ny malagasy ankehitriny.

1. maditra ( 23/10/2005 19:06)
Ireto avy ny vokatry ny tsy fandalana ny maha-malagasy, amin'ny fahitako azy:
-Tsy manana ny maha izy azy intsony ny Malagasy.
-Izay rehetra hita amin'ny tele sy video tian'ny zatovo hatao daholo satria tsy fantany izay mety sy ny tsy mety.
-Manjaka ny dahalo mitam-basy, satria resy lahatra ry zalahy fa tsy misy ny tody sy ny tsiny, na ny atao hiverina.
-Miroborobo ny gasy Homo (mandehana ami'ny rta.mg ao mi-chat dia ho hitanareo fa marina izany).
-Manaraka izao antokom-pivavahana tsy hay fiaviana rehetra izao ny Gasy, kanefa maro amin'izy ireny no ratsy.
-Mahantra ny firenena satria mifampialona sy mifamono isika, tsy manan-kasina intsony ny aina.
-Miova ny sata iainana, Na ny mpivady aza mifamono, ny ray manolana ny zanany, ny zanaka koa mamono ny ray aman-dreniny.
Izay ny zavatra hitako fa tsy mety ka mila arenina amin'ny firenena, haiko fa tsy misy effet-ny akory ireo fa au moins isika rehetra samy mandinika hoe, ho aiza ity tanindrazantsika ity raha izao ihany no mitohy.
novalian'i angelgirl ny 12/11/2005 20:43
2. sipagasy ( 23/10/2005 20:04)
tsy maianky 100% ary tsy mandà ihany koa 100% ny voalazanao aho, tsy nampaditra anao indray ity klee hihihi, tsy ny any amintsika ihany anafe izany fa ny eran-tany mihintsy
3. Nickovy ( 23/10/2005 20:10)
Ka izany anie hono no fivoarana eh! Dia isika hono tsy mba naman'izay mihemotra. Dia roso ny dia ka tsy mipody koa hoy ny sasany. Dia...........
4. sonwin ( 23/10/2005 21:13)
marina leisy zany ry maditra...
5. tsangana ( 23/10/2005 21:14)
Mampieritreritra ilay "diagnostic" nataonao.Mila fandinihana lalina.
6. Herimiafina ( 24/10/2005 04:03)
Peace and love ihany hoa.(l) I peace you.
7. mandrindra ( 24/10/2005 10:37)
Marina daholo ireo voalaza ireo koa samia ary manomboka mandio izay manodidina azy aloha !!!
8. Kanel ( 24/10/2005 15:20)
Raha ny hevitro dia misy ampahiny marina ary misy ampahiny diso ny hevitrao
eketsika tokoa fa ao anatin'ny fanatotoloana isika izao ary maro ny zavatra entin'izany ao ny tsara ary ao ny ratsy azo lazaina fatsara izao 'zao fifaneraseran-tsika sy enô 'zao tsara anie 'zany e!!nefa tohanako ihany ny hevitrao hoe ratsy satria ny gasy dia malaza mpaka tahaka ny vahiny nefa anjaran'ny ts1ts1 ny mandray izay tsara sy ratsy @ 'zany fandrosoana 'zany
9. maditra ( 24/10/2005 18:14)
Kanel> zah koa manaiky fa misy ary betsaka ny mahatsara ny fanarahana fivoaran'izao tontolo izao (izay mankany amin'ny tsaratsara kokoa), ary tiako ny exemple nomenao fa ny olana dia tsy mahay maka tahaka isika. Izay tsara toy ny teknolojia sns tsy mahamaika antsika (possible olana avy any @ mpitantana izany), fa izay ratsy rehetra, ireo notantaraiko ambony ireo, no mba haintsika ny maka tahaka azy.
Miala tsiny zah raha no-generalisEko be ilay hoe Gasy satria mbola misy (fa efa tsy majoritE intsony), ny Gasy azo atao fitaratra tsara eo amin'ny fiarahamonina. Koa isaorana izy ireny. Zah izany mba feeling nakatra fotsiny fa efa "maditra" izay ary ny anarana. lol
10. Herimiafina ( 24/10/2005 18:18)
Eeeh mampanaelo le tsy mifankatia marina. eeeh(l)
11. ravakamalala ( 25/10/2005 13:22)
Marina daholo ireo voalaza ireo koa samia ary manomboka mandio izay manodidina azy aloha !!!


zay mihitsy no tena fahendrena voalohany.=D
12. pitchou ( 25/10/2005 20:29)
zà manohana! =D an'iza nefa?:?
tafiditra ao anatin'ny lalàn'ny (sa vokany?) fifaneraserana daholo ireo voatanisan'i maditra ireo na d ratsy aza! mety ho mivadika irery koa ange zao ny razambe talohan'ny gasy mahita ny nataon'ny gasy, nifamono niady tany, nefa madagasikara mbola tena nalalaka be t@zany e!!!!!
13. ponita ( 28/10/2005 12:23)
fa mampaninona ny firenena ny fisian'ny homo? ny homo nge tsy maninona mihitsy e, miasa normalement, mianatra normalement, ny tsy "normal" aminy dia ny fomba firaisany, ka raha misy homo ao mkara dia inona ny fiantraikany, mampahantra antsika ve zany, ao amin'ny baiboly aza misy an'i sodoma (sodomie) su gomora (tantran'ny homo)
mba fantatrareo moa fa ny zoophilie aza efa nisy tany aminn'ny fahampanjaka, de ahoana zao zany?
14. maditra ( 28/10/2005 17:54)
ponita> na efa nisy taloha io na vaovao, toetra ratsy io. F'angaha rehefa tsy mampahantra ny zavatra dia tsy maintsy tsara? Fantatro fa efa nisy efa ela io, ary diso hatrany io na taloha na izao. Zah koa tsy nahaino teo amin'ny tantaran'ny Malagasy hoe, nisy an'izao na izao homo. Tsy fantatry ny Malagasy akory io satria mandala zavatra marina sy hitsiny manaraka ny zava-boary izy. Probleme be ny fisian'ny homo./.
15. fijo ( 03/11/2005 05:46)
amiko dia marina ireo voalazan'i maditra,ireo.ary izay no mba hiadivako,ny mba "hiezahana"hitanana ny maha izy antsika,fa tsy hanaradrenirano be fahatany.
16. ponita ( 04/11/2005 09:29)
ka izao ange ry reto e, tsy ho voasakana mihitsy ny fisian'ny homo na dia feno fahendrena aza ny malagasy, satria zava-boary koa ny homo!
eto aho dia miresaka ny homo natioraly an, (izany hoe ireo somary sarimbavy na sarinddahy) fa tsy ireo olona sendra nahita tampoka tao @ fianany fa homo izy,
eo amintsika malagasy aloha ny lehilahy sarimbavy vao kely dia nahitsiana hoe tsy mety izao toetra izao fa lehilahy ny tena, ny vehivavy sarindahy anefa tsy dia nahazo teny firy hoe vehivavy fa aza manao sarindahy toy izao,

asa angaha fa io fepetra napetraka tamibn'ireo lehilahy somary vavivavy toetra tamin'ny mbola kely ireo no nahatonga azy aty aoriana ho nitamberina ka lasa homo izy!
izay ilay maha zava boary azy!
17. pitchou ( 04/11/2005 18:13)
euh! ahoana tsara moa zany le size: ny malagasu ankehitriny ... homo! ve? raha izay ndray d laviko
18. angelgirl ( 12/11/2005 20:43)
marina mihitsy ny enao ry maditra ,mampalahelo mihitsy lay malagasy ,any aza mbola azo atao hoe mifankafantatra tsara sy azo iafiana faaty an-dafy de tena tsy mifanampy mihitsy ny gasy ,ny anitsoka anao aza no ataony .Mazàna aza moa tsy mifampiarahaba akory fa mandinika anao ambony ambany no ataony!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.354