hjra hopitaly mampijaly!

1. jentilisa ( 05/11/2005 09:00)
Ny Hopitaly Ravoahangy no lazaiko eto. Nisy nitondra olona torana nankao amin'ny urgencesn'io hopitaly io tamin'ity herinandro ity. Rehefa tonga tao ny nitondra ny marary dia novalian-dry zareo tao tsotra fotsiny hoe: Tsy andraikitray ireny fa ento any Befelatanana.

Tezitra noho izany teny izany ny rain'ny nitondra marary ka niantso ny rahalahiny (cousin) izay niasa tao. Vao nahita an'i Dokotera ry zareo tao dia edrey izany fikoropahana! adino tery ilay teny hoe tsy andraikitray io fa ento any Befelatanana.

Rehefa tsy manana havana ao izany dia aiza ny zon'ny marary? mba fomba fiasa ve izany? antsika ny mieritreritra!
novalian'i jentilisa ny 09/11/2005 07:32
2. xxx ( 05/11/2005 21:49)
tena marina izany ary mampanotany tena hoe raha ny fianakaviany moa no andalovanjavatra toizany mba ahoana ny hataonay , mahalasa saina ihany
3. zakilinina ( 06/11/2005 10:52)
Anisan'ny mahita faisana amin'ny kolokolo sy risoriso ny tontolon'ny fahasalamana.
Tokony hitsangana ho vavolombelona izay rehetra mizaka ny mafy noho izany mba entina hiadiana amin'ny fanafoanana azy. Ity raim-pianakaviana ity sy ny cousin-ny dokotera ohatra dia tokony hanana herin-tsaina hitondra tatitra any amin'ny Bianco. Marihana anefa fa sarotra izany satria mpiara-miasa ireo toriana ary hahasitrana ny marary koa.
4. sipagasy ( 06/11/2005 17:52)
kay le asio ampamoaka izany e!!!!
5. pika ( 07/11/2005 04:47)
tsy tadidinareo ve ilay ramatoa nitory toy izany
nanafaka madio2 anefa ny fitsarana satria koa moa professeur manampahaizana tsy ahitana izay asolo azy eto dango io notoriana io dia izay
atody tsy afaka ny hihady amambato
ny 99andro no azy fa ny 1 andro kosa an'Atra no tsy zakany e
6. Angie ( 07/11/2005 11:11)
Marina ny an'i pika, fa na izany aza tokony ho toriana any @ manampahefana foana izay oul manao izany mba entina tsikelikely hanazarana ny malagasy @ rariny sy ny lalana indrindra fa ireo mpiasam-panjakana izay miasa ho an'ny vahoaka, kanefa tsy manaja akory ny zo maha olombelona
7. mandrindra ( 07/11/2005 14:28)
ka ireo manampahefana hitorina azy ve aloha madio sy mba tena miasa e, sa horakoraka angazety fotsiny no tena ataondry zalahy bianco?
8. bichette ( 07/11/2005 14:30)
nefa zao raha vao mampiseho vola tonga dé : "iny iny misy marary karakarao ry zalah a" :°)
9. pitchou ( 08/11/2005 17:16)
ny ety angamba dia anaovana lahatsoratra an-gazety! tsy voatery hanonona ny anaran'ireo mpitsabo ireo fa omena mazava tsara ny daty sy ny ora dia samy mahafantatra ny rehetra
10. Herimiafina ( 09/11/2005 05:30)
Gravy mintsy le recouvrement des coûts nasian'ny ny banky mondialy harahinstsika an, aiza ny politika sosialy?
11. jentilisa ( 09/11/2005 07:32)
Zoma ilay andro e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1987