ny finoana sy ny nofy!
21. yonikafopl
(
01/11/2005 17:53)
asa ianareo fa za matetika rehefa misy zavatra mitranga , dia mahavariana ahy fa toa efa niainako taloha io zavatra io, ela aho vao tonga saina fa toy ny nandalo tamin'ny nofiko ilay izy. Fa ny nofiko matetika de za manidina na koa za maty de za ihany no mandevina ana, asa ratsy be hono io nofy farany io nefa dia matetika mihintsy za manonofy an'io an, fa ny hitako kalou de ze zavatra ataoko rehetra an, toa milentika dia milentika foana ary mahakivy mihintsy njainjay :cry::cry:
22. jentilisa
(
02/11/2005 08:40)
Izahokoa dia efa nisy nofy tahaka izay. Fa amin'ny ankapobeny dia heveriko hoe nisy fiainana na fanao tian-kalevina na voalevina izay! Eo koa ilay hoe mety misy ny toe-pahasalamana! izay indrindra ange no nanokafako ity loha-hevitra ity e!
Izaho dia be tokoa ny zavatra iaianako no toy ny efa nofisiko izany tamin'ny mbola kely ary tena tsaroako mihitsy indrindra rehefa miatrika azy aho!
Mbola misy olona hafa niaina ny tahaka izany ve? sa misy zavatry ny siansa afaka manazava izany?
Izaho dia be tokoa ny zavatra iaianako no toy ny efa nofisiko izany tamin'ny mbola kely ary tena tsaroako mihitsy indrindra rehefa miatrika azy aho!
Mbola misy olona hafa niaina ny tahaka izany ve? sa misy zavatry ny siansa afaka manazava izany?
26. jamal
(
02/11/2005 18:56)
Amiko aloha tsy azo ho mitovy lanja ireo teny roa ireo.Ny nofy dia mety ho ara-tsiantifika,mety ho vokatry ny "subconscience" (tsy haiko @ tenintsika),mety ho ara-psykolojika .Izany hoe mbola voafehy anatin'ny "toetra" iray zany ny nofy.
Ny finoana kosa dia Ianao,Izao miatrika ny tsy hita maso.Ny finoana dia aran-tantara ary izay nanoratra ireny baiboly ,tôrany,korany ireny dia ny mahay indrindra raha samy nofo sy rà.
Ny olana tatoato dia ry fpvm sy ry fjkm.Ny finoana protestanta anie ka katolika rômana nisitaka e!ka efa manaranaka moa ilay fombafomba ka dia niteraka etsy sy eroa (zony tokoa zany).Ny lamba maloto an-tegna sasana an-tegna fa baraka ho an'ny finoana protestanta rehetra fotsiny zao.Mila mametraka fenitra ny fjkm raha te-haharitra fa "sign de destabilisation"an'ny finoana protestanta zao.
Ny finoana kosa dia Ianao,Izao miatrika ny tsy hita maso.Ny finoana dia aran-tantara ary izay nanoratra ireny baiboly ,tôrany,korany ireny dia ny mahay indrindra raha samy nofo sy rà.
Ny olana tatoato dia ry fpvm sy ry fjkm.Ny finoana protestanta anie ka katolika rômana nisitaka e!ka efa manaranaka moa ilay fombafomba ka dia niteraka etsy sy eroa (zony tokoa zany).Ny lamba maloto an-tegna sasana an-tegna fa baraka ho an'ny finoana protestanta rehetra fotsiny zao.Mila mametraka fenitra ny fjkm raha te-haharitra fa "sign de destabilisation"an'ny finoana protestanta zao.
27. jentilisa
(
03/11/2005 06:32)
Andao ary atao resaka nofy fotsiny indray aloha! sao dia misy ny nofy manambara tsy fahampiana otrik'aina ao anatin'ny tena? sao dia misy ny hoe mahatsiaro reraka foana ohatra ao anatin'ny nofy dia midika izay hoe tsy ampy vitamina ohatra fa tsy voatery ho izay an!
28. estine
(
03/11/2005 07:03)
anisan'ny manandanja eo @psychiatre ny fanazavana ny nofy iza hitny S. Freud ny 4 11 1899 ary hitany tà zany fa ny nofy dia afaka manazava zava misy miafina(réalité cacher) zany hoe manandanja ny nofy @ olombelona
29. jentilisa
(
03/11/2005 07:58)
Ka izay indrindra! efa ho zato taona ny nampivoarana ny psychiatrie. Eo indrindra isika: azo atao ve amin'izay fotoana izay ny manamaivana ny nofy indrindra fa izay tadidy fa ny tsy tadidy moa inona no ivakiana loha amin'izany? sa satria efa olon'ny mazava sy ny siansa dia atao bambaray ny nofy?
33. bnoty
(
10/11/2005 05:55)
Araka ny voalaza eo ambony ireo \'zany dia izay mihitsy, ny nofy dia misy karazany, ao ny zavatra niainanao tao anaty ny tontolo andro dia lasa nofisinao, ao ny nofy ririnina, ao kosa anefa ny nofy \'lay atao hoe: tsindrimandry \'zany hoe: tena tadidinao daholo \'lay nofy ary rehefa miseho \'lay izy vao fantatrao hoe:ity \'lay nofiko!, io farany io dia fampisainana ny olombelona \'zany fa misy zavatra hitranga , ka anjaranao \'zany no miàla raha toa ka loza ohatra no hiseho satria efa fantatrao t@ lay nofy lay izy, raha tsara kosa moa no miseho dia fantatrao mialoha ny tokony hatao. Tsy hoe: taloha ihany no misy izany fa na ankehitriny aza misy fa saingy refa tanteraka moa ny an\'ny sasany \'lay nofy vao hoe: tena nofiko mintsy tokoa iny zavatra niseho iny!, ny tiako hambara \'zany dia tena misy \'lay nofy fahatelo io, satria efa niatra tamiko: taloha \'zany nisy olona niaraka tamiko, dia izaho zany moa sady mianatra, tena matoky tanteraka azy mihitsy, mahagaga anefa fa manofy azy miaraka @ olon-kafa aho dia tsy hitako ny tarehin\'ilay olona, izaho anefa tena tsy tao an-tsaiko mihitsy na nihelina tao an-tsaiko hoe: mampirafy ahy izy, fa rehefa taty aoriana rehefa nisaraka izahay, izay vao fantatro hoe: t@ ireny fotoana ireny kay efa nampirafy ahy izy fa zany oé tsy noraharahiko \'lay nofy é!. Dia tena tonga saina aho hoe: hay marina \'lay nofiko ireny é!, Fa mampisaina lay nofy zany indraindray é, nefa miankina @ tsirairay ihany io
34. jentilisa
(
10/11/2005 10:03)
Ny nofy fahazaza no betsaka niainako rehefa lehibe aho. Izay no nahavariana ahy. IO nofy enjehin'ny omby masiaka io anie ka midika adin-tsaina lalina raha tsy diso aho e! misy zavatra tiana sakanana ohatra.
Misy izany tanàna nohitsahiko tsy fantatro izany fahanofy fa avy eo tena hitako ilay tanàna vao gaga aho. Tsy efa niaina tahaka izany ve ianareo?
Misy izany tanàna nohitsahiko tsy fantatro izany fahanofy fa avy eo tena hitako ilay tanàna vao gaga aho. Tsy efa niaina tahaka izany ve ianareo?
36. yonikafopl
(
10/11/2005 13:27)
jentilisa, za kou wa otranzany mihintsy, misy olona iresahako tam nofy an, tsy haiko sy tsy fantatro, asa nareo raha manonofy miresaka am olona tsy fantatrareo fa hitanareo ny akanjo anaovany, tadidy ny feo sy fomba firesany. fa tena aty aoriana dia mitranga tokoa ilay izy, de le tany am nofy efa elabeee, tonga saina we efa hitako sy nitranga tamiko izao zava miseho izao, hay kay mou le izy tam nofy no hitako.
37. jentilisa
(
11/11/2005 08:27)
Tena misy misiteriny mhitsy io nofy io. Lazaiko anareo fa nisy olona saiky namono tena no voavonjiko satria nisy nityeny ahy tamin'izaho nanonofy hoe mankanesa ary amin'iry toerana iry amin'izao ora izao fa misy olona mitady anao eo.
Inona hoy ianareo no nitranga...tena teo amin'ilay toerana mihitsy ilay olona ary soa ihany fa nahita ahy izy tamin'io fotoana io.
Na izaho na izy samy gaga rehefa nilazako azy hoe nolazaina aho hanatona anao tamin'ny 17h30 ETO. Olona mifankafantatra izahay...
Inona hoy ianareo no nitranga...tena teo amin'ilay toerana mihitsy ilay olona ary soa ihany fa nahita ahy izy tamin'io fotoana io.
Na izaho na izy samy gaga rehefa nilazako azy hoe nolazaina aho hanatona anao tamin'ny 17h30 ETO. Olona mifankafantatra izahay...
38. namanao
(
17/11/2005 14:48)
ia misy interpretation amiko ny nofy. Fa misy sokajy maro le izy araka ny voalazan'i Hery. Mety noho ny zava-niainana, na koa fahasalamana , sns, ary tsy hadino moa ny hoe hafatra avy aminin'i Tsy Toha. Ny hany azo ambara dia izao: raha avy amin'Andriamanitra ny nofy (misy heviny) ampitainy aminao dia tsy maintsy tsaroanao izany ary mahalasa saina anao kanefa tsy izay toy izay dia avy aminy avokoa; Io koa anefa tsy hoe tsy maintsy tena kristianina mpivavaka be vao hampahitan'Andriamanitra nofy mitondra hafatra( ohatra Nebokadenezara ). Raha ny hevitro ny ahafantarana fa avy amin'i Jehovah tokoa ny nofinao dia ny mivavaka aminy ary mangataka famantarana(dikany ihany koa) avy aminy.
jentilisa
jentilisa
39. jentilisa
(
18/11/2005 10:17)
fa misy ny azo iviliana koa raha ny fijeriko azy! na dia sarotra aza izany!
40. hertix
(
07/01/2006 06:57)
Tena mahalasa saina ny nofy fa indraindray izy ireny tsindrimandry, indraindray filazàna, indraindray koa anefa dia tsy misy tohiny. Izaho ohatra izay zavatra nofisiko @ alina dia miseho ny ampitson'io. Isaorako an'Andriamanitra fa zavatra tsara avokoa. Indray mandeha koa aho nanonofy niaraka nivoyage t@ reniko efa maty, dia nividianany akanjo mafana fa tsy hiverina intsony hono, dia tapaka ilay nofy avy eo. Sns ...
