dia izay mitaky ve dia .......

1. pika ( 03/11/2005 07:51)
mba nanaitra ny saina ihany ny naheno fa nesorina tsy ho mpiasampanjakana intsony ny filohan'ny komitin'ny mpiasampanjakana raha mba nitaky efa ho 2taona izao ny mba hanondrotana ny karama farany ambany
nefa iaraha mahita ny fidangan'ny vidimpiainana ....
aiza ny fahalalahana

novalian'i Angie ny 07/11/2005 11:27
2. jentilisa ( 03/11/2005 08:03)
Zany ve? iza moa izany? ilay filohan'ny "cc" ve sa olona hafa?
3. pika ( 03/11/2005 08:04)
izy indrindra
4. jentilisa ( 03/11/2005 08:07)
Sao dia izy ilay manao be vava loatra ary? Izy manko tamin'ny 1 mey iny saiky karazan'ny nijapy dia niatahan'ny fiaraha-mientana sendikaly nanafoanan'ireto farany ny fihaonana saiky natao tao amin'ny kianja mitafo! ka zaran'ny fanjakana aza!
5. pika ( 03/11/2005 09:53)
izay atsipirihiny aloha tsy fantatra fa ny tatitry ny mpanao gazety sy ny fanazavana nomeny io entina eto @ vaovao tselatra io
izany no angatahina ny feon'ny hafa indrindra moa ny fanjakana mba tsy hihainoana ny feondakolosy tokana
fa raha marina izay voalaza dia tsy :evil:ny fanjakana
6. jennifer2 ( 03/11/2005 23:57)
Fa iza marina zany cc na filohan'ny komitin'ny mpiasam-panjakana zany e! miala tsiny fa tsy de mpanara-baovao de tsy mahalala e. Mba te ahalala ny anarany fotsiny aho zany e!
7. pika ( 04/11/2005 05:38)
Ramamonjisoa no anarany vao nanao fihaaonana t@ mpanao gazety izy omaly
8. tangalamaitso ( 04/11/2005 06:18)
Dia aleo tokoa aloha hadiadiana tsara izay tena antony marina e! Zavatra mahaliana ahy izao hoe inona avy ireo anton-javatra ahazoana mandroaka olona iray tsy ho mpiasam-panjakàna. Mitovy @ any @ orin'asa tsy miankina @ fanjakàna ve sa mety misy mampiavaka azy ny fandroahana mpiasam-panjakana. raha mba misy mahay lalàna ianareo namana dia mba ampahalalao ireo lalàna mikasika izany aho fa mahaliana. Avy eo aho va mba afaka manome ny fomba fijeriko izany raharaha izany. Misaotra mialoha ry namana a!
9. pika ( 04/11/2005 08:02)
ny fahalalako azy dia misy ampiakarina CODIS toy ny orin'asa rehetra mety hisy ny fampitandremana ...
oh hoe mandao tsy eo @ toerampiasana tsy nahazahoana alalana, manda tsy mety mandeha raha afindra toerana, manodikodina volampanjakana na volambahoaka,...
ka io indrindra no mampagaga sy mba angatahako fanazavana hoe raha mitaky mba hanondrotana karama ve dia .... ny any @ zone ilana vanony raha manao izany aza efa tsy fidiny
10. baholy ( 04/11/2005 11:09)
Ho hazavaiko ary : i Florentin Ramamonjisoa dia mpiasan'ny université d'Antananarivo talohan'ny naha -Dir Cab azy tao @ Fonction Publique .
Taorian'ny greve 2002 dia lasa Dir cab izy tao @ Fop araka io voalazako io! nony avy eo anefa 1an après dia nalana tsy ho dir cab izy noho ny antony fantany tsara (toetra, incompetence,......)dia niverina teny Ankatso indray !
Tsy niakatraka teny mihintsy izy , tsy niasa , hany ka nahazo DE! nefa tsy namaly izany !dia niakatra CODIS satria nanao abandon de poste en tant que Fonctionnaire !izany hoe ny université no nitory azy !
Tsy misy hidiran'ny fitakiana hataony izany io fa fanarotsaromana zavatra fotsiny izany !
Sady tsy miasa izany izy nefa mandray ny karamany ihany !
Izay rankizy a! aza dia mihinana am-bolony sy marivo salosana fa en tant que mpiasam-mpanjakana ianao dia manompo ny fanjakana !
11. jentilisa ( 05/11/2005 08:33)
Be mihitsy ny mpiasan'ny oniversite no mpingitrika an!
12. pika ( 07/11/2005 04:44)
koa mba tsy hihainona ny feondakolosy tokana no nampanitikitika ny saina hanontany
satria mantsy nanao valandresaka t@ mpanao gazety rangahy io dia izay no nambarany
ny fanjakana anefa na ny sampandraharaha mifanaraka an'izany tsy nahenoina teny dia izay
13. xxx ( 07/11/2005 04:52)
mampalaelo fa ny sasany tsy mba hoe mingitrika fa sady tsy mahavita ny asany no mihinana ny fananam-panjakana sy volam-bahoaka, entiny mitsangatsangana. Fa ny ngeza tsy mba voatohitohina mihitsy na inona na inona ataony e! Aiza ary ianao ry BIANCO? Aza manao mizana tsindrina ila!
14. Angie ( 07/11/2005 11:27)
Raha ny tokony ho izy dia tokony ampiharina @ asa rehetra io hatrany @ planton (izay tena miasa mafy)ka trany @ directera (maro ny fantome)manana secretera bedebe. Tokony esorina daholo izay rehetra tsy mahavita azy koa. Misy mpiasam-panjakana miasa birao zao nefa dia français- na chat sy sinoa no ampiasainy. maro ireo tafiditra fonctionnaire satria mahitahita tao... Izany rehetra izany no mbola mahtara ny firentsika @ lafiny maro satria samy tena foana no jerena aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1177