tsy mbola fotoany izao hoy ny TIM

1. pika ( 25/10/2005 05:32)
moa ve hampandroso an'ny dango ny tsy haneken'ny TIM fa mbola tsy ilaina ny famontsorankeloka t@ resaka politika teo, ny lalampifidianna izay notsikerainy fa tsy mety dia rehefa tonga teo @ fitondrany izy dia lazaina indray fa avelao io ihany aloha no eo:roll::?:
tsy ilaina ny tetezamita satria mbola matoky tena hoe ny atsasamanila ny vahoaka dia mbola momba azy ireo ihany
toy izany ihany ny nahavoan'ny deba matoky tena fatratra ka tokony ho tonga saina ihany ry zareo fa sao lahy ka hanenenany ny sahy mirotsaka andalambe efa mitombo isa ny mbola tsy sahy fa mimenomenona kosa anefa efa tsy voaisa

novalian'i gasmlay ny 29/10/2005 12:47
2. dadabe ( 25/10/2005 06:37)
:^)
3. pika ( 25/10/2005 07:50)
iza aloha no ma.... an'i dadabe eo e :-w
4. ravatorano ( 25/10/2005 10:13)
ny amnistie aloha dia tokony izay tsy nanao heloka d avoaka tany jiaby zalah fa izay niaky sy nahitana porofo kosa d aleo any tanteraka fa hé zany izy efa nanao ratsy
ny lalampifidianana indray dia izao iza moa no fitondrana tsy nitsipaka an io nefa io ihany no nahavoafidy azy ka raha tonga eo amin'ny toerana izany izy d tsy ho kitihina mihitsy io lozika izany na d hita fa tsy masaka aza;
ny tetezamita indray amiko d aleo tapitra ny mandat-ny eh d avieo mifidy izay manakaratra fa aza midongy any antrano any fa fidio izay revena mba tsy ho latsapanenenana indray avy eo na hiteny hoe nareo no nifidy an io
Eto amitsika izany dia tsy maintsy misy fidinana andalam be foana fa tsy hahandry mandat
marina fa tena mikaikaika ny malagasy ary ny tenako isan izany saigy zà afaka mitsara izay mpitondra eo aminj'ny fififdianana izay ataoko.
Izay fa raha resaka we mbola misy vaoaka atsasaman ila any aminy sy hoe nahazo vahoaka b ny mpanohitra tatsy sy tary mbola manjavozavo zany amiko.
5. mandrindra ( 25/10/2005 10:14)
Famotsorankeloka : raha toa ka nandika lalàna (vono olona, halatra,...) dia tsy omena, fa raha ohatra kosa ireo izay hoe naneho ny heviny fotsiny hanoherana dia tokony votsorana satria izany no fahalalahana.
Tetezamita : efa nisy tamin'ny 1972, 1991 ary 2002; hita izao ny vokany fa tsy fahombiazana ara-ekonomika foana no aterak'ireny. Noho izany tokony hiandry fifidianana, sady efa herintaona sisa. Indrindra moa raha mahatoky ny mpanohitra fa be ny hanaraka azy.
6. Lalakely ( 25/10/2005 12:07)
voalohany koa tokony mba jerena ihany hoe: iza sy iza aby moa ireo tokony havela na homena famotsorana sao die ireo efa nampijaly tamin'ny 2002 iny no mivoaka eo ka izay vao ho afobe ny nosintsika. izaho koa tena mankasitraka mihitsy an'ilay hoe minadry ny mandat ho lany. mba farafaharatsiny lesona hoan'ny fifandimbiasan-toerana. mijaly, mijaly ny gasy nefa raha hirotsaka aloha eo dia ho depart 0 indray. dia ho loza koa, mahareta kely ry mpanohitra fa hanana ny tsara a!
7. pika ( 25/10/2005 14:12)
miombonkevitra aminareo saingy na izany aza heverina fa tokony mba ho taitra ihany ny mpitondra fa tsy manao be marenina sy mijery nefa tsy mahita
8. Laholo ( 25/10/2005 16:19)
Ny aminiTsiti dia lalana iray hivohana amin'izao olana izao. Satria tsy ny mpomba an'i Ra1010 irery no nanao ny tsy mety. Raha mitovy ny fitsarana ireo meoloka rahetra dia avelao samy tompon'andraikitra amin'ny zavatra ataony. Indrisy anefa, fa ny meloka ka mpomba an'ingahy Ra8 dia izy ireo indrindra no tsy manaiky ny famontsoran-keloka.
"Tiavo ny faha8nao "
Tetezamita, Ilaina rah ohatra ka tsy ireo olona mitaky azy amin'izao no mintantana an'izany
Lalam-pifidinana, toy ny fitivan-jaza, raha tsy eo amin'ny fitondrana dia hodin-tsitia rahefa tonga eo kosa dia tambatambazina.
9. nanourand ( 25/10/2005 16:42)
:-w tsy mila aministia aministia zany eo eee! Tsy mbola mety @ tsika gasy zany aministia zany, jereo fotsiny hoe iza avy no notanana t@ 91 dia iza avy no navoaka t@ 97 ... Dia inona no nataon'zareo avy eo?
Ny mitady vola anasivana gasoil an'JIRAMA zao no pb, sady ny tena gravy toa tsy tratran'i delestazy eny faravohitra eny mahagaga ann!

10. nanourand ( 25/10/2005 16:50)
:-w tsy mila aministia aministia zany eo eee! Tsy mbola mety @ tsika gasy zany aministia zany, jereo fotsiny hoe iza avy no notanana t@ 91 dia iza avy no navoaka t@ 97 ... Dia inona no nataon'zareo avy eo?
Ny mitady vola anasivana gasoil an'JIRAMA zao no pb, sady ny tena gravy toa tsy tratran'i delestazy eny faravohitra eny mahagaga ann!

11. jajaf401 ( 26/10/2005 04:07)
zay ilaina kosa tokony ho votsorana eh!!
12. pika ( 26/10/2005 05:15)
izay tsy nandatsandra kosa tokony ho votsorana e
aiza moa no handroso raha mbola variana mifanenjika eto foana fa tsy tokony miaramiasa
resaka politika anie io e
ny mitondra @zao aza mety ho .... noho ireo
hors sujet: tsy misy delestazy eny faravohitra satria misy anra8 sy ny misy an'ny MBS
tapahana foana ny eny anosizato satria misy ny TV PLUS izay mihezaka mamoaka ny zava misy marina
13. zakilinina ( 26/10/2005 17:45)
Ny famotsoran-keloka fahobe takian'ny sasany dia vao maika hanome vahana ny tsy fahamarinana ao amin'ny fitsarana malagasy. Dia eken'ny sain'ny sasany ve ny hanafahana madiodio olona, hitam-poko hitam-pirenena tamin'ireny korontan'ny 2002,namono olona maro ?
Tsy midika ve izany fa hoe rehefa misy ny korontana dia ho azo atao ny mamono olona ?
Tsy midika ve izany fa hoe rehefa misy ny tsy fahafaliana dia ho azo atao ny mamono olona ?
14. pika ( 28/10/2005 06:03)
non tsy dia izay hoe nandatsandra na nanao vola sandoka ..akory fa ireo hejehina nohon'ny hevitra tsy nitovy sy ny fitoriana tsy maripototra
isika tsy mahay resy sy tsy mahay mandresy no mbola antony iray mampisy korotana lava sy tsy fiarahamiasa eto amintsika
15. gasmlay ( 29/10/2005 12:47)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1962