sorena lava

1. jon ( 07/11/2005 13:26)
inona no mahatonga ny olona sorena lava ; tsy mahatombina firy amina zavatra atao ; tsy matoky tena ; tsy mba misy zavatra mahavariana ; tsy mahita fahafinaretana amin'a zavatra atao ;
dia inona no tokony ho ataony !
novalian'i fijo ny 16/11/2005 21:57
2. taratrakely ( 07/11/2005 13:56)
ataovy mamaky qur'an izy.. na ataovy mamaky baiboly.
de zay
3. pika ( 07/11/2005 14:08)
asaivo mankany ammpiangonana izy dia ahita fifaliana
ary sao mba tsy ampy fitiavana kosa aloha e:)
4. bichette ( 07/11/2005 14:32)
omeo vitamine C sy magnesium
5. Ragadona ( 07/11/2005 14:43)
Satria tsy hainao ny mamalifaly azy, tsy hitanao izay tokony hampitombenana azy, tsy ambaranao azy ireo teny manome toky, tsy anaovanao zavatra mba hahavarimbariana azy izy, tsy manome fahafinaretana azy ianao. Ny tokony hataony : mitady an ireo zavatra ireo aminao.
6. hery ( 07/11/2005 14:52)
Asaivo miditra eto amin'ny namana.serasera.org dia manandrana mi-chat... hahazo fahafinaretana sy namana
7. Veloo ( 07/11/2005 15:56)
hery =D=D=D
ny olona otran'ireny tsy manana confiance an'ny tenany ko (self esteem)??? tsy aiko teny gasy :(
8. chipie1 ( 07/11/2005 18:08)
sao de tsy olona tsony zany leretsy e ! hihihi
9. Veloo ( 07/11/2005 20:31)
chipie a tsssssss misy tokoa moa izany retsy a, na misy marary azy ao @ tenany na tena tsy manana maintrise intsony ny sainy izy ko...
10. Herimiafina ( 07/11/2005 21:02)
jon:

inona no mahatonga ny olona sorena lava ; tsy mahatombina firy amina zavatra atao ; tsy matoky tena ; tsy mba misy zavatra mahavariana ; tsy mahita fahafinaretana amin'a zavatra atao ;
dia inona no tokony ho ataony !


Betsaka mihintsy ny toa an'izany, misy karazany antony maromaro miainga amin'ny tsy fahampian'ny torimaso ka tonga any amin'ny complexe d'infériorité.

Perte de jouissance de la vie, io manjo an'azay io noho izy hypersensible be. Le hypersensible indray dia toetra azony annditry ny fahazazany sy ny zavatra niainany, mila manamafy herimpanahy izy mba hahay hiatrika ny fiainana andavan'andro sy ny olana.

Mila mihataka miaraka amina olona tena tiany anakiray izy, manao vacance ohatra, mila ilay environnement hitany isan'andro, izay fototry ny fahasoretany.

11. cutie ( 07/11/2005 21:37)
mbola ho avy le maraina e, aza kivy :-D
12. ari.malala ( 08/11/2005 05:38)
jon:

inona no mahatonga ny olona sorena lava ; tsy mahatombina firy amina zavatra atao ; tsy matoky tena ; tsy mba misy zavatra mahavariana ; tsy mahita fahafinaretana amin'a zavatra atao ;
dia inona no tokony ho ataony !



mety hoe nisy zavatra tena nandona azy mafy tany aloha tany d tsy mety adinony mintsy d mi accumuler amertume izy d lasa kizintina, sorena lava... ny tokony hataony d ny miezaka manadino izay ratra efa lasa tany aloha tany fa ny lasa tsy azo averina intsony, ny ampitso mbola tsy fantatra d ny androany no iainana tsara atao izay hahafalifaly ny tena. Momba ilay tsy fahatokisan-tena indray d tsisy fanafodiny afatsy izy ihany, d enao no miezaka manambony morale anazy. Cas efa niainako io tsy matoky tena io fa tena mila ezaka goavana be! courage e.
13. majakely ( 08/11/2005 07:38)
ho eto mandeh mandeh manala azy izy ee!!¨de ho eto mankany dôly kou le ol tiny ireny ohatra hoe¨: havany na namany na...asa ee:roll:!!
14. booboo ( 08/11/2005 10:51)
Ento mihataka ny raha hitany sy iainany an-davan'andro araka ny tenin'i Herimifiana : vacances !
15. estine ( 08/11/2005 11:36)
ataovy alan'ny mpiadry devolin'ny fahatezerana.
positiveo fona izay ataony, dokafy fa mahavita zavatra tsara sy amhafinaritra.
omeo confience maximum izy de anana confiance de soi tsara.
isika manodidina azy tokony hi-comprendre -be azy kokoa
Misy fetrany ihany anefa ny zavatra rehetra koa lanjalanjao tsara
farany OMEO FITIAVANA IZY HIFALIANY(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)
16. chipie1 ( 08/11/2005 19:04)
estine > omena fitiavana aona ?
17. fijo ( 08/11/2005 23:08)
avelao izy ho eo fa mifalia ianao ko
18. ari.malala ( 09/11/2005 05:45)
andray ry fijo!:-D:-D:-D
19. Herimiafina ( 09/11/2005 05:47)
Tsotra de tsotra ny vaha-olana, anontanio izy hoe inona no mba tena tiany? Omeo sipa izy ohatra, hehehe:-D:-D
20. diamondra27 ( 09/11/2005 14:45)
rehefa sorena lava ve tsy hoe manana problème e?
j'ai une proposition: A CHAQUE PROBLEME IL Y A DEUX SOLUTIONS de anjaran'ny le olona no mitady ze tiany @ ireo vahaolana 2 ireo

Raiso mora ny fiainana fa aza ankasarotina, cool fotsiny e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4425