ampongamarofeo!

1. jentilisa ( 26/11/2005 10:55)
Teny fandretsika angamba izany hoe ampongamaroanaka (batterie) na vatamaroafitsoka (synthete) izany. Ity teny ity indray dia noforiniko teo ampahenoana sy ampijerena ity zavatra hitako tetsy Antaninarenina ny zoma omaly. Teo anoloan'ny zaridainan'Antaninarenina mihitsy ilay fitaovana no hitako. Loko maitson'ny miaramila ilay izy ka saiky tsy nanintona tamin'ny voalohany. Ireo olona toy ny mijery zavatra eo amin'ilay sahafa mihantona (vy)no nandrisika ahy hankeny ihany koa.

inona no hitako teo? hay ka manome naoty maro ity amponga teo anoloako, izay tsy noheveriko ho amponga akory!
raha tsy diso ny fitadidiako dia misy octaves roa ilay amponga! izay no nahatonga ahy hanoratra eto. Ny feony dia tena feomby mihtsy saingy tena misy feony tahaka ireny piano tendrena ierny mihitsy e!

Ianareo izay te-hahita! tongava hoe eny! tamin'ny dimy ora hariva teo ho eo no nahitako azy io.
novalian'i jentilisa ny 03/12/2005 15:08
2. Herimiafina ( 26/11/2005 18:58)
Raha adika amin'ny teny frantsay de Polyphonique izany no tena izy.
Izany hoe: raha aponga iray dia manome karazampeo iray monja, saingy izy ity de manome karazana feo maromaro.

Ny feo na son dia energie, toy ny loko ihany. Saingy ny loko ihany no tena nandalo fikarohana ka nahitana fa maro karazana ny loko hitan'ny mason'olombelona tsy toy ny an'ny biby izay tsy mahita afa-tsy mainty sy fotsy.

Misy intensité, misy portée ary miankina betsaka amin'ny rivotra sy ny environenment misy ilay fitaovana, ny colonne d'air, sns, ny feo avoakany.

Eny mety hamoaka hatramin'ny ultrasons ihany koa.
3. lapino ( 26/11/2005 19:41)
Jentilisa < Raha mety rangah de mba alaivo sary dia ento mba hojerena fa toa mahaliana izy izany a! Invention gasy izany le izy?

Herimiafina < Ao @ ifg misy resaka momba ny loko sy feo, mba jerijereo sy ampimpio ao e :)
4. lapino ( 26/11/2005 19:41)
Jentilisa < Raha mety rangah de mba alaivo sary dia ento mba hojerena fa toa mahaliana izy izany a! Invention gasy izany le izy?

Herimiafina < Ao @ ifg misy resaka momba ny loko sy feo, mba jerijereo sy ampimpio ao e :)
5. jentilisa ( 28/11/2005 07:02)
zah ary niandry mihitsy fa tsy hitako tampoka teo izay nalehany! angamba nisy vazaha nividy dia izay no izy. Tahaka ny tsy tsapan'ilay olona ny portéen'ilay zavatra!
6. lapino ( 29/11/2005 01:09)
Raha novidian'ny vazaha izany indray ve izany tsy ho ataon-dry zalahy hoe noforoniny avy eo?

Mampalahelo marina ny tsy fahafantarana ny sandan'ny zavatra atao :(
7. jentilisa ( 03/12/2005 15:08)
gasy kely izay no nivarotra ilay izy. Fa raha izany izao no nampahafantarina ny be sy ny maro hoe mandehana any amin'ny OMAPI vao mahita zavatra sahala amin'ireny dia volabe ho an'ny gasy ilay zavatra! nahahelo be aho satria tokana ihany angamba no nataony dia tsy nisy hafa intsony!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2559