Ahoana ity fitsarana Baolina Kitra ity e!

1. RHTP ( 02/11/2005 06:11)
Inona no tokony hatao mba hanatsarana ity fitsarana baolina kitra ity e! Amiko ny fitaovana aloha tena tsy ampy satria marihiko eto fa mianto-tena ireny mpitsara ireny eo amin'ny Equipements izay ilaina; koa ahoana izany ireo tsy ampy vola hividianana izany? Dia asa angaha fa raha izao fiainana sarotra izao dia inoako fa ny hamelomana tokantrano aza tsy ampy ko halefa amin'izany indray ve.
Asaiko ianao mba hiara-hitady vahaolana amiko e!:)
novalian'i RADOUXE ny 27/11/2005 14:34
2. jentilisa ( 02/11/2005 08:22)
Inona ilay tianao holazaina fa tena tsy azoko? angaha moa ireny tsy mahazo indemnité?
3. pika ( 07/11/2005 04:18)
ny fahafantarako azy dia mahazo indemnité ireny isaky ny mitsara baolina iray
ny mpanao fanatanjahantena no tena soavaly miantobilina fa ireny aza sady mba mahazo vola no mangalatra na miangatra voakarama manokana angamba indraindray na tsy maharaka tsara ny zava-misy eo ambony kianja
4. raanja ( 25/11/2005 20:20)
Amiko indray dia samy mahay daholo ny mpitsara malagasy, saingy efa diso hidiran'ny vola loatra ny tontolon'ny baolina kitra, hany ka lasa tratran'ny "pression" ry zareo rehefa mitsara baolina.
5. RADOUXE ( 27/11/2005 14:34)
Amiko alo refa te anao zavatra d mila miaritra fone zany kory tsy midika oe atao tsinotsinona ny tokatrano fa refa tina ny zavatra ray am le mpitsara io d manao ezaka d zay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1539