Aona ty raha ato frantsa ty euh

21. pitchou ( 14/11/2005 21:26)
ary mba avelao koa moa ny bandikely hirevy fa tssss! nareo kou
22. mandrindra ( 15/11/2005 16:03)
fijo:

maninona ary ireny no tsy ataon'ny vazaha toa ny nanaovan'ny majunga ny koma???izay ihany no maha fay an'ireny.

satria ny frantsay sady kanosa no kerisay. ry zalahy no tompontrano mihono.
23. fijo ( 15/11/2005 22:04)
le fitsaran'ny us koa aloha ,fitsarana amin'ny maso mitongilana e.valifaty tamin'ny tsy nanampiana azy tamin'ny geran'ny irak ny azy io.
mandrindra ,marina mihintsy izany
24. mandrindra ( 16/11/2005 14:58)
tamin'ny fiandohan'ny korontana izao nisy mosquée noravain-dry jomaka, dia nikabary chirac. Omaly alina nisy eglizy may dia tsisy miteny ny fitondrana.
25. fijo ( 16/11/2005 23:00)
izay mihintsy le olana be.mandefitra loatra ny vazaha amin'ireo varatra ireo.
26. rabejo ( 17/11/2005 10:53)
Ny zavatra tokony ho fantatra kosa aloha dia izao e :
Ireo tanora avy @ cités resahana ireo anie ka tsy toy ny ray aman-dreniny hoe tonga taty Frantsa hila ravinahitra e ! Ny ankamaroan'ireo dia teraka taty Frantsa, niaina foana taty Frantsa. Ny sasany aza tsy mbola nahita akory izay tany niavian'ny rainy aman-derniny akory. Noho izany dia mihevitra mihitsy rizareo hoe tokony ho frantsay tanteraka.
Ny zava-misy anefa hatr@izay dia nisy foana ny fanavahana izay nandeferan'ireo ray aman-dreny fa tsy azon'ireo taranaka intsony.
Marina fa misy koa ny hetraketraka efa mahazatra ny sasany fa eo koa ny fanilihana sy fanavakavahana mampitroatra an-drizareo.
Farany dia misy koa ny ambadika politika ohatran'ny misy any Dago rehefa mialoha ny fifidianana goavana io e ! Jeren'ny mpanohitra izay mety ho atouts-ny adversaire dia potehiny. Na koa hoe atao izay hisian'ny trangan-javatra hampisongadina ny politikan'ny tena dia miakatra ny côte e ! Saingy lasa lavitra izy ity satria samy fetsy. Ao koa moa ny fitiavana hamaha ny olana @ sans pap's sy hamaroan'ny vahiny tsy dia tiana loatra dia araraotina eo daholo e ! Tsy te-hanonona anaran'olona Mpitondra ambony frantsay aho fa raha nanara-baovao ianareo dia miakatra be ny côte-n'ilay zalahy io izao noho io afera io satria lasa miray hina tampoka ny hery ankavanana rehetra.
Fehiny : ho an-tsika gasy na inona na inona dia aza manantena mihitsy hoe hitovy @ tena frantsay fa mahaiza manaja tena raha mbola azo leferina ihany e !
27. fijo ( 17/11/2005 22:30)
ka raha mahatsiaro tena ho frantsay izy dia tokony hanaja ny frantsay toa azy.ny lalana frantsay,ny fomba fiainana frantsay,ny fomba fisainana frantsay.
fa tsy hoe za frantsay ,nefa "nique la france"
tsika gasy anie milamina e.ngaha tsika misy maninona,fa nahoana ry zareo no mila gidraka foana????sa izay no fomba fisainana efa nahazatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811