vokatry ny adimpiainana ve sa efa tena misy devoly

1. pika ( 29/11/2005 06:57)
mirongatra izao ny asanjiolahy eto dango ary tsy vitan'ny mandroba fa dia mamono olona @ fomba feno habibina tanteraka( tapahina ny loha,avoaka ny tsinay,borina ny tanana, .....)
ny tontakely sy ny mpanedaka ary ny mpanao alabotry moa tsy ferana
ny mpivady mifamono mifandratra koa etsy andaniny
ny tsy laitra tohinina mora misafaoka @ zavatra tsy misy dikany koa bobaka be
sarotra ary manahirana ny miaina
novalian'i Falzar ny 21/04/2006 13:13
2. dadabe ( 29/11/2005 07:24)
dago fa tsy dango:D,
atao akory fa efa hifarana anie ny tantaran'ny zanak'olombelona e:(
3. bichette ( 29/11/2005 07:49)
faharantsian'ny ao ampo
4. pika ( 29/11/2005 08:03)
teny diso tsy mba kabary e
toy izany tokoa nga moa ny fiafarany tantaran'ny zanak'olombelona ry dadabe:?: dia aza mitantara angano a:-D
fa fahita @tany mandroso sa fahita @tany mahantra:roll:zao fiainana eto izao
5. Samoana ( 29/11/2005 08:16)
Adin'ny devoly te hampiseho ny fiainany izany ry pika a!
dadabe/ ny tantaran'ny zanak'olombelona vao miandoha fa tsy hifarana sahady izany
bichette/ Ndao cloner-na ny fo-njy de ho tsara lalandava ny fiainan'olombelona e !:-*
6. pissoa ( 29/11/2005 08:59)
eny marina aky ry pika. zah kou zao teo namaky gazety de nahita fa vehivavy njay kou ony no deban'ny kidnapping :-w
7. tracy ( 29/11/2005 17:19)
fahita amin'ny tany rehetra aky io ry pika a! fa saingy any dago efa saika lasa olondratsy daholo nohon'ny hamafin'ny fiainana e! be loatra ny tsy an'asa sy ny mpirenireny de manaka-tsaina ny handroba hangalatra higafy sns...ny mpiady mivady kou de vokatry ny halmafin'ny fiainana iany, rehefa tsisy ny vola de lasa ady satria samy sorena, ka atao ahoana fa mampalahelo e! aza tratran'ny ry tsivalahara ihany alou...
8. Veloo ( 29/11/2005 17:20)
aleo aloha za mba hiteny kely eeeee
Ny antony - ny fahantrana, dia manararotra an'izany ilay Satana dia zany no mahatonga ny famonona etc....
Ary marina ny lazain'i Dadabe dans un sens, satria efa hifarana tsy ho ela intsony ny andro, efa ho tonga tsy ho ela i Jesosy, jereo doly ireo mitranga ankehitriny artina, ady etc... fahamantarana daoloy ireny. Ka ny fiainan'ny zanak'olombelona dia hifarana tokoa fa juste mizara roa:
1 -Dia ireo izay mino an'i Jesosy ho mpamonjiny sy manaraka ny didiny ary manaiky azy.
2- Dia ireo izay manaraka an'i satana ary mbola manao ny ratsy.
Ary tsy misy ny eo anelanelany...:wink:
9. pissoa ( 29/11/2005 18:15)
fa ilay hoe "mamono amin'ny fomba feno habibiana" kosa aloha mety tsy fotsiny intsony fa tena miampy haromontana mihitsy angamba e!
10. Samoana ( 29/11/2005 18:35)
Veloo/ Tsy fahamantarana ireo amiko satria efa nisy hatry ny ela ny ady sy aretina mampihori-koditra.
Ny momba Azy indray dia efa tonga Izy dia lasa ary ny fiverenaNY no andrasana. Tsy tokony handrasana amin-tahotra anefa izany fa amin-kafaliana. Ary tsy @ izay no hiafaran'ny fiainan'olombelona fa eo aza vao miantomboka:)
Ilay Andriamanitra inoako, hoy Bessa izay ary miombon-kevitra aminy 100°/° ny tenako dia ilay Andriamanitra Fitiavana... ( jereo ny toniny ao @ RVG )fa tsy ilay mpanasazy !
Farany, mandra-pahatonga ny fiverenan'Ilay Andrasana anefa dia tokony enjehina sy hosaziantsika olombelona mafy aloha ireo jiolahy mpanao habibiana na ampian'i satana sy ry belzebota aza izy ireo!!
11. Veloo ( 29/11/2005 19:28)
samoana a marina ny anao efa nisy ireo taloha fa mba jereo kely fotsiny, tsy mba fantatrao fa manomboka betsaka ve izy ireo eeeeeee...
ny hiafaran'ny olombelona eto an-tany any iio lazainy dadabe io ary marina ny azy... isika anie tsy ho otran'izao intsony e hiova dikan'izany nisy farany ilay fiainana eto an-tany:P
12. fijo ( 29/11/2005 22:54)
ady ny fiainana e,izy daholo izany
13. Herimiafina ( 30/11/2005 05:51)
pika:

mirongatra izao ny asanjiolahy eto dango ary tsy vitan'ny mandroba fa dia mamono olona @ fomba feno habibina tanteraka( tapahina ny loha,avoaka ny tsinay,borina ny tanana, .....)
ny tontakely sy ny mpanedaka ary ny mpanao alabotry moa tsy ferana
ny mpivady mifamono mifandratra koa etsy andaniny
ny tsy laitra tohinina mora misafaoka @ zavatra tsy misy dikany koa bobaka be
sarotra ary manahirana ny miaina



Mihatra amin'ny malagasy izany ny vinavinan'ny Rev.Thomas Robert Malthus, miresaka momba ny faharatsiana (vice et misère) izay manenika ny tanandehibe rehefa be loatra ny mponina mivangongo amin'ireny toerana ireny ka tsy ampy hozaraina amin'ny rehetra ny sakafo sy ny asa.
Mbola anisan'ny loza nolazainy ihany koa ny aretina sy ny fikorontanan'ny tokantrano ary ny fahafatesan'ny ankizy sy ny fihenan'ny isan'ny olona antitra.
Ny any ambanivohitra hoy izy dia hiakatra andrenivohitra avokoa, ary ny asa tany dia hiendanja ka tsy hahavelona intsony noho ny vaovao haely ny amin'ny maha-toerampiavotana ny andrenivohitra.:(:(:(:(

Ny antony dia ny cadre politika ekonomika. Mila amboarina.
14. pika ( 30/11/2005 06:17)
marina izany
tsy tamana any ambanivohitra ny tanora satria mbola tsy misy fialamboly,tsy tongan'ny jiro ny ankamaroany,tsy ampy ny fitaovana,de tsy mahavita tena ara-tsakafo, ..... dia aleony mitady asa aty andrenivohitra

an'iza ny andraikitra?
15. Herimiafina ( 01/12/2005 01:50)
Resaka politika iraisampirenena mihintsy no fototry ny loza ary miampy ny tsy fahaizan'ny mpitondra teo aloha izany. Ny tsy fahaizana manao politika selektiva, misafidy izay mahasoa ny tanindrazana fa tsy izay mahasoa ny avy any ivelany.
Fanahy iniana ny hisian'ny tany mahantra sy ny mahantra mba hahafahana manjakazaka eo amin'ny lafiny ara-politika, dépendance, sy hametraka ny économie de marché. hehehehe:-D:-D:-D:-D
16. Herimiafina ( 01/12/2005 05:57)
Ary ny tsy fahametezan'izany amin'ny kiltiora malagasy dia tsy mifanaraka ny ara-tsosialy sy ny ara-ekonomika. Economiquement parlant d etsy mi-exista intsony izany atao hoe malagasy izany fa efa lasa amerikanisé sy europeanisé daholo isika.

hany ka mirongatra izay tsy izy ny olana aratsosialy noho ny demokrasia ratsy fandikana sy ny fanalalahana maro diso toerana.:(:(:(:(
17. Veloo ( 01/12/2005 18:22)
ra hery a gasy rano ray lesy a :^):^)
18. Ragadona ( 01/12/2005 20:40)
Mba misy natiorany tsy voakitin ny tontolo manodidina kosa ao rahery a
19. Herimiafina ( 01/12/2005 21:31)
Veloo sy Ragadona: misy dia misy tokoa ny tsy voakitika, saingy firifiry moa izany, folo ao anatin'ny iray tapitrisa ve? Firifiry moa ny mahalala ny tena kiltiora malagasy? Mampanaelo.:cry:

Saingy ny tena olana de noho ny tsy fitovian'ny fomba fisainana sy ny fahabetsahan'ny antsoina hoe vision sy ny mampifanolana azy ireo dia mikorontana ny tany, velona ny ady, ary ampy isarihana ady na zavatra tsy misy dikany aza.

Tsy mitovy intsony ny fomba fijery fa voataritarika atsy sy aroa, ao ny mankafy ny kiltiora afrikana, ao ny mankafy ny kiltiora sinoa ao ny mankafy ny american way of life, kanefa tsy nanokana fotoana izy ireny hitrandraka ny an'ny malagasy, satria tsy ampy ny sensibilisation, ny famoahana noho ny tsy fananana.:cry::cry::cry::cry:

20. Herimiafina ( 01/12/2005 21:43)
Ary na ny maha-malagasy aza de resaka ambava fotsiny sisa. Ampy ve nefa izany? amin'izao fotoana izao aloha d emety ho ampy izany, ilaina aza mba otsan'izany daholo ny olona.

Fa ny tena olana dia izao, refa tsy mitovy tsony ny kiltiora, ny fomba fisainana, ny vinavina, dia nasiana ny fanalalahana diso toerana sy ny demokrasia, nomena anjara fitenenana avokoa ny ambaratonga sy ny karazana rehetra, ary farany de tsy hay itsony hoe inona no tena marina amin,ity tantara ity fa loko iray mitovy izao no naseho ka ao ny milaza fa manga iny, ao ny milaza fa maitso iny, ao koa no milaza fa mena iny, satria tsy mijery intsony afa-tsy izay tiany hojerena ny olona fa tsy izay tokony hojereny.

Mandeha tsara ny zava-drehetra refa irery ny olona iray, fa vatany vao asiana olona iray hafa eo akaikiny eo dia lasa miadana ny fandrosona, satria tsy mitovy intsony ny fijery, ary ny olana de tena mifanohitra mihintsy aza io fijery io fa tsy vitan'ny hoe tsy mitovy intsony.

Kanefa ny tena tsy irery fa mbola misy malagasy 17 tapitrisa any Dago any, mifanolana fomba fijery.

Marina fahotana mahafaty, noho ny fanalalahana diso toerana sy ny demokrasia tsy ara-drariny sy tsy voafetra dia lasa manontany tena daholo ny olona hoe inona kay no tena marina: ratsy ve ny mamono olona sa tsia fa tsy hainay itsony?

Very ny repere rehetra, jamba mifampitantana, inona izany môraly izany? aiza ny lalan aleha, tsy hay intsony fa be loatra knou, de bonjour violence amin'izay, hehehehehe:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0884