Nizeriana no namorona ny enerzy masoandro!

1. jentilisa ( 03/12/2005 15:05)
Mba fantatsika ve fa Nizeriana izany hoe afrikana no namorona ny herinaratra avy amin'ny masoandro soalohany saingy rehefa tsy noraharahian'ny olona avy aminy izy dia namidiny tamin'ny hafa ny voka-pikarohany. Dia tsy nahazo tombotsoa loatra tamin'ny intsony izany afrikana izany. Izany no vokatry ny tsy firaharahiana ny zava-bita aty amin'ny ila-bolan-tany atsimo...lasan'ny vazaha sy ny kelimaso avokoa ny fananana rehetra. Maninona raha mifanampy e!
novalian'i fijo ny 28/12/2005 18:43
2. pissoa ( 03/12/2005 16:06)
Mifandray - sa mitovy - beeu @ le resaka Zaranaina izy izany!
3. Herimiafina ( 03/12/2005 19:55)
Maro dia maro mihintsy ny zavatra hitan'ny afrikana kah, fa ny vola no tsisy, ny budget efa lanin'ny antenimiera dia tsy afaka ovana intsony hoe omena tampoka ilay mpikaroka nahita anlé zavatra.
De zaran'ny fanjakana aty afrika aza mba misy firenena hafa manome vola, any mantsy no misy ny vola, tsy le reherehan'ilay olona nahita loatra jerena fa le mety ho vokantsoan'ilay zavatra hitany.

Esty andanin'izay koa, ny manampahaizana nahita an'izao sy izao any amin'ny firenena mandroso dia vahiny avokoa, raha tsy karana dia mainty dia jiosy.
4. jentilisa ( 05/12/2005 09:11)
ny tena olana dia ilay hoe omeo 10% na 25% ianao dia ampiako amin'ny famoahana azy ity e; sa ahoana?
5. Herimiafina ( 10/12/2005 00:07)
Izay mahintsiny satria maro ny manana ny côcô nefa tsy manana ny dôlara, nefa vitsy ny manana ny dolara fa tsy manana ny côcô, de nifanena ireo de tafahoana ny tia sy ny manina dia izay no hiafarany klé.

Mampalahelo aloha e, saingy refa tafavoaka azo hohanina sy azo vidiana hanampy ny fiaraha-monina dia tsy maninona, avy eo indray jerena izay lafiny propriété intellectuel izay klé.
6. fijo ( 28/12/2005 18:43)
efa mba miova isika izao ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1983