Mila fanampiana azafady !

1. Tiana1 ( 22/11/2005 21:15)
Manahoana daholo ! ... Nisy document izay, notehiriziko tao @-ny "word"... Lava be ary tena ilaiko. Vao novoaiko izy teo. Saika nanamiako teny kely. Asa izay nataoko. Angamba nisy tokony tsy notsindriko (fausse manip). Nanjavona daholo ilay document ! Mbola ao ny lohateny fa tsy misy ninoninn tsony ao anatiny ! Inn no azo atao ? Tena very ve ?
novalian'i lezozyabe ny 10/12/2005 14:00
2. Herimiafina ( 22/11/2005 22:11)
Sao de tsy voa enregistré zany tamin'ianao nanidy azy farany?
Jereo hoe raha misy fichier de sauvegarde? de iny sokafana raha misy.
3. LazaRandri ( 22/11/2005 22:53)
Irariako aloha tsy ho very ilay document.

Fa izao mba torohevitra amin'ny ho avy e! Ny documents rehetra dia ataovy copie ary tehirizo amin'ny CD sy internet daholo. Aza atao copie ao amin'ny disque dur fotsiny fa na ny laptop aza misy mangalatra.
4. Tiana1 ( 23/11/2005 04:26)
Misaotra an'i Herimiafina sy LazaRandri...
>Herimiafina : efa enregistré tsara lé izy ary angamba feno pejy 80 eoeo ! Dé mahagaga fa tampoka teo anie dé tsy hita tsony eh !
> LazaAndri : Tsara ny hevitrao ! Lé izy fantatra saingy tsy atao ! :( Io no mahavoha ! @ manaraka ataoko foana satria lesona ho ahy izany ! Fa dé mety nisy nangalatra tokoa v ? :!: Efa nisy hira nangalarin'oln hoatr'zany raha zany ! Ary tena be mintsy ! :(
5. Herimiafina ( 23/11/2005 04:28)
Jereo hoe any amin'ny historique raha mbola any ny copie-ny ry Tiana1. :wink:
6. Tiana1 ( 23/11/2005 04:48)
ie ! Ataoko vetivety fa maika hiasa ! Misaotra ! :)
7. Tiana1 ( 23/11/2005 04:53)
:(Tsy ao lé izy satria tsy connectée aho rehefa manokatra sy mijery na hanova azy !!! Manahirana ! Raha manita hevitra hafa nareo mba ampio re azafady ! Fa maika aho zao fa rehefa avy eo "mifankahita" ! Mazotoa daholo dé misaotra !
8. Herimiafina ( 23/11/2005 04:57)
Sokafy ny MS-WORD de jereo fa misy icone historique ao de jereo hoe e,:wink:
9. gerald ( 23/11/2005 05:17)
Mba andramo ity : midira any @ Ms-dos dia ataovy ny hoe "undelete" raha ohatra sendra voafafa lay izy dia mivoaka eo ny teo aloha raha feno fotsiny anefa ny disque dur de tsy mety io misy sauvegarde auto foana mantsy rehefa mi-delete
10. Tiana1 ( 23/11/2005 12:57)
Eto ndray aho ! :) Misaotra anareo - Herimiafina sy gerald... Saingy matahotra ny manindrinindry foana eto aho satria mora manimba ordi. Satria tsy mahay eh ! Tsy sahy miditra ao @ "dos" aho ry gerald â ! Ary >Herimiafina : mitovy v Ms-dos sy MS-WORD ?
Fa na zany aza tsy sahy aho ! :?
11. hery ( 23/11/2005 17:34)
Tiana1> raha mbola ao ny nom du document ***.doc kanefa tsisy na inona na inona rehefa sokafana de tsisy fika intsony. Ny antony dia satria mety voafafanao tsy nahy ny texte rehetra (ohatra hoe Select all + espace de avy eo tonga de enregistré). Raha io no nitranga dia tsisy fika afatsy ilay nolazain\'i Herimiafina hoe fichier de sauvegarde. Ny sauvegarde anefa dia mety tsy manao ny MS-Word raha tsy lazainao hoe Manao sauvegarde automatique isaky ny fotoana voafaritra.

Jereo ao amin\'ny c:\\windows\\temp sao misy fichiers .doc mietrapetraka indraindray miendrika hoe ~WXXXTMP.DOC (na tsy tadidiko)
12. Herimiafina ( 23/11/2005 20:36)
Izao, midira word ianao de ataovy ouvrir de jereo le sarisary amin'ny sisiny fa misy historique de cliquer-o iny fa hipoitra ao daholo ny historique ny asa rehetra nataonao tamin'ny word, de jereo ny version faran'ilay asanao.

Faharoa raha tsy mety io de midira indray windows explorer de jereo ny c: na disque local, dia jereo ny repertoitre Temp sao de lasa fichier temporaire ao ilay izy, de sokafy tsiraisray izay manana extension *.doc rehetra.

Mazotoa.
13. eprom ( 25/11/2005 08:11)
Tiana>
Jereo eo amin'ny explorateur windows aloha ny taillen'ny fichier. Raha 80 pages izany tsy ho latsatky ny 100 Ko. Raha any @ 1 na 2 Ko any de le sauvegarde sy repertoire temporaire sisa. Raha lehibe kosa ilay fichier de mbola ao daholo ihany ny zavatrao fa mety ho simba na tsy haiko le fichier, fa en tout cas mbola azo recuperer izy.( Ny ahy aza efa nisy nosokafana t@ editeur hexa de nalaina daaholo ny texte de naverina ny mise en forme, lavalava fa naleoko izay toy izay namerina nanao saisie:wink: )
14. Tiana1 ( 26/11/2005 15:17)
Misaotra anareo rehetra ! Niditra tato ihany aho omaly sy androany saingy tsy hitako niseo tao @ fandraisana intsony ilay lohateniko dia neveriko tsy nisy niraharaha intsony ! Kanjo faly b aho nahitanareo bdb nanome sosokevitra ! Misaotra fa andramako daholo ! :D Tena faly b aho na dia sanatria aza tsisy fika tsony araka ny nolazain'i Hery ! Ny hevitro mantsy dia toa izaho ihany no nahatonga an'io. Tsy toy ny notenen'i Hery fa toa ilay "Alt" no voatsindriko, dia tsy haiko izay notsindriko niaraka t@. Fa hiala nenina aho, hanandrana ireo nolazainareo reo ! :)
15. ericgael ( 29/11/2005 07:42)
Midira ao @ menu demarer/rechercher
Dé farito ao ny daty nahvery ilay fichier (tri par date ).
ataovy ny recherche
trieo par type ndray avy eo
tokony hahita fichier microsoft word maromaro ianao
andramo izay hitanao fa mety ho ilay fichier
rehefa tsy ao dé tsiss fika intsony satria na ny fichier temporaire aza tokony ho hita ao.
16. lezozyabe ( 10/12/2005 14:00)
Salama fotsiny!
Raha toa ka mahita irony logiciel fanaovana récup irony ianao dia ireny afaka manampy betsaka anao @izany! oh: getdataback, unformat sns.
Jereo koa sao any anaty corbeille, fa raha any tsy hitan'ny moteur de recherche! récupere-o avy any fotsiny raha toa mbola any eh!
@ manaraka aza atao intsony ny tsy manao sauvegarde manu (CTRL+S) isaky ny avy miasa 5 na 10 mn ohatra! Ary vantany vao manokatra ny word ianao dia omeo anarana avy hatrany ilay fichier mba tsy ho very farafaharatsy ny ny anarany fotsiny.
Izay fa dia mirary fahitana sy fahombiazana eo ampikarohana ilay fichier!
Veloma!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.087