Enin-taona ny serasera

1. hery ( 03/10/2005 07:00)
Miarahaba antsika rehetra indray.

Tsy hay ny tsy hisaotra antsika rehetra amin'izao fotoana izao noho ny fahatratraran'ny Serasera Malagasy (serasera.org) ny faha enin-taonany. Ny 3 oktobra 1999 tokoa mantsy no nanomboka ny serasera. Ho an'izay te hahafantatra lalindalina ny tantaran'ny serasera dia azonao tsindriana eto fa eo no ahitana azy.
Fisaorana no atolotra ny mpiara-miasa rehetra izay mandrindra ity takelaka ity maimaim-poana. Isaorana ireo nanohana sy mbola manohana ara-bola. Isaorana ny namana mahafatra-po mankahery sy manohana am-bavaka. Isaorana ny namana mpikambana tsotra izay anisan'ny manome aina ity serasera ity (10.000 mahery isika izao). Isaorana ireo mpitsidika mahafatra-po izy mampiely hatrany ny serasera. Ary isaorana koa ireo namana tsy tia ka mikiry hatrany ny hanimba :-) Namana daholo ianareo... ka isaorana.

Mbola mitohy hatrany ny serasera...

Misaotra.
Tsiky dia ampy.
2. ari.malala ( 03/10/2005 07:10)
tratry ny fety daolo zany :)
3. hery ( 03/10/2005 07:16)
ngah fety? ;-)
4. chipie1 ( 03/10/2005 07:25)
dia ho tratra ny tsingeritaona manaraka indray de etsetra etsetra e !:-*
5. bloum ( 03/10/2005 07:27)
Dia faly tokoa miarahaba ny serasera sy ny namana rehetra e!

Misaotra manokana ireo mandrindra ara-teknika izao fitaovana soa izao.

Satroka penjy ho an'i Hery sy ireo namany.
6. estine ( 03/10/2005 08:34)
:lol:Tratry ny fety ianao ,tratry ny fety ianao tratry ny fety ianao ry seasera.org tratry ny fety ia.....na.....o!!! tehaka be e! ba bedebe e!mahafinaritra e! mitsodrano antsy rehetra NAMANA ary indrindra fa i Hery ahita ny soa sy tsara hatra !!
Raha misy tezitra @ dinika sy tafa hatramin'izay fotoana hifamelana sy hiovana izao ry reto ary fotoana hiaangana vaovao indray hampivorantsika ity Site Gasy mamy tsara ity sa ahoana ozy nareo ! ekany leroa! hosamy aharitra ato @ serassera daholo e! hotratry ny mitsingeringerina daholo eeee!!!:D
7. mumu ( 03/10/2005 08:35)
Miarahaba antsika rehetra o! :-*
8. rongatry ( 03/10/2005 08:37)
Arahabaina izany isika rehetra e !
Mahafinaritra ka !mahatamana !
Dia misaotra manokana ny mpandrindra tokoa, ary mirary ny serasera hahatratra ny ela indrindra.
Tsara tokoa ilay hoe : " TSIKY DIA AMPY "
9. akamatiana ( 03/10/2005 08:42)
Ho tratry ny versera mitsingeringerina manaraka njay tsika oooo !!! de Misotsa manokana ny Mpitantana :)
10. bichette ( 03/10/2005 08:52)
tsatsy ny fety daholo :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
11. pat06 ( 03/10/2005 09:06)
Dia faly miarahaba an-tsika rehetra, ary misaotra an'i Hery sy ny ekipany.Mirary fahombiazana hatra@ farany:D
12. ravatorano ( 03/10/2005 09:13)
misaotra manokana ireo namana nitoto nahamasaka ity tranokala ity fa izy ireo no vy nahitana izao ka tsy hay ny tsy hiarahaba andry zareo manokana eto.
Miarahaba koa ny namana rehetra tsy anakanavaka izay mpisera sy mpitsikera rehetra eh
Milay eh
=D=D=D=D=D=D=D=D
13. mumu ( 03/10/2005 11:11)

=D =D =D ho an'ny Hery
14. vale ( 03/10/2005 11:53)
Tratry ny fety daholo !
15. sonwin ( 03/10/2005 13:54)
dia ho tratry ny enin-taona manaraka indray zany
16. Fanja1 ( 03/10/2005 15:04)
samy ho tratry ny 3 octobre 2006 njay ooooooooooooo
17. sonwin ( 03/10/2005 15:45)
3 octobre 2012 ka :lol:
18. Fanja1 ( 03/10/2005 16:04)
sonwin mandingana zany ?????? lol
19. sipagasy ( 04/10/2005 10:42)
dia enga anie ka mbola ho ato daholo ihany isika rehetra ireo miaraka @ zanaka aman-jafy e!!!!
Aza avela mihintsy ry reto annnn ento eo daholo ny kilonga e! hihihihidia miaraka ao @ resaka mivantana daholo isika....hihihih
20. mamzelkely ( 05/10/2005 06:41)
tara kely ny ana fa de tratry ny fety tsika rht e...de ho tratry ny ela indrindra anie...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3287