Ny "Kristianina" sy ny Baiboly
1. LazaRandri
(
02/10/2005 10:57)
ankehitriny dia hita fa ny olona tsy tia Baiboly voalohany indrindra dia ny maro an'isa amin'ny "Kristianina". Sady tsy tia mitory sy mizara ny Vaovao Mahafaly kanefa koa tsy tia resahina momba izany.
"mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao." 2 Timoty 2:5

novalian'i jentilisa ny 10/10/2005 13:21
2. stephan
(
02/10/2005 13:15)
ny olana dia misy ny olona tsy tokony hitory no mitory: miteniteny foana no iafarany. Misy ny olona toa mireherehe hoe kristiana saingy ny zavatra ataony dia fitenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra. Efa nahita aho matoa miteny. Mirehareha miteny hoe mahery ny Andriamanitray (avoitrako ny teny hoe TRAY) na dia samy kristiana aza no iresahany. Ny toetra kosa tena mifanohitra amin'izany fa na dia manambady aza izy dia vazaha ihany no mahafatifaty azy sy enjehiny eran'ny tanĂ na.
Tena lasa mahateny izay iresahany hoe soa ihany aho fa kristiana talohan'ny nifanenana taminy fa raha tsy izany tsy ho kritiana na oviana na oviana aho.
KOa raha izay no atao hoe mangidihidy sofina amin'ny fifanoheran'ny fiteniny sy ny fihetsiny dia aleoko aho tsaraina amin'izay mangidihidy sofina izay.

3. LazaRandri
(
03/10/2005 13:26)
Stephan,
dia ny fahadalan'i Satana asehony amin'ny olona toy izany ve no hanidiana fo amin'ny Tenin'Andriamanitra tsy vao maika i Satana mahazo aina?
Hanaro izay hitanao fa miteniteny foana :)
dia ny fahadalan'i Satana asehony amin'ny olona toy izany ve no hanidiana fo amin'ny Tenin'Andriamanitra tsy vao maika i Satana mahazo aina?
Hanaro izay hitanao fa miteniteny foana :)
4. jentilisa
(
04/10/2005 11:05)
MIsy koa anie ny manao ny heviny ho toy ny hevitry ny baiboly e! saingy mila fantarina ny tena nambara...
6. estine
(
05/10/2005 13:48)
inona moa no hifandraisan'ny olona sy ANDRIAMANITRA raha @fivavahana kristiana ,ny tenin'Andriamaitra ary ny vavaka ,fantatry satana sy devoly izay ka ampanalaviriny ireo ny kristiana, tsarovy fa nahavoa an'izy mivady lehibe indrindra anie dia ny fanovan'ny devoly ny soratra masina izay nolazain'iJehovah,ka ny kristiana tsy tia baiboly efa lasa sataana fa tsy christiana intsony:( koa mifahara ary ka tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra rehetra....mba afahanareo manohitra ny fanangolen'ny devoly.........Fipianina6_10.......