vitiligo

1. dah ( 15/11/2005 18:58)
sao mba misy mahalala ny fanafody mahasitrana vitiligo azfd
novalian'i fijo ny 25/01/2006 04:34
2. mtiana ( 16/11/2005 10:38)
Misy antony maro no mahatonga ny vitiligo, misy resaka hormone, misy tsy fahampiana oligo-éléments, tsy ampy masoandro ...
Mahafantatra olona aho efa voa aman-taonany fa sitrana dia miverina taty aoriana dia niova dokotera indray izy, Mihinana karazana sakafo maroloko ovaovaina matetika, mihinana argile verte, mitanin'andro,sady misy fanafody hosorana azy, fa mba nisy fiovana kely aloha e!
3. mtiana ( 16/11/2005 10:42)
Misy antony maro no mahatonga ny vitiligo, misy resaka hormone, misy tsy fahampiana oligo-éléments, tsy ampy masoandro ...
Mahafantatra olona aho efa voa aman-taonany fa sitrana dia miverina taty aoriana dia niova dokotera indray izy, Mihinana karazana sakafo maroloko ovaovaina matetika, mihinana argile verte, mitanin'andro,sady misy fanafody hosorana azy, fa mba nisy fiovana kely aloha e!
4. Veloo ( 16/11/2005 17:36)
inn ty vitiligo?
5. fijo ( 16/11/2005 21:37)
inona marina kay izany kle
6. Veloo ( 16/11/2005 22:18)
soa ihany aho fa tsy irery kle hahahahha
7. fijo ( 18/11/2005 22:19)
eto tsy misy irery sika ka
8. toubib ( 17/01/2006 05:15)
Azavao kosa klou oe inn ny "vitiligo" e! Ny vitiligo, dia ny fisian'ireny faritra tsy misy loko amin'ny vatana ireny, izany oe somary "bobo" na "soba" fa amina faritra kelikely na ngezangeza eo amin'ny vatana. Raha ny bobo (albinisme)no resahina dia efa hatrany ambohoka izy io no azo ary tena manaranaka avy hatrany arakaraka ny "échiquier de croisement" ny fiangambana mety hipoirany, efa any anaty chromosome any zany izy io ka vavan-kisoa misy sira ho an'izay miditra ho fianakavian'izy ireny. Misy ny fahabangan'ilay enzyme antsoina hoe "tyrosinase" isay mamadika ny tyrosine (acide aminé) ho melanine izay mandoko ny hoditra. Vokatr'izay ilay tsy fisian'ny loko eo amin'ilay olona na biby iany koa toy ny bibilava, sokatra, etsetra. Mifandray amin'izay ihany ny vitiligo saingy matetika dia aty aoriana izy no mipoitra tsikelikely. Sahiko aloha ny milaza fa na inona na inona fitsaboana atao dia karazan'ny "aléatoire" foana ny vokany, mety hositrana mety ho tsia!Tsaratsara anefa dieny izy mbola kely velarana iny no tonga d tsaboina. Saika ireny fanafody ahosotra mamerina lokon-koditra ireny mantsy no ampiasaina, dia misy koa ny vitamine sy tsirimpanentana sasany ampiasaina.OK!
9. fijo ( 17/01/2006 21:15)
ka io tyrosinasz io ve tsy azo ampidirina ,amin'ilay olona raha fantatra fa tsy misy an'io izy????
10. dah ( 22/01/2006 13:15)
misaotra anreo nanome hevitra izaho aloha voan'ilay izy izao efa lehibe izao e azonao lazaina ve hoe inona no fanafodin'ilay izy ohatra hoe inona kay ilay sakafo maroloko legumes ve izany io argiles verte io izany ohanina sa atao ahoana
11. dah ( 23/01/2006 18:22)
[quote=toubib]
izaho aloha voan'ilay izy dia izao efa lehibe izao e afaka mifanao fotoana ve sika satria mba mila fanampiana avy aminao izaho dia misaotra mialoha e indro ny adreseko jah2812@hotmail.com
12. toubib ( 24/01/2006 08:19)
>dah, ity ny adiresiko dia vonona zah juste hoe milaza zay mba kely fantatro hasinandranto@yahoo.fr . Adinoko ny nilaza fa ny tsy fisian'io tyrosinase io dia tsy hoe azo ampidirana azy akory any anaty vatana dia hivaha ny olana fa efa karazana "malformation chromosomique" izy io toy ireny "trisomie 21" oh na koa ny "hemophilie" ireny ka tsy afaka ahitsy akory fa dia iainana araka izay. Ao aoriana ngamba mety ho azo antenaina ny vokatr'ireny "thérapie génique" ireny, asa anefa! Efa azo "détécter-na" dieny any ambohoka io @ alalan'ny fitiliana ny ranondohan'ny vehivavy bevohoka.
13. fijo ( 25/01/2006 04:34)
misaotra.mino aho fa efa mba mikaroka ny momba an'io ry zareo,fa toa miha betsaka le olona voany.ary le izy ve ,mihena sa ahoana no hoe olona tsy nisy nefa lasa misy tampoka toa io namana io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1934