Ahoana no ahafantarana fa tena tia ny olona iray?

1. A2 ( 05/10/2005 14:47)
Mpinamana izahay nandritra ny herintaona, sady ni-confier-ko ny secrets-ko rehetra ilay olona. Mbola tsy nifanena izahay nandritra izay 1 an izay, izany hoe an-téléphone fotsiny no nifampiresaka fa ny sariko no efa hitany. Taty aorina anefa de nanafatra anà izy fa za tsy nety tonga tany. Na ny fomba firesahany t@ phone aza niova. tsy naharitra izy ka tonga nijery ahy noho ny farany. Dia niteny ahy izy fa tia ahy ary dia niaraka izahay za koa moa lasa tia azy rahateo. 2 volana izay no niarahanay, ary tonga matetika aty aminay izy nandritra izay 2 volana izay ary efa nifampiresaka t@ RAD-ko aza izy. Ka ny tiako ho fantatra dia izao, mety ho tena tia ahy marina ve ilay olona na dia efa fantany tsara aza ny passé-ko? Matahotra aho mantsy sao dia mamitaka izy. Dia hono ho'aho ry reto, manao ahoana kay ny toetran'ny lhl manana signe astrologique "Lion"?
2. Herimiafina ( 05/10/2005 14:52)
Be fitetitetika be, mi-manipula be, lasa adala be rehefa tsy mahita anao, be resaka be any amin'ny namany na ny iray tampo akaiky azy,tsy mampiasa saina intsony fa mampiasa fo be dia manao sacrifice be hanenenana rapida be bakeo.

Mi-harcela am-téléphone, mamandrika (tonga de resaka fianakams be), entiny any amin'ny fetimpianakaviany ianao ary izy misisika ho any amin'ny fetimpianakavianareo, hehehehehe:-D:-D:-D
3. Herimiafina ( 05/10/2005 14:54)
Tia mi s'affiche be zany e, hoe anah ity olona ity ka tsy azo kitikitihina.

Raha miafinafina dia aza mino hoe tia anao le olona fa mety misy zavatra iray tiany any aminao ohatra seksa,vola de zay fotsiny tsy ampy hisehosehoana dia aleony atao miafina le fitiavana anao.
4. vale ( 05/10/2005 15:32)
Tena tia anao izy raha nanantona ny R&R nao.Izany hoe te-hanambady anao izy ! (raha tsy diso ny fihevitro!) Misy ny lhl miaraka @ vhv fa tsy mieritreritra ny haka vady azy fa ny hilalao fotsiny sns...! Ianao nilaza fa mety hamitaka any aoriana, ny momba ilay passé-nao angaha zvt "négatif"?Raha tsy izay dia tokony tsisy hatahoranao! Ny lhl Lion ve? Izay indray aloha tsy fantatro ka! Izay no azoko anampiana anao ka mazotoa é!
5. narij ( 05/10/2005 18:57)
toy ny an' vale teo dia vitsy ny lehilahy no sahy miseho toy izany ,fahatsapana aloha fa misy ilay fitiavana nefa kosa ny fatrany no tsy mbola hay ; raha toy ianao mbola misalasala, normaly be izany, saingy ianao no afaka mandinika azy akaiky ny efa niainanao sy ireo resakareo 2 taloha hamantaranao ny mety tohiny
6. miserana ( 05/10/2005 19:06)
Ny hoe miseho @ R&R alo tsy milaza faona oe tonga dia te-hanambady e. Ny zavatra azony ambara fotsiny alou dia ny oe fahasahiana miditra lalina raha toa ka ilaina izany. Tsy voatery hho endrika famandrihana koa io fa fanomezana haja ny R&R io hoy aho. Satria na inon-kindona na inon-kihatra dia tsy maintsy hamoraina ny fidirana ao antrano hahitana ny tena hevitry ny fiankams raha toa ka mankatoa tokoa. Aleo mantsy miala dieny tsy misy maratra toy izay lasa lalina vao mijaly. Io mantsy hoy herimiafina ilay oe manamaby fianakaviana ny antsika gasy. :-*
7. ravakamalala ( 05/10/2005 19:37)
Tia anao izy matoa efa nanaiky hanao ireo zavatra rehetra nataoy ireo (nijery anao an am zay misy anao any, nijery ny Rad nao, ...) tia anao izy, ianao koa tia azy, dia kolokoloy ilay fitiavana.

Rehefa tsara kolokolo io fitiavana io dia tsy hamadika anao izany izy na inn na inn passé-nao.

Tano ny azo fa sarotra ny mila, samy manana ny toetrany koa anie ny olona fa fantaro miandalana eny izy fa aza dia mifantoka amin ny signe astrologique/

La vie est belle ny anao fa dia rosoy ny dia e!
8. Herimiafina ( 06/10/2005 04:34)
La vie est très belle. hehe
9. pika ( 06/10/2005 05:07)
misy ny lhl arakaraky ny hafantarany ny histoiranao taloha no toa vao maika hitiavany anao
noho izany aza matahotra fa kolokoloy toy ny voninkazao ao an-jaridaina dia mandrombona sy mamelatra ary mety hisy voany
10. lilbon ( 06/10/2005 05:17)
ka inona az no blem e!tsy azoko!?:{
Enao ve no misalasala sa izy !?raha ny fijeriko le tantara de enao no misalasala fa tsy izy !?8O8O
te hividy ny lohany fa matahotra ny masony ve enao !?
passé anao !? tsy mampaninona azy , ka inn le tena pro !?tsy matoky fotsiny ve enao nefa toa zavatra mety daholo no nataony !,:)
enao karazan'ny le olona sarotra izay vao manana confiance e!?:?::idea:
11. lilbon ( 06/10/2005 05:25)
signe astrologique lion ve ?za alou tsy dadbaré e !
fa le signe lion !lion c'est le roi (caractèere), et le roi a tjrs un bon karma sauf qu'un roi est souvent égoiste,.
.il a besoin de son entourage pour percer.ses amis sont les soldats ou les personnes qui ont des signes astrologiques comme les capricorne les béliers, les taureaux!(signes des animeaux a cornes)ses ennemis :idea::wink:le cancer,le verseau, et le sagittaire.
ATTENTION:sao de we manaraka betement an'io injay fa noforoniko vao teo io!hihihi:-D:-D:-D
12. sasa ( 06/10/2005 07:32)
hi hi hi hi le lion aloha raha araka ny fahafantarako d araka ny maha-roi azy, d tsotra izy ary malemy fanahy, saingy kosa rahefa tafiditra ao anaty grifany enao d tsy afaka intsony fa izy tena masiaka be rehefa misy zavatra tsy mety.
Ny azo ambara aloha d tia anao izy d anjaranao sisa ny tohiny e
13. A2 ( 06/10/2005 08:20)
Misaotra e! Ho hita miandalana eny ihany ny ho tohiny. Za aloha efa voa ka somary sarotsarotra ihany ny hananana confiance @ lhl e!:wink:
14. lilbon ( 06/10/2005 08:35)
f'ahoana kosa !?
on peut pas faire confiance à une personne qui n'a pas confiance :):)
15. A2 ( 06/10/2005 13:56)
Aiza kosa e! aleo malina ihany fa tsy vao in1 anie no voafitaka e! Matetika ireny oll atokisana ireny no tena manao ny ataony. Izany akory tsy midika fa tsy azo amatrehana fitokisana za.:)
16. ravakamalala ( 06/10/2005 22:01)
Dia raha ho malina zany foana dia inn ntsony ny dikany? Ho mailomailo foana, hitandrina, tsy hisy zavatra andeha amin ny fo, za tsy hanao ana izao fa sao voafitaka, tsisy tsirony ntsony lé izy am zay, Fa tiavo hatram farany ny oul rehefa tiana, raha te hamitaka izy dia probleman izy sy ny conscience-ny sy ny todim pitia izany avy eo.
Fa efa anao izay mety aloha ianao.

Souris à la vie et tu verras comment elle te la rendra.
17. lilbon ( 07/10/2005 04:46)
inty misy zavatra kely aza !
midona ny orana any ankaratra,
maintso manombana ny any andringitra,
mitomany ra zanaboromanga ,
mihomehy ra tsy matyaho-tody
todim-paty aza manody ,
fa ny todim-pitia manodiava.
izay fotsiny no hiraina refa voadona hihihi::):)
18. ravakamalala ( 10/10/2005 13:05)
hiran iza io kay ry lilbon?
19. Herimiafina ( 10/10/2005 16:46)
Mahay mitia anie ity ravakamalala ity e. Sambatra mihintsy ze monsieur ravakamalala any. hehehehehe:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1181