Ary rahoatra ary izany ka hoe mba hadinon'ilay olona ny fandalovana eto dia ho gaga be eo izany hoe fa naninona no tsy tafiditra intsony aho ?:D
9. Herimiafina ( 09/12/2005 19:25)
De mamerina inscription njay kah, ngah iny very, ny ps fotsiny no mety misy managalatra angamba, hehehe
10. hery ( 09/12/2005 21:36)
Fiffi:

Herimiafina: tsy aiko na voavafy ho azy io na ny mpiandraikitra no mamafa azy. Toa ny mpiandraikitra no mamafy azy ka!


Ny namana tsy mampiasa ny solonanarana sy ny tenimiafina serasera ao anatin'ny 4-bolana dia voafafa ho azy. Efa nisy an'izay ihany taloha fa nisy an'ilay korotandrotana kely iny dia voatery nesorina sao dia nisy hadisoana.

Voafafa daholo ny hafatra lasa, ny hafatra voaray (voavaky sy tsy voavaky) ny sary, ny mombamomba rehetra e :-)

Fa mazava ho azy azo atao ny misoratra anarana indray.


11. Herimiafina ( 09/12/2005 21:41)
Ny sary koa ve voafafa? Tsy izany fa indraindray zah refa mijery sary dia misy soratra hoe: tsy mpikambana ato intsony io olona io.
12. dadabe ( 10/12/2005 04:14)
ary hitako rehefa misy sary (joba)eo @ pejy voalohany eo @ takelaka dia rehefa jerena ny momba2 azy dia hoe " tsy mpikambana ato io olona io " :cry:
13. Herimiafina ( 10/12/2005 04:40)
Hehehehe, voa koa kay elah ry oledada an? Ary joba favy be daholo le izy en plus klé. hehehehe:-D:-D:-D:-D:-D
14. hery ( 10/12/2005 11:56)
Ie, izaho koa mahita an'ireny... akanga sisa nanamborana talohan'ny namafana ny tsy mpitsidika ireny.
Soa ihany fa misy anareo mahita azy :-)
15. tissa ( 10/12/2005 12:19)
Fiffi:

Tsy aiko ry namana na izaho no diso na tsy aiko fa gaga aho satria t@ izaho niditra ho mpikambana ho namana eto dia nahita hoe " mihisa 10123 ny namana" na mety ho mihoatra na mihena fa itako io nahatratra 10 000 aloha e! de gaga be aho mijery fa toa lasa
" mihisa 6032 " sisa no hitako misoratra ?:o:o:o



zay kosa ve mba anarany no miditra ato fa tsy mbola manana namana hatr@ zao
16. lapino ( 10/12/2005 12:54)
Aiza kosa ry tissa dia namana miisa an'arivony maro karazany mifangaro, de tsy mba hisy iray ho naman-jy am'zay?
Raiso ny tanako (virtoaly) raha tian-jy ho namako, de ireo hafa koa ange be no tsara fo.
De aza mihafahafa miresaka mitafa, na serieux na manal'azy, na tena izy na vazivazy. Fa samy ho falifaly ny namana virtoaly, namana mifanampy. Tsiky hono dia ampy :)
17. Fiffi ( 10/12/2005 16:02)
tissa: aza mihafahafa arakin'ny filazan'i lapino , ireo raiso koa ny tanako miaraka @ i lapino e! zaho aloha tsy mandà tanana sy ny ho namana e! izay koa no nahatonga ahy niditra ho namana mpikambana eto.:-*
18. Herimiafina ( 10/12/2005 16:56)
Fiffi: tsy ankihetsika njy. :-*:-*:-* :*
19. Fiffi ( 11/12/2005 06:24)
Herimiafina: njiko ko tsy ankihetsika miaraka amiko fa aza lozana miafina foana ao ! io mba raiso ny tanan'i tissa miaraka amiko sy lapino de zay voa tsy ankihetsika:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
20. dadabe ( 11/12/2005 10:03)
anjekaky oo herimiafina sy fiffi manao tsy anketsika
anjenestonao ee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7862