DEUIL

1. diamondra27 ( 22/11/2005 13:07)
Vao saika hanao lohahevitra momba ny fahafatesana indrindra aho no nahatsikaritra fa nisy namana nanao hevitra mitovitovy t@ hevitro.
Miala tsiny amin'ireo zay manamanjo fa fiainana daholo izany ary isika rehetra dia samy handalo @izany avokoa.Ny fanontaniana tiako apetraka dia hoe: RAHA MISY AMINTSIKA EFA NANDIA NA NANANA HAVANA AKAIKY MATY DE AHOANA NY REACTION-NAREO SY ZAY TOROHEVITRA AZONAREO OMENA. Misaotra betsaka fa tena important amiko ny mahalala an'io
novalian'i hesham ny 01/12/2005 13:31
2. pika ( 22/11/2005 14:07)
raha efa nampijalian'ny aretina ilay olona dia malahelo kely ianao noho ny fisarahana fa saingy mifaly kosa ianao fa afa-patorana izy ary mety efa ho sambatra miaraka @ i Kristy
raha maty ka tsy dia nampoizina loatra ilay olona malahelo fa hisaraka na izany aza dia tsy maintsy mihezaka ianao hampionontsaina fa ny velona tsy maintsy mitohy ny adidiny sy ny tantara
ary tsy afaka ny hihara honina intsony ny maty sy ny velona fa indray andro any mbola hifankahita
dia mitondra fiononana ho an'izay nidom-pahoriana
3. booboo ( 22/11/2005 15:51)
Nalahelo mafy ary nanontany teny foana hoe inona no tsy nety nataoko no lasa izy, sao tokony nanao an'zao sy izao sns. Andro kelikely taty aoriana ndray dia tezitra. Tsy haiko hoe inona no raha nampatezitra fa haiko hoe tezitra fotsiny t@ zay niresaka tamiko zà indrindra t@ reo zay tsy mahita resahina afa- tsy zay no sitrapon'Atra et tout et tout. Ekeko oe marina zay fa tsy zay no nilaiko fa fotsiny oe misy mahazo ny alaheloko sy hatezerako sns. Efa elaela mihitsy zà vao "tony" t@ raha retra dia niverina t@ fiainana an-davan'andro avy teoooo.

Ny anà toro-hevitro dé aza menatra mitomany zany sy maneho ny alahelo zany fa normal zany. faut lâcher prise fa loza beee lay mody mifehy tena hoe matanjaka beee imason'ny olona refa ela ny ela ! Misy lé boky miresaka deuils reny koa interessant mety hanampy mandritra ny fisaonana.

4. ravakamalala ( 22/11/2005 16:00)
Mazana be ny miatrika ny fahafatesana, ary io angamba no tena hitako hoe mafy indrindra amin ny fiainan ny olombelona, indrindra fa ho an izay ilaozana.

tsy maintsy manao deuil, na psychologique na émotionnel zany hoe tena manamboatra saina ary manaiky fa lasa ilay olona ary raha kristianina dia mieritreritra hoe sambatra izy any amin ny toerana izay efa natokan Andriamanitra ho azy. Ary mbola hifankahita indray andro any.

mafy be mihitsy ny manaiky hoe tena lasa tokoa ilay olona ary io misy banga be tsy hay fenoina, mila fotoana, ary raha azo atao dia zaraina amin ny hafa foana ny alahelo.

mampahery tena akia fa ny an ny hafa présence ihany no azondry any aminy fa tsy hisy hanome ny tena fampionona raha tsy ny tena ihany, ny tena izay manampinoana.
5. kally ( 22/11/2005 16:21)
Malahelo be saingy tsy mahavita mitomany, tsy mety mino hoe tena maty ilay olona, marary ny fo raha mieritreritra ny fiainana tamin'izy mbola teo.Dia hany hery mampionon-tena hoe mbola hihaona indray andro any.Tsy miandry inon'inona avy amin'olon-kafa aho,samy nomena ny hazofijaliany ka samy mizaka ny azy mangina saingy mahatsiaro maivana aho rehefa misy namana manary dia mampivily ny saiko tsy hieritreritra ilay fahoriana.
6. fijo ( 22/11/2005 21:35)
ny ahy dia toa io efa nolazain'i pika io.ny raiko efa narary erintaona vao maty,ary za koa moa teo ampanaovana bac no maty izy ka tsy nanmpandrenesana raha tsy efa vita daholo ny zavatra rehetra.
nalahelo tokoa aho,satria izahay mianaka dia tena mpiara milalao tokoa,nefa nilamina ihany ny saiko satria efa nijaly loatra izy vao lasa.izy moa tsy mino za koa tsy mino,ka amiko dia efa izay izany ny aminy,ka izay mahasoa ahy sisa izao no ataoko.
ary raha toa ka mahita tokoa izy any,araka ny finoan'ny sasany,dia mino aho ,fa momba io fisainako io koa izy.
7. pika ( 23/11/2005 05:42)
torohevitra kely fotsiny hoe marina fa @1 sarotra ny mandainga mety hitomany .... nefa aza dia variana miondrika @tany loatra hoy ilay bebeanay izay fa mba jereo hoe iza avy moa ireto olona tonga midododo mampionina ireto mba hamaliana izay nataony
sy hoe inona avy moa ny zavatra tsy maintsy karakaraina izany sy ny tokony atao fa tsy hoe mitomany eo foana indrindra moa raha tena ao antranonao akaiky ny misy maty eritrereto ny fanaovana ampandrenesana, ny fifidianana lamba, voninkazo oh, ny fandevenana ......
8. Herimiafina ( 23/11/2005 05:46)
Le eo amin'ilay fotoana dia toa tsy te-hitomany zany zah fa refa aty aoriana mahatsiaro vao mitomany.:(:(:(:(

Mahatsiaro fandrihampahalemana zany zah amin'io fotoana io. Mahatsiaro hoe nody ilay havana, mahatsiaro hoe tsy mitaintaina ny aminy intsony fa efa maty izy. Fony fahavelony mantsy dia sahirana miheritreritra ze hanjo azy foana.:(:(
9. sonwin ( 23/11/2005 14:38)
eo anoloan'ny fahoriana dia mazana matanjaka ny saina refa olona akaiky no lasa satria ny tena mila mikarakara sy mandray andraikitra....rehefa mihodina ny fotoana,ny volana,ny taona, ary indrindra aminy fotoana mamy sy fety no mavesatra kokoa ny alahelo noho ilay fotoana nandaozany iny..ary amin'izay indrindra no mila matanjaka ara-tsaina sy ara-po ary ara-panahy.
10. sonwin ( 23/11/2005 14:38)
eo anoloan'ny fahoriana dia mazana matanjaka ny saina refa olona akaiky no lasa satria ny tena mila mikarakara sy mandray andraikitra....rehefa mihodina ny fotoana,ny volana,ny taona, ary indrindra aminy fotoana mamy sy fety no mavesatra kokoa ny alahelo noho ilay fotoana nandaozany iny..ary amin'izay indrindra no mila matanjaka ara-tsaina sy ara-po ary ara-panahy.
11. fijo ( 23/11/2005 22:01)
izay mihintsy le hilana ny saona ka.
12. ari.malala ( 24/11/2005 06:29)
mafy b, tena mafy b... fa ts maints mionona ihany e. Ny tena tadidiko mafy indrindra tamiko zao d ny nandevina havana akaiky ahy fa zandriko aman-taona daolo (3 izy ireo), d eo @ fotoana andrenesana an'ilay fahafatesana aloha ts mahatomany, fa refa manatrika azy fa indrindra eo @ famonosana no tena henjana indrindra tamiko, satria iny no nahitako farany ny endrik'ireo zandry tsy foiko :(, d refa le eny ampasana @ fanitrihana :( fa d mionona no fahendrena satria mino aho fa efa any @ le toerana namboarin'i Kristy izy ireny @ zao d mifaly ny saiko we efa sambatra izy zay...
13. hesham ( 24/11/2005 18:32)
T@ raiko maty in1 za tsy nahatomany sady mety mbola zaza saina angamba fa aty aorina za vao tena mahatsapa ny fahabangany eo @ fiainako ka lasa tomany lava hany ka na film misy lhl maty ary dia efa mahalatsaka ny ranomasoko .:cry::cry:
14. fijo ( 24/11/2005 23:14)
le fahabangana aloha dia tena tsapa io e.
15. ari.malala ( 25/11/2005 05:44)
sady tena henjana b ry reto refa le misy fetim-pianakaviana iny a... d le misy we mangataka 1mn fahanginana ho fahatsiarovana ireo efa lasana, fa tena manindrona ny fo e...
16. fijo ( 25/11/2005 20:37)
za aloha efa mba tsy dia mahatsiaro lava intsony e,le fiainana koa tsy ahafahana mandefa saina loatra e
17. hesham ( 27/11/2005 00:34)
fijo , sambatra fa za miezaka fa otran`ny tsy mety mintsy .
18. mandrindra ( 28/11/2005 10:02)
fijo, tsy voatery hoe ilay saina anie no lasa fa indraindray tonga ho azy ilay fahatsiarovana.
19. ari.malala ( 01/12/2005 07:31)
hita mints wa ry mandrindra...
20. hesham ( 01/12/2005 13:31)
atao aona fa zay ny fiainana fa enga anie hifankahita any ankotra .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1558