Fantatrareo ve fa ho tonga paradisa ny tany?

1. elyrajo ( 13/11/2005 10:19)
Tiako ny hizara ny zavatra hinoako aminareo. Mino mafy mantsy aho fa tsy ho ela intsony de hanova ny tany ho paradisa i Jehovah. Tsy vaovao tsara ve izany hoy ianareo?
novalian'i booboo ny 10/01/2006 15:23
2. dadabe ( 13/11/2005 12:34)
tena vaovao tsara izany fa zao e,mba inona aloha no nahatonga anao hanoratra an'io e?
3. vale ( 13/11/2005 13:10)
fa inna marina ny tena izy e! nen'ny ctholika ohatra toa oe any an-danitra ny paradisa sns ...mba azavao alo fa tena tsy ita intsony zay marina e!
4. lapino ( 13/11/2005 13:59)
vale:

fa inna marina ny tena izy e! nen'ny ctholika ohatra toa oe any an-danitra ny paradisa sns ...mba azavao alo fa tena tsy ita intsony zay marina e!


Aza ny an'ny katolika, na protestà, na inn na inn, na ny an'i elyrajo no inoy, fa ny baiboly ihany!
5. vale ( 18/11/2005 23:40)
lapino> dia aiza ho aiza ao @ baiboly no misy ny valiny kay?
6. lapino ( 19/11/2005 06:37)
Raha mety hanampy anao, ity misy baiboly en ligne: http://baiboly.org/. Ny tombon'io dia izy misy moteur de recherche, afaka itadiavanao izay teny mahaliana anao.

Ohatra hoe nikaroka aho hoe: "paradisa" dia ity no valiny:


Lioka 23:43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. LIOKA 23

IIKorintiana 12:4 fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. IIKORINTIANA 12

Apokalypsy 2:7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana .Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina , izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. APOKALYPSY 2


Izay eo, fa raha ny tena tsara dia mamaky baiboly amin'ny fomba regulier enao, am'zay mora aminao kokoa ny miaina azy.
7. rmidera ( 20/11/2005 13:56)
Fa aiza anefa ny lanitra raha any no misy ny paradisa? Isika samy mahalala fa ny tany dia bola (sphere) ka ny fanotaniako hoe aiza ny ambony raha milaza isika fa any ambony any?Tsy afaka miteny ambony nefa isika raha tsy misy repere.Ka repere inona no ampiasan'ireo mihevitra fa any ambony any ny lanitra.
Ho tonga paradisa ny tany,marina izany nefa io paradisa io tsy lavitra eo akaikinao eo ihany.Aza mitady lavitra fa manjary tsy hitanao ny tsiron'ny paradisa.
8. dadabe ( 20/11/2005 14:59)
8)8)
9. lapino ( 20/11/2005 15:24)
Fa aiza anefa ny lanitra raha any no misy ny paradisa?

Isika olombelona voafetra be:
- Années lumieres no ventin-drefy lehibe indrindra
- C ny hafainganam-pandeha fara-tampony
- ananki-3 ihany ny dimensions, 4 raha isaina ny fotoana
- tsy afaka akisaka na ikisahana ny fotoana

Ka raha afaka mahita ny lanitra ao anatin'ireo fetra ireo dia mety ho efa nisy valiny ilay fanontaniana. Eritrereto hoe raha misy miteny àry hoe ary ny lanitra, ho afaka ny hi-comprendre an'izany ve isika?
10. rmidera ( 21/11/2005 17:09)
Lapino,
Tsy hoe voafetra isika fa isika no mametra antsika ho tonga voafetra.Mitady zavatra sarotra isika nefa ny zavatra raha sarotra loatra dia diso,raha mora loatra dia diso koa fa eo amin'ilay haintsika no tokony hametrahantsika azy.
Ny olana dia isika mitady lavitra .Tsy mila mandeha lavitra isika satria ny lanitra tsy lavitra fa eo akaikitsika eo ihany.Rehefa mikipy ny masontsika dia eo ny lanitra na paradisa eo ivelany eo.Mikipy hoy aho satria na ny matory na maty dia mitovy ihany fa resaka fotoana no mahasamy hafa azy
11. stephan ( 26/11/2005 07:20)
eo sa ao?
12. booboo ( 10/01/2006 15:23)
re- eo sa ao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0753