tsolotra madagascar

21. Herimiafina ( 20/10/2005 02:15)
Eeeeeh, hitako manao adidasy daôlo ry zalahy tamin'izany.
22. methode ( 20/10/2005 22:53)
Herimiafina:

Ary raha ampidirina amin'ny kitapombolampanjakana izany ry methode?

Zany kosa dia efa nofinofy! Manao tsolotra ve izy dia hampiditra an'izany amin'ny kitapom-bolam-panjakana fa tsy any amin'ny kitapony aloha!!! Rehefa misy ny risoriso dey izay koa no miteraka ny sorisory:}

23. Herimiafina ( 21/10/2005 20:54)
Hanao izay defis zay no ilana manampahaizana, raha zavatra realiste anie tsy mila manampahaizana ny famahana azy e.8)
24. boubounezy ( 23/10/2005 13:39)
tsy aiko alou fa za vahiny e!


Herimiafina:

Hanao izay defis zay no ilana manampahaizana, raha zavatra realiste anie tsy mila manampahaizana ny famahana azy e.8)



25. Herimiafina ( 24/10/2005 04:32)
Hainao tsara ihany kah.(l)
26. hesham ( 27/11/2005 01:29)
fa maninn ny fona ry herimiafina sao dia ary @ antson`ny fo no asina an`io .:-D:-D:-D:-D
27. Herimiafina ( 27/11/2005 03:55)
Saropiaro njay le rakalakely ty klé, ngao de tsy ampy daozy ary njy de mila ampian'i herimiafina kely njay klé? hehehehe:-D:-D:-D:-D
28. jennifer2 ( 30/12/2005 23:23)
Herimiafina: ka enao ela tsy nody hono koa! De tsy ampy dozy hesham.
29. zoara ( 08/01/2006 13:01)
ny anahy koa ny tsy nahafaly ahy t@ lay ramatoa tao ivato,t@ zaho sy ny zanako vavy kely 4 taona hiverina aty frantsa nony avy nanao vacance tany mada de zao.zahay zany manana droit 10 kilao isany ny bagage à main,sy 30kilao ny en soute,nolanjaiko le entanay alohan'ny nialanay ny trano,zay tsy nisy afatsy ny bagage en main 18kilao sy valizy poakaty zany hoe tsy nisy afa tsy kiraro sy sous vetement satria navelanay any daholo zay zavatra nentinay.de hozy lay ramatoa hoe mihoatra 8 kilao hono ny entako.de novaliako fa hoe tsy mahay mikônty izy,ary dia nampianko hoe mbola tsy feno 2 kilao aza.de nifamaly teo moa zahay de nazavainy tamiko hoe:io zazakely ve de hanana bagage en main de 10kg.tsy niteny aho fa natoroko azy ny billet ny zanako,carte d'identité-ny,ny passeport-ny,de nofaritako boribory ny vidin'ny billet-ny sy droit de bagage-ny,de avy eo nampiakariko teo ambonin'ny latabatra fiasany ny zanako de hoy zaho taminy hoe mifanazavà ianareo roa fa zah tsy afaka hisolo vava intsony.io fa tsy nahaloa-bavà na dia iray akory aza,de hozy le rangaha mpiara miasa aminy hoe:allez-y madame,c'est bon!!!
de hoy zaho hoe tsy ampy fisainana le ramatoa
30. Vahinala ( 08/01/2006 13:23)
Za ndray aloha tamin'ny nakaty ivelany tsy nanana olana tao Ivato fa tamin'ny tonga tao Roissy no tena voasava be ohatr'ireny inona ireny, 2 vavy izahay no niaraka tamin'izay fa le namako nanao vacances fotsiny no nakaty, nitondra ireny harona sy poketra ary satroka malagasy ireny izahay mba souvenir,efa ho adiny 1 angamba ilay rangahy nisava anay teo foana, hatramin'ny pitsony kely hitany nanontaniana avokoa, d nanontanitaniany be teo hoe hanao inona aty ianareo sns sady lay fijery tena ratsy mihitsy, sao hono izahay hivarotra reo zavatra nentinay ireo no antondihanay nefa misy vaza koa mitondra mbola betsaka noho ny anay en bagages à mains, no comment. Asa hoe, satria ve vaza efa manambola d ts asiana olana mintsy samy zareo, fa rehefa ny tena mahantra kely d hanaovana enquête be lava reny, nefa iza no milaza fa tsy ireny vaza reny indrindra no tena mivarotra arts malagasy antsokosoko aty ivelany aty ?
31. methode ( 09/01/2006 21:45)
Vahinala> Ka ny mitondra mody any aminy kosa ve ho bedesiny fa tsy izay mitady vola any aminy!!!
32. rakekely ( 10/01/2006 08:52)
tsy mbola maharaka ny farim-pihainantsika eh, sahiran-dava ny olona ary ao koa ny tsy fahaiza-mionona hany ka lava-tanankanjo mandrakariva, mbola ho ela ny malagasy vao afaka amin'izany, raha tsy ny toe-tsaina tia kely mihitsy no elana, ary atao mifanaraka tsara ny fidiram-bola sy ny vidim-piainana tsy ho foana ny tsolotra
33. methode ( 10/01/2006 20:36)
rakekely> Ka ny solution aloha dia mila miasa daholo ny rehetra fa ny sasany laozany mitaninandro fotsiny ko! Betsaka loatra ny tanora tsy manan'asa mivenjivenjy eran'ny tanana, ny tanan-dehibe rehetra misy daholo! Mahita ireny aho dia hoy aho hoe mbola lavitra ny fandrosoana!!!
34. Vahinala ( 11/01/2006 13:46)
methode > Ka misy anie ireny tanora ireny tsy manao fanahy iniana e, ny sasany aza efa diplomé be avy eny ankatso tsa mahita asa, ny sortant any INSCAE. ISCAM sns no hifandrombahan'ny société nefa ireny ho an'ny zanaky ny manakantao ihany, ny écolage lafo be ohatry ny ahoana sns dia ahoana zany le mba tsy mananao fahefana amin'izany ? Dadanay aza efa sola mintsy ny lohany vao nahita vola nampianarana anay tamin'iray amin'ireo !
35. methode ( 13/01/2006 19:31)
Vahinala> Za tsy miteny an'ireo lazainao ireo satria ny ankamaroan'ireo tsy ilay mpirenireny lazaiko fa na mijanona any an-trano na any am-pitaadiavana aasa. Ny hitako marobe dia ireo sady tsy miasa no tsy nianatra na nianatra fa tsy nanohy lavitra. Ireo no tena vesatra hoan'ny firenena. Ny mana diplôme mbola mety hahita indray andro any na koa afaka mamorona asa hoan'ny tenany.
36. Vahinala ( 14/01/2006 12:13)
methode > Raha izay ndray aloha ka tena tsy laviko e !
37. methode ( 15/01/2006 15:42)
Matetika koa ny asa betsaka ny azo foronina fa ny saina mihitsy no tsy mikarokaroka! Miandry ho tolorana fotsiny! Ny fianarana anefa matetika tsy manomana aminy asa! De raikitra aminizay ny fiadiana toerana ka izay manome be no tafiditra!
38. Vahinala ( 15/01/2006 15:43)
methode > Ie azo foronina fa ahoana ndray raha tsa misy sosy knou !
39. methode ( 18/01/2006 16:28)
Vahinala> Any amin'ny Président hono ny sôsy koa: Ny vola misy fa ny hampiasana azy no tsy hita hoy izy!!!
40. Vahinala ( 18/01/2006 20:58)
methode > Tsss za d mbo sosotra kely nahare iny kozindrazoky iny an, manana vola tsy hita hanaovana azy izy koa maninn ra manangana société bobaka be hiasan'ireo tsy manana asa ? Na managana akany ho an'ny mahantra toa an'i père Pedro io na mandehana elikoptera d afafazo eny amin'ny mahantra e, mandreraka be ana iny kozy ray iny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7185