teny malagasy

1. pissoa ( 02/11/2005 17:50)
manao ahoana o,
mba misy afaka manazava ve :

1 - rehefa misy manontany ohatra hoe:
ianao angaha tsy nanao entimody?
ka mamaly ny ianao hoe an an an dia inona no dikany - "nanao entimody" sa "tsy nanao entimody" ianao?

2 - rehefa miteny hoe
"tsy taha-joky ka hitsotro lava"
dia ilay zoky ve "mpisotro lava" sy "tsy mpisotro"?

ohatran'ny manahirana ahy ny mahazo ny tiana ho tenenina amiko rehefa misy an'ireo.

mankasitraka
novalian'i eprom ny 14/11/2005 15:13
2. Veloo ( 02/11/2005 20:02)
inn aky ireo teny ireo ?
3. Veloo ( 02/11/2005 20:07)
tena serieux e tsy fantatro mihitsy an..tsy mamazivazy aho aky a
4. zakilinina ( 02/11/2005 20:22)
Mitombona ny fanontaniana satria manjavozavo ny valiny ka mampisalasala. Araka ny hevitro dia misy "abus" matetika ny famaliana "eny" ny valin'ny fanontaniana "tsy".

Fanontaniana : ianao angaha tsy nanao entimody?
Valiny : an an an (na tsia)
Dikany : nanao entimody.

Fanontaniana : ianao angaha tsy nanao entimody?
Valiny : eny
Dikany : tsy nanao entimody.
=================================
"tsy taha-joky ka hitsotro lava"
Mampisalasala ahy izy ity.
Ny "taha-joky" angamba aky ry veloo dia fanakambanana ny teny roa hoe tahaka sy zoky (milatsaka ny ka).
Toa arakarak'ilay zandriny angamba no ijerena azy. Mifanohitra ny toetran'izy miarahalahy.
zandry mpisotro / zoky tsy mpisotro
zandry tsy mpisotro / zoky mpisotro
5. hery ( 02/11/2005 22:45)
Somary hafa tokoa ny teny malagasy amin'io fandavana indroa io (double négation).

Ny frantsay mantsy misy an'ilay hoe "Si"

Amin'ny frantsay
Tu n'as pas fait tes devoirs?
Si (je les ai faits)
Non (Je ne les ai pas faits)

Amin'ny teny gasy
Ianao angaha tsy nanao entimody?
Ie (tsy nanao aho)
Tsia (nanao aho kah)

Ny mora ahazoana azy dia tohizana tahaka ireo nanaovako azy ireo.
6. pika ( 03/11/2005 04:30)
ny an3 dia midika hoe tsia na fandavana ilay nnotenenina izany hoe mifanohitra @ fanontaniana ny vazliny: tsy nanao entimody ?
raha an3 zany dikany nanao entimody
rq tsy dia tsara loatra ny mamaly hoe an3 fa aleo miteny mazava izany koa ary tsy dia teny gasy ny hoe an
"tsy taha-joky ka hisotro lava" raha karazana ohabolana io na fomba fiteny dia mety hisy dikany arabakiteny hoe ilay zandry izany mpisotro lava mihoatra ny zokiny
mety azo raisina araka ny heviny fotsiny hoe misy tsy hitovizany ny zokiny sy ny zandriny @ lafiny toetra oh
7. cutie ( 03/11/2005 04:41)
raha misy manontany za : enao nga tsy nanao enti-mody? de ny havaliko we : an an an
dikan'io amiko tsy nanao enti-mody
le faharoa io indray tsy haiko .
8. fijo ( 03/11/2005 05:40)
ity lazain'i cutie ity no izy.
tsy mamaly intelo hoe "an an an izany isika,fa roa ihany.
"an an".ny dikany dia fandavana.
oh:elah ngah tsy mbola nikaly?
valiny:an,an=tsy mbola nikaly aho ka
9. pika ( 03/11/2005 08:00)
:lol: rehefa mamaly izany dia aleo atao mazava tsara raha izao no fandehany fa toa samy manana ny fandraisany azy
raha iray oh ny tiako ambara hafa ny eritreretin'i fijo... hafa ny eritreretin'i zakilinina ....
10. pissoa ( 04/11/2005 06:22)
aleo marina ny hevitry i pika sy hery zany no arahina - na ilay 1 na ilay 2 - tenenina lava tsara ny fehezan-teny tsirairay
misotra eeeeee
11. estine ( 10/11/2005 08:13)
ny olana anie ampitahaina @fiteny frantsay oloha vao adika @gasy no ipetrahan'ny olana @fitenenantsika noho izany mila mianatra fitsipi-pitenenana isika
12. eprom ( 14/11/2005 15:13)
Tsy gramera malagasy akory no hoentiko eto fa ny fampiasan\'ny malagasy ny teniny eo amin\'ny fianana andavan\'andro.

pissoa:

manao ahoana o,
mba misy afaka manazava ve :

1 - rehefa misy manontany ohatra hoe:
ianao angaha tsy nanao entimody?
ka mamaly ny ianao hoe an an an dia inona no dikany - \"nanao entimody\" sa \"tsy nanao entimody\" ianao?

Ho an\'i Malagasy : ny an3 na tsia de entina milaza zavatra tsisy na tsy natao fa tsy fandavana ny petra-kevitra ao anaty fanontaniana akory. Noho izany raha manao an3 ny mpamaly de tsy nanao entimody izany izy. Azafady fa matematika no anazavako azy.
Raha manontany isika hoe x?
Ho an\'i frantsay , ny hoe non de milaza hoe -x,
Ho an\'ny malagasy, ny tsia ( na an3) de -|x|.
Raha nanao entimody indray moa izy de tsy valiana mihitsy hoe \"Eny\" fa \"nanao\" na \"efa nanao\" no valiny.

2 - rehefa miteny hoe
\"tsy taha-joky ka hitsotro lava\"
dia ilay zoky ve \"mpisotro lava\" sy \"tsy mpisotro\"?
ohatran\'ny manahirana ahy ny mahazo ny tiana ho tenenina amiko rehefa misy an\'ireo.
mankasitraka
[/quote]

Makà ohatra hafa : \"TSY adaladala monina Ankaratra aho KA tsy ahalala sahondra ho vaky\". Mazava eto fa ny adaladala monina Ankaratra de tsy mahalala sahondra ho vaky. Raha raisina amin\'io fomba fiteny io, ny hoe \"TSY taha-joky KA hisotro lava\" de midika fa ny taha-joky de misotro lava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5725