nodarohan'ny tiorka ny soisa!

1. jentilisa ( 17/11/2005 14:11)
asa raha efa renareo na tsia fa rehefa resy tsy tafita mondialy ny tiorka dia nihazakazaka namonjy vestiera daholo ny mpilalao na tiorka na soisa. Ny soisa hanavo-tena ary ny tiorka kosa hidaroka. Ny loza dia na ny polisy tiorka aza namely ihany koa!

lasalasa ihany ny saina tsy te-hieritreri-dratsy nahatsiaro ny nahazo ny USCAFoot tany Soudan tamin'ny herintaona hoe sao dia izany ny fitaizana SIlamo?

Tsy rariny mihitsy manko izao toe-javatra izao. INdrindra fa mety ho ilay saina misy lakroa no tsy tantin-dry zareo hoe nandresy tany aminy!
novalian'i jentilisa ny 24/11/2005 13:11
2. majakely ( 17/11/2005 15:00)
odriyyyy:?,maty ny ekipanay ..........
3. Herimiafina ( 17/11/2005 18:28)
Manala baraka mahintsiny le fitondrantena klé. tsssss:twisted::twisted:
4. Herimiafina ( 17/11/2005 18:29)
NB: mbola le mpanao baolina sy polisy kalongany noa siakao eto an, fa zah mbola tsy nahita relation logique amin'ny fitondrantenan'ny mpanao baolina sy ny fitondrantenan'ny Silamo an. Enga anie mba tsy hisy fa manjary lasa rasista eo zah mantsy. :twisted::twisted::twisted::twisted:
5. zandikely ( 18/11/2005 04:48)
Efa fomba mahazatra ny polisy Turque be herisetra, vao firy volana lasa koa polisy nandaroko mpanao manifestation pacifique, fa ny tena na choqué ahy, dia sipa miajera izao mbola darohana daka. Na ny any Iraq aza tsy ahitana tahaka izany.
Tsy misaina ry zareo nefa ankatokiny mbola mandresy lahatra ny UE fa mba te honamana aminy Union hono ry zareo.
6. Ralay ( 18/11/2005 05:53)
Ho hita eo ny sazy omen'ny FIA azy raha exemplaire araky ny voalazan'ny mpilaza vao²
7. Samoana ( 18/11/2005 14:22)
Ny hitako t@ fahitalavitra halina indray anefa dia izao:
1) Nosiahin'ny mpijery tiorka ny hiram-pirenena soisa raha vao hanomboka ny lalao. Tsy mahagaga izany satria toy izany koa no nataon'ny mpijery soisa ny hiram-pirenena tiorka t@ match aller.
2) Nony vita ny lalao ka hamonjy vestiaire dia nodakan'i Huggel, mpilalao suisse avy ao an-damosina ny mpanazatra turque . Io mpilalao suisse io ihany no tonga de namely totohondry an'i Ozalan, mpilalao turque; nifampitolona t@ tany izy 2 lahy ary teo no niara-nifanjevo na mpitandro ny filaminana, na mpilalao, na mpaka sary. Izay no naseho t@ télé fa ny ankoatra tsy nisy nahazo sary intsony.
3) Tezitra mafy ny prezidàn'ny FIFA izay iaraha-mahalala fa suisse. Ho hita eny ny tohiny raha voasazy avokoa ny mpanakorontana rehetra. Ho voa mafy kokoa ny turque satria efa nahazo avertsmà in-2 t@ ity taona ity.

Raha le resaka lakroa lazain'i jentilisa indray tsy haiko raha misy fahamarinany na eritreritra sendra nandalo t@ jentilisa fotsiny. Ny " fariseo" angamba no tsara hatonina momba izany :D
8. Herimiafina ( 21/11/2005 03:09)
zandikely:

Efa fomba mahazatra ny polisy Turque be herisetra, vao firy volana lasa koa polisy nandaroko mpanao manifestation pacifique, fa ny tena na choqué ahy, dia sipa miajera izao mbola darohana daka. Na ny any Iraq aza tsy ahitana tahaka izany.
Tsy misaina ry zareo nefa ankatokiny mbola mandresy lahatra ny UE fa mba te honamana aminy Union hono ry zareo.

Marina aloha izay e.
Fa io olana io koa misy na aty Amerika Avaratra aty ary. Jereo fotsiny ireny zava-nitranga tany New Orleans ireny olona tsy manino tsy maninona tonga de voadaroka sadye fa lavo amin'ny tany mifatotra mbola hitsahian ihany.

De otsan'ilay sipa taty Province Quebec koa tamin'ny grevy ny mpianatra ireny, rapa vaky loha mihintsy efa mi se rendre mbola voa matraky hitsahina ny lohany.

9. jentilisa ( 23/11/2005 14:19)
tia herisetra ny olona!
10. mandrindra ( 23/11/2005 15:34)
Omaly dia tonga tany Tiorkia ny AC Milan hihaona amin'ny Fenerbahce androany hariva. Notolaran'ny tiorka voninkazo tsirairay ny mpilalaon'ny AC Milan mba hilazana hono fa tsy mpanakorontana ry zareo fa mahay mandray vahiny ihany koa.
11. jentilisa ( 24/11/2005 13:11)
hehehe! manenjika rano raraka marina!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5857