mila hevitra

1. jon ( 07/11/2005 12:41)
misy mpianatra iray !
vao kilasy 1er izy dia nahita asa !
izy nefa sahirana arabola , izy nefa mbola te hianatra inona no tokony ho ataony !
2. hery ( 07/11/2005 14:55)
raha efa nahita asa izy no mbola sahirana ara-bola dia aza avela hieritreritra ny hianatra aloha. Asaivo miasa tsara... dia manangom-bola. Rehefa mahangona be be kokoa dia mianatra amin'izay.
Be dia be ny kilasy afaka mandray azy na dia efa lehibe aza :-) tsy voatery ho any @ Lycée
3. chipie1 ( 07/11/2005 19:55)
dia raha lany fotoana manangombola eo dia tsy afaka mianatra tsonyyyy !!! dia ...
4. zefalah ( 07/11/2005 20:17)
miankina @ lay olona io.
1 an~ mila mandamina ny fotonany izy.
lera fiasana dia miasa....lera fianarana dia mianatra
2 tsy mila milalao ,satria ny lalao sy ny resa-be mandany fotoana.
3 tohokony hiova kely izy..@zay zavatra fataony.
tsy be resaka.. matory aloa...manaja tsara ny fotaona zay arahiny.
fenarana dia asa..zay fona no atao ao anaty loha.
ho tratran'lay olona zay tandrona tratrariny raha tanterahany zany.
5. sonwin ( 07/11/2005 20:22)
raha manana herin-tsaina sy herim-po mianatra izy,dia ny ataony aloha amin'izy miasa izao, mindrana cahier olona premiere dia mampiana-tena,ka matiere Maths,Frs,Mlg ary Ang ihany no enarana. Refa tonga ny fidirana amin'ny taom-pianarana manaraka, dia manao cours du soir ao amin'ny Aceem.Bacc serie A2 no alaina.Refa azo ny Bacc, tohizana télé-enseignement, ny asa amizany mitohy foana...miankina amin'ny fahazotoany zany.
Tsy misy mafy tsy laitran'i zoto, fa rehefa hikirizana......
6. xxx ( 07/11/2005 22:50)
hery:

raha efa nahita asa izy no mbola sahirana ara-bola dia aza avela hieritreritra ny hianatra aloha. Asaivo miasa tsara... dia manangom-bola. Rehefa mahangona be be kokoa dia mianatra amin'izay.

Izy sahirana ara-bola, ny niveau d'education-ny secondaire. Mino ve ianao fa ahafahany manangom-bola ilay asa hitany mifanentana amin'izany? Sao hanimba azy toy ny SN taloha?

Avelao izy hianatra aloha raha mbola vonona, misy manampy azy foana eo rehefa tena miezaka sy mikiry izy


7. pika ( 08/11/2005 05:20)
fa angaha moa efa tsy eo intsony ny RAD?
raha mbola tsy dia matotra loatra dia mety ho sahirana ihany izy raha sady hihasa no hihanatra
8. zefalah ( 08/11/2005 07:49)
xxx>> ra misy manampy izy a~ de tsy tsara mihintsy miasa..
zahay tsis mpanampy tony aza efa tsy fidiny.
sady atsy no aro...apio izy e...sady tsara ko anie ny mifanampy e...
eritrereto fa za zao niezaka sy nikiry nefa tsy mba nisy nanampy..maika fa izy misy manampy..mety ahazo note ambony mbony ko koa nohon'ny note hazon'ny mpaianatra sady miasa toanay tony izy..
xxxx aza asaina miasa izy..anaro tsara hoe.. menara.
fa aza miasa..zara aza misy manampy ko...ny an'sasany anie tsy fidiny e.. nohon'ny tsy fisiana?
nga nisy nanry iarina @ 4 maraina ande iomana iasa?
fenarana etsy an-daniny?
xxxx ka zay no mba evitro...apio izy..fa aza atao miasa....surtou ko mo ra mpifankatia ianareo.
:-D tonga de sox par mois
9. pika ( 08/11/2005 09:32)
ny sady miasa no mianatra mantsy anie efa any @ kilasy ambony e fa tsy mbola aty @ base sady mba ireny efa matotra tsara ireny
fa ampio araka ny tenin'i zefalah
10. jon ( 08/11/2005 11:57)
fa izy ange efa be taona 26 ans
11. booboo ( 09/11/2005 16:27)
lé raha karazan'ny BTS na BEP na CAP reny angaha oun tsy manintona azy ? Na cours par correspondace ? Fa aiza no misy azy raha tsy mahadiso ?
12. jon ( 10/11/2005 13:33)
aty toamasina ka
13. eprom ( 15/11/2005 05:36)
Tena aleo aloha lery hikandra. Raha mahangombola lery de izay vao mianatra indray. Formation professionnelle mantsy no tokony ataony. Langue ao @ Celva ohatra na meca auto ao @ CPJS.
14. ari.malala ( 15/11/2005 11:58)
henjana b zany... refa zatra nandray vola ny tanana d adino ny fianarana, fa ra misy ol vonona hanampy d ny mianatra alo no tsaratsara kokoa, fa refa tena ts fidiny d aleo sady mianatra no miasa, d cours professionnelle marina no atao d @zay tonga d oriente @ asa izy. mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1212