Tny mandroso

1. jajaf401 ( 19/10/2005 10:59)
Ahoana kay ny tena fomba fitantanana misy eo @ harena fotsiny any @ tany mandroso mahatonga izy handroso e e??
Asa na education mihitsy no tsara ny azy de mandeha hoazy ny fitantanana?
2. kally ( 19/10/2005 11:46)
Tsy resaka fanabeazana izany fa fampiharana ny lalàna sy fanaraha-maso akaiky ny vahoaka.Fanaraha-maso ny fandoavan-ketra ary ny mpitondra koa misy mpanara-maso fa tsy didiko fehy lehibe manampatra izay danin'ny kibo ka ny volam-panjakana no laniana @ rendrarendram-pianakaviany.
3. jajaf401 ( 19/10/2005 15:31)
De misy ahitsy kely : Tany mandroso zany ny suzé eto eh, azafady;
Raha ny harena voa-janhary indray mba misy azo ampitahaina ihany ve amintsika??
ny richesse manko mora mampisongadina ihany, na dia eo aza ny fitantanana!
4. jajaf401 ( 20/10/2005 03:13)
De afaka manome fanazavana ve nareo fa ny système ampiasain-dry zareo mety ho mahasoa antsika raha ohatra ka eto dago no ampiharina.
Malahelo manko ny tena tsy mba mety mandroso ty ehhhh! :-D :-D :-D
5. pika ( 20/10/2005 05:40)
@ fomba ahoana moa no handrosoantsika e
ny sasany aza tsy mety manao ampamoaka ny fananany
firy taona dia efa lasa milliardaire, marina ny voalazan'i kally
6. jajaf401 ( 20/10/2005 10:52)
Eka ekeko zany ary raha ohatra ve atsangana ny Pouvoir Judiciaire eto amintsika ve mety zakantsika?
zany ihany no mety hisian'ny lalàna velona @ tany sy ny fanjakana.
7. kally ( 21/10/2005 17:31)
Ny vahoaka anie mahazaka fa ny mpitondra no tsy mahazaka e!tsy ny fitsarana ihany no amboarina fa ny fanaovan-gazety afaka manatsikafona ny kolikoly sy ny fanodinkodinana ary tsy mety rehetra ataon'ny mpanao pôlitika, ny fampianarana mba ho olona matotra sy mahay manara-baovao no beazina fa tsy olona efa eny Ankatso mbola sain-jaza foana, ny fitantanana ny volam-panjakana mba ampidirina anaty informatique daholo amin'izay ny mponina rehetra sy ny zavatra ataony mba ahafahana manara-maso ny hetra aloany, ny paositra tsy ho taraiky lava sy mpanokatra taratasy, ny fanasaziana ny mpitondra fiara tsy mahay mihantsona sy mibahan-dalanaary tsy manaja lalàn'ny fifamoivoizana(vola tokony hiditra @ fanjakana hikojakojana ny lalana ireny), ets.be dia be ny azo atao fa ny mpitondra no vendrana na tsy te handray andraikitra.
8. jajaf401 ( 22/10/2005 03:26)
Sao de mba tsy nianatra akory reo mpitondra reo fa nanana diplaoma fotsiny??, possible! :-D:-D:-D:-D
9. Herimiafina ( 22/10/2005 04:07)
Aty amin'ny tany mandroso de mijaly, mahantra ny any amabanivohitra. toy ny any amintsika tsisy valaka saingy hainy ny manafina an'izany.
10. kally ( 22/10/2005 08:08)
Ny diplaoma anie tsy midika inona loatra e!misy olona be diplaoma fa nony injay asaina miasa, boribory.Ilaina koa anefa ny olona tena manam-pahaizana, ny tena marina olona marani-tsaina no ilaina e!misy be diplaoma nefa vendrana, misy nianatra ihany fa tsy nahatohy nefa marani-tsaina, misy no sady marani-tsaina no be diplaoma.Raha olona hitondra ity fahatelo no tena tsara.
11. Herimiafina ( 22/10/2005 14:30)
Marina mihintsy, connaissance n'est pas intelligence ary ny olona be diplaoma aza matetika tsy flexible hany ka tsy dia misokatra loatra amin'ny fiovana.

Be principe be de tsy mety milefitra miheritreritra, mianatra, miresaka amin'ny olona sasany tsy manana diplaome otsanazy.

De eo anatrehan,ny olana iray de mi-bloky amin'izay de tsy mety mahita ny vahaolana mihintsy.

Ny fampandrosoana de resaka fiaraha-miasa, collaboration, ka rehefa tsy hainao ny mira-miasa sy ny mi-collaborer na mitarika ny olona hi-collaborer dia tsizy mintsy enao fa aleo ataon'ny olona sasany.

Ny olona manana an'io toetsaina hoe be zizo sy tsy mety milefitra io de mecaniciens na saofera no tena mety aminy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2801