basket equipe nationale

1. raanja ( 27/11/2005 15:32)
Hiteraka olana lehibe amin'ny ho avin'ny basket malagasy ny nanesorana ireo mpilalaon'ny SOTRATA tsy ho ao anatin'ny ekipa nasionaly malagasy. Toa ho sarotra mantsy ny hino fa hahatratra ny "niveau"-n'ireo mpilalao ireo ireto ankizy vao miakatra ireto.
2. ramorafr ( 27/11/2005 20:18)
Mendrika tokoa ny sazy azon'ireo mpilalao izay niala andaharana nohony fanohanana namana fotsiny fa tsy ny ho tombotsoany firenena no hiarovana hanatra ho anizay rehetra mpanao fanatajahantena ireny ary misaotra azy ireo koa nanome ny toerany ho anizay vonona.
3. Lepetitbeau ( 28/11/2005 06:27)
Amiko manokana aloha dia fahavoazana lehibe ho an'ny ekipam-pirenena malagasy iny! ary raha izaho ary ny eo amin'ny toeran'ireo handeha ireo dia menatra za no tsy handeha satria ambinambin-javatra e! no sady ny haavo teknikan'ireo handeha ireo ambany lavitra raha oharina amin'iretsy ekipa voasazy e! dia mazava ho azy fa hitsangatsangana no aleha any e!
Momba an'ilay hoe fanohanana ny namana fotsiny dia tsy voninahim-pirenena ve no harovana e! ka ho hazavaiko tsara ny problème dia ho hitanareo hoe iza no diso!
Io ankizy vavy izay niadivan'ny namany mba handehanany io ange ka efa tao anaty ny ekipam-pirenena sady efa nanaraka foana ny fanazaran-tena e! kanefa moa tsy azo atao ambanin-javatra ny fianarana ka noho ny fianarana izay any an-dafy dia nangataka ny hiala izy! tsy nahazo VISA anefa izy dia voatery nijanona ary rehefa nijanona izy dia nangataka indray ny hiverina ao anatin'ny ekipam-pirenena izay nolavin'ny federasiona nalahelo anefa ny namany satria io ankizy vavy io ange no mpilalao vehivavy mahay sy mendrika indrindra eto amintsika amin'izao fotoana izao e! ka raha tena voninahim-pirenena tokoa ve no harovana tsy izay mahay no entina e! ary rariny ny an'ny namany raha niady ny handehanany izy ireo satria tsy hitsangatsangana ny aleha any fa hitady résultat e! ka raha amiko manokana aloha dia ajanona ny ambom-po fa ny voninahim-pirenena no harovana e!
Ary io ny fahavoazan'ny fitondrana ankehitriny izay dimbiasan'ny federasion ankehitriny tsy mba mihaino ny madinika mihitsy fa raha vao mitady na mangataka zavatra dia tonga dia sazy no mahazo e!
4. ramorafr ( 28/11/2005 09:48)
Aza manome vaovao vilana kosa ry lepetitbeau a de io ankizy io ve no lazainao fa tena mahay indrindra aminizao eto Madagascar?raha nijery ny super coupe tany Tamatave ianao dia hitanao tsara hoe iza no mahay sy mahery tsy hilaza anaran'olona eto aho fa ireo mpanazatra mahay azy tsara.Ary tsy hoe akory rehefa mandeha ry zareo nanala tena dia ho lasa lavitra i Mada aminio coupe d'Afrique io fa ilaina kosa ny fionampirenena fa aza hitarina ny resaka hoe tsy mihaino ny madinika ny fede fa raha enao io no mba mpanao fanatanjahatena dia ho tsapanao izany toetra tsy mendrika miala andaharana aminy ekipampirenena izany,izao zao ny avenir ry zareo tapitra teo satria tsy voahantso intsony aminy manaraka dia tsy misy fandrosoana fa dia ao aminy SOTRATA foana ve mandra...
5. Lepetitbeau ( 28/11/2005 14:11)
Tsy haiko na izaho no tsy maharaka na ianao fa iza ny mpilalao mendrika indrindra tamin'ny fifaninanam-pirenena izay notendren'ny federasion ary tamin'ity taona ity e! ary izaho miresaka aminao dia tena mpanao sport mihitsy ary matihanina amin'ny resaka fanatanjahantena e!
Fa izay no zava-misy izao e! tsy misy mihaino ny madinika amin'izao fotoana izao e!
6. raanja ( 28/11/2005 16:08)
Manaiky kosa aho fa tsy mety le miala amin\'ny ekipam-pirenena, nefa raha ny fahazoako azy dia hetsika fanairana ny federasiona ilay fidongiana. Tsy ho tonga saina mihitsy mantsy le federasiona raha tsy misy hetsika toy ireny. Tsy azo lavina mantsy fa nisy fahadisoana goavanan\'ny federasiona ihany (tao matoa nisy ireny.
7. ramorafr ( 29/11/2005 10:57)
Tsy misy federasiona tongalafatra eto Mada na dia iray aza.Fa toetsaina mihemotra no nataon'ireo mpilalao izay niala fa tsy handroso mitondra makaiza dia hanao anizany daholo izany ny fanatanjahatena rehetra hoe rehefa tsy lany ny namanay dia tsy handeha ko zahay(na boxe na karaté na foot)dia hitondra hankaiza fahafahambaraka fotsiny no azo raha namaky gazety express omaly anareo dia nahita ny zavatra nolazainy Mr Rambeloson Rémi président ny federasiona bsket taloha ny mombany Malala fotsiny dia mampalahelo raha zao no hiafarany Malala.
8. Lepetitbeau ( 29/11/2005 14:10)
ramorafr Tsy haiko na fantatrao na tsia fa lany tao anatin'ny ekipam-pirenena ange io ankizy nangatahan'ny namany io! ary tsy hoe noesorina tao koa izy fa eto mada tsy mahavelona ny sport dia mba nikarakara ny fianarany izy sa atao ambanin-javatra aloha ny fianarana rehefa lany ekipam-pirenena e! manana motif tsara ilay ankizy fa tsy raha hoe ny sitrapony no tsy nanaovany ange e sady vao séance 2 amin'ny entrainement ange no tsy natrehany e! fa za aloha mahita fa misy fédérasiona kosa manao ny asany tsara e!
Ny tiako ho lazaina farany dia izao tsy atakalon'ny ankizy ny voninahim-pirenena raha izay namana fa ahoana anefa no fomba ahafahana miaro izay voninahim-pirenena izay raha tsy ny efa havanana no fidiana ary anisan'ny teny nahamenatra nataon'ny tao amin'ny federasiona dia ity hoe na VOAFIDY HO JOUEUSE MENDRIKA INDRINDRA AZA DIA TSY VOATERY HO ANATIN'NY EKIPAM-PIRENENA mazava ange izany fa ny tsy mendrika izany no lany ekipam-pirenena aminy e!
Anjaranareo no mamakafaka e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2014