Tompon'andraikitra

1. LazaRandri ( 06/12/2005 22:54)
Misy andraikitry ny Kristianina ihany koa ny mahatonga ny olona sasany tsy mamonjy ny fiaraha-mivavaka.

novalian'i fijo ny 23/12/2005 04:53
2. Veloo ( 07/12/2005 00:24)
Marina tokoa moa izany ry LazaRandri. fa izao ny andehanana hamonjy fiaraha-mivavaka anie hivavaka miaraka @ andriamanitra eeeee....Ny ahy aloha dia andriamanitra no handehanako any @ fiaraha-mivavaka fa tsy ny ol eee... Satana tsy kely lalana ka izany no tokony ho mailo tsara isika... tsy tiany mihitsy indrindra fa oe hideran'andriamanitra.. Tadidio tsara fa natoa nisy ady tany an-danitra dia i Satana te hitovy @ andriamanitra ary io tsy ho avelan'i satana hataon'ny olombelona mihitsy dia mamparitaka lafoara any @ famonjena fiaraha-mivavaka izy... Mila conscient mihitsy tsika ka, ary mangataka fanetre-tena ny tisrairay avy:wink: sa ahona?
3. cutie ( 07/12/2005 03:21)
veloo, marina zany. :)
4. pika ( 07/12/2005 06:20)
marina ny voalazan'i veloo
tsy hoe olomasina doly ny ao ampiangonana
ary tsy i mopera na pasirera no hivavahana fa Atra koa tsy excuse izany

na izany aza dia tokony hihezaka ho filamatra ihany ny mpamonjy fitoampivavahana
5. bichette ( 07/12/2005 07:29)
hanohizana ny voalazan'i pika, tokony tsy hijery olona isika na miankina amin'ny olona (raha misy olona tsy azoazo ohatra na misy olona mankahala antsika ao ampiangonana) no andehanantsika hivavaka kanefa indraindray kosa sarotra ny mametraka tsara ilay hoe Andriamanitra no andehanana any ampiangonana fa tsy i ranona na i ranona fa raha ny tena izy tsy tokony miankina amin'ny olona sasany na ny kristianina sasany izany mety nanao zavatra mampalahelo na mankahala antsika na manenjika antsika na manafitohina antsika fa isika samy olombelona daholo koa anie e:-*
6. stephan ( 07/12/2005 16:20)
tena marina ilay hoe misy andraikitry ny kristiana ilay hoe mahatonga ny olona tsy hivavaka! ohatra: baiko ny an'ny FPVM fa tsy mankany ampiangonana fa any an-trano ihany... mazava loatra andraikitr'ireo nibaiko tsy hankany ampiangonana izany!
7. kamr ( 08/12/2005 00:34)
stephan:

tena marina ilay hoe misy andraikitry ny kristiana ilay hoe mahatonga ny olona tsy hivavaka! ohatra: baiko ny an'ny FPVM fa tsy mankany ampiangonana fa any an-trano ihany... mazava loatra andraikitr'ireo nibaiko tsy hankany ampiangonana izany!



Tsy hitako izay hifandraisan'izany sy ny lohahevitra. Raha ny fahazoako ny tiana holazaina eto dia hoe misy toetra sy fomba fihetsiky ny olona sasany manao azy ho mpivavaka nefa mahatafintohina ny hafa ka mahatonga azy tsy te hamonjy ilay fiaraha-mivavaka intsony.Raha diso ny eritreritro dia ahitsio
8. LazaRandri ( 08/12/2005 02:25)
veloo:
Mila conscient mihitsy tsika ka, ary mangataka fanetre-tena ny tisrairay avy sa ahona?
izay mihitsy k!
cutie:
veloo, marina zany.
f'ita wa
pika:
tokony hihezaka ho filamatra ihany ny mpamonjy fitoampivavahana

kamr:
Raha ny fahazoako ny tiana holazaina eto dia hoe misy toetra sy fomba fihetsiky ny olona sasany manao azy ho mpivavaka nefa mahatafintohina ny hafa ka mahatonga azy tsy te hamonjy ilay fiaraha-mivavaka intsony.
azonao tsara mihitsy!
9. LazaRandri ( 08/12/2005 02:27)
inona no mety atao vahaolana isorohana an'io tranga io?
10. cutie ( 09/12/2005 21:22)
LazaRandri [ Valio ] 08-12-2005 06:27:43
Lohateny : Re : Tompon'andraikitra
inona no mety atao vahaolana isorohana an'io tranga io?

torio teny
11. ravakamalala ( 09/12/2005 21:54)
Vahaolana : mijoroa ho vavolombelona mendrika dia ho voasarika izy, ianao aloha no manao izay mety voalohany. kristiana resy lahatra, kristiana mandresy lahatra.
12. lapino ( 09/12/2005 22:01)
Misy an'izay koa hoe regler-na aloha ny problemanao amin'ny rahalahinao, izay vao mandeha miresaka amin'Andriamanitra.

Dia izay mbola manana problema tsy reglé zany (ady, trosa, fahasorenana @ "miseho milay", sns ...) tsy tokony handeha hiara-mivavaka aloha mandra-paha ...
13. jentilisa ( 10/12/2005 15:07)
na iza na iza na inona na inona tsy maintsy misy hatrany ny fihetsika heverinao ho tsotra sy mety nefa mety hanafintohina ny hafa. Noho izany, karazana mila voatsiary amiko raha hoe hitady fihetsika tsy hanafintohina olona!
14. ravakamalala ( 10/12/2005 15:45)
oooopppppsss
15. Herimiafina ( 10/12/2005 16:31)
Mifankatiava ry reto an, mandefera, tiavo daholo fa aza asiana fanavakavahana, 80taona ihany raha betsaka no fetrany hahitanao iny olona iny, :-*:-*:-*:*
16. ravakamalala ( 12/12/2005 09:43)
ka mbola misy te hi regler probleme ono kou!!!!!
17. fijo ( 23/12/2005 04:53)
herimiafina ,raha olona tsy tiana no mahatratra 80 taona,be izany fijaliana izany kle
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2288