Olitra avy amin'ny satrana atao saosy.

1. Herimiafina ( 04/10/2005 04:38)
Nisy sakafo tena nampilendalenda be an'i herimiafina izay tany Mahajanga tany rehefa nivahiny tany andro vitsivitsy izy talohan'ny niantsoan'ny rainy azy hody any antrano-ndry zareo ao Antananarivo, hehehehehe.

Ity le izy: Olitra avy amin'ny satrana natao saosy.

Izao ny fanamboarana azy.

Adaboka ny satrana lehibe iray.
Tondrahana rano matetika madritry ny iray volana eo.
Afaka iray volana dia avadika ilay vatana satrana ka misy olitra mavomavo mivoaka marobe avy amin'ny atin'ilay hazo.

Sasana tsara ireo olitra dia hendasina miaraka amin'ny saosy voatabia, asiana carry sy poivre kely. Favy an. Iza no efa mba nihinana an'io, any amin'iny faritra Amboromalandy-Mahajanaga iny no misy an'izay.
répondu par jennifer2 le 24/01/2006 23:04
2. Fanja1 ( 04/10/2005 06:46)
herimiafina inn aloha zany "satrana" fa tsy haiko.
Zaho aloha mbola tsy nihinana zany e
3. xxx ( 04/10/2005 07:43)
Bismarckia nobilis ny satrana raha tsy diso aho de manana espèce na sous espèce maromaro Mada. Ny raviny hanaovan'ny olona harona sy tafon-trano na rindrina trano falafa. Hainareo koa ve ilay hoe SORA? zava-pisotro azo alaina @ satrana koa izy io.
4. Fanja1 ( 04/10/2005 08:11)
mba mahay zvt anie nareo reto e!!!! merci e tsara fantarina daholo zany
5. xxx ( 04/10/2005 08:27)
Herimiafina>hainao ve aloha ilay atao hoe SORA e? ianao efa tany Amboromalandy io? de angamba tsy eto ity no tokony hipetraka fa tsy maninona fa tohizako kely: raha ny marina tsy tokony ho io Amboromalandy io no tena iantsoana io tanàna io fa ny olona (mpiavy ny betsaka) sy ny mpandalo no manao tsianjery maimbo fotsiny aty ahoriana.
6. Herimiafina ( 04/10/2005 13:10)
Moromalandy zany o? Sa mbola diso?
Le Sora ve? Fon'ilay satrana no somary fermenter-na, izany hoe misy karazana ronono sa sève le izy tsy haiko tsara.
Any Benin koa misy manao amin'ny palmeraie (famille des Palmacées)ka SODABI no ataon-dry zareo anarany. Lait de palmeraie fermentée.

7. Herimiafina ( 04/10/2005 14:38)
Tsy tena lait araka ny heviny fa sève no tena marina.
8. xxx ( 06/10/2005 08:04)
tena marina ka! hoatran'ny ranombarimasaka masisosiso izay ilay sève rehefa fermenté, miaraka @ bibikely latsaka ao anatiny ao an! tapahana ny lohan'ilay satrana hivoahan'ny sève de tatazan-drizareo @ volontsangana ny ranony de matetika misy androngo be ireny latsaka ao anatin'le volontsangana de maty ao! ny gendarme mpisafo any ambanivohitra be ireny no tena mirevy io sora io.
9. xxx ( 06/10/2005 08:05)
raha ny fahalalako azy dia Ankazomborona no tena anaran'ny tanàna fa Amboromalandy ilay farihy lehibe
10. Herimiafina ( 12/10/2005 18:04)
hehehehehe, toa lasa be mpilaiso autoradio be sy entana anaty vam tsy mihidy hono eo hoy ry zalahy mpandeha Jangil iny?
11. boubounezy ( 12/10/2005 18:25)
za efa ninana anireny kou fa tany tamatave, fa ireny angé no hanaovany oul lé huile de palme ireny e! avelany hatavy tsara dé avi eo presseny @ machine tonga dé menaka milay bé


Herimiafina:

Nisy sakafo tena nampilendalenda be an'i herimiafina izay tany Mahajanga tany rehefa nivahiny tany andro vitsivitsy izy talohan'ny niantsoan'ny rainy azy hody any antrano-ndry zareo ao Antananarivo, hehehehehe.

Ity le izy: Olitra avy amin'ny satrana natao saosy.

Izao ny fanamboarana azy.

Adaboka ny satrana lehibe iray.
Tondrahana rano matetika madritry ny iray volana eo.
Afaka iray volana dia avadika ilay vatana satrana ka misy olitra mavomavo mivoaka marobe avy amin'ny atin'ilay hazo.

Sasana tsara ireo olitra dia hendasina miaraka amin'ny saosy voatabia, asiana carry sy poivre kely. Favy an. Iza no efa mba nihinana an'io, any amin'iny faritra Amboromalandy-Mahajanaga iny no misy an'izay.




12. Herimiafina ( 12/10/2005 19:13)
Hafa ny huile de palme ry boubounezy an. Le voan'ilay palmier no somary andrahoana de presser-na de zay, fa le olitra hafa mihintsy, mety matsiro be an.

Ndao tsika sy enao mba hi-preparer e. hehehehe:-D:-D
13. boubounezy ( 12/10/2005 19:47)
ka zany mintsy no henoko fa angamba za no tsy nahazo tsara, fa lé olitra za efa ninana, somary endasiny zareo kely alo lé oltra dé avy eo asiny lé tongolo sy ny saucy retra e!



Herimiafina:

Hafa ny huile de palme ry boubounezy an. Le voan'ilay palmier no somary andrahoana de presser-na de zay, fa le olitra hafa mihintsy, mety matsiro be an.

Ndao tsika sy enao mba hi-preparer e. hehehehe:-D:-D



14. Herimiafina ( 12/10/2005 20:04)
Fa boubounezy taiza hoa aiza tao tamatavy no nipetraka, sao de mpianatry Stella Marisy? :roll:
15. jennifer2 ( 07/12/2005 02:21)
Ary le olotr'alika ve efa mba nisy nanandrana?
16. Herimiafina ( 09/12/2005 19:39)
Tsy tiko tampoka njy raha mihinana an'izany klé, hehehehehe:-D:-D:-D:-D
17. jennifer2 ( 24/01/2006 23:04)
:cry:, HM, nefa hono sakafo matsiro be le izy? aleo ary za tsy ihinana fa ianao no ampihinanina e! De lazao na tena tsara na ratsy le izy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6875