Panda

1. xxx ( 30/09/2005 14:34)
Mba mila torohevitra amintsika izay mahay fomba fanalàna ny panda fa tena zavatra iray manimba maso sady mandratsy endrika!Misy ihany ireny"crème" manala azy ireny fa d matetika d "spécial 50 ans et plus" nefa raha mbola tsy feno 50ans ianao d ahoana? Ny torohevitra mba angatahiko d indd fa ireo fomba atao ara-natoraly fa tsy ny "produit vazaha".Misaotra betsaka!!!
2. xxx ( 30/09/2005 15:56)
za alou tsy mahalàla fomba natoraly fa ny Nivea newskin alou tsara be e, fa izy lafolafo ihany an. herinandro ihany hono de afaka tsy miverina intsony ny panda raha tsy we angah misy aretina hafa mahazo anao
3. xxx ( 30/09/2005 17:31)
non tsy misy an'izany panda miala herinandro zany,fa lainga zany io panda io dia sarotra alaina mihintsy ela vao afaka mijaly alo zay misy e! fa raha misy menaka fantatrao fa hanala azy dia mety hoe mazavazava kely eo fotsiny fa tsy miala zany io
4. fijo ( 30/09/2005 20:00)
xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
xxxxxxxxxxxxxxxx
xxxxxxxx
xxxxx
xx
x
5. xxx ( 01/10/2005 14:47)
ny panda aloha dia aretin'ny aty (foie) no fahalalàko azy @ankapobeny. misy sakafo na zavatra hafa tsy zakan'ny vatanao. raha ohatra ka tsy de gravy loatra io tsy fahazakàna io de ho afaka vetivety ihany ny panda. ny vehivavy gasy koa ilay mitanina afo lava ny endrika matetika de voan'io: manendy mofo sy mahandro @ kitay na charbon, afaka io raha mahavatra manao ireny menaka tarehy ireny. ny fanafody tsara indrindra raha mahatanty dia ny manadio ny taovam-pandevonankanina. Tsotra ihany ny atao isaky ny maraina ary mety maha afaka aretina maro izy ity raha zakan'ilay olona ny manao azy: misotro rano iray litatra tsy ankijanona (tsy voatery) alohan'ny sakafo maraina. Vao maika tsara raha mandoha avy miboboka rano, jereo fa ny loto rehetra any anaty vavony sy ny hafa any hoentin'iny rano alohanao iny. Maka aina kely ora iray alohan'ny hisakafo maraina mba ahafahan'ny taovam-pandevona-kanina misento kely (indrindra raha misy tsy mety ny vavony). Mihinana sakafo tsara avy eo, somary mandreraka ny vatana aloha izy io @ voalohany fa rehefa tohizana tena mahasalama tsara mihitsy.
6. pika ( 03/10/2005 05:22)
io mihitsy koa no saika amb arako
ny produit rehetra ahositra ireny dia mety manadio ny ety ivelany fotsiny ihany fa ny ao anaty ao maharary, fambara zavatra tsy dia mety loatra ireny, (aretina)
tsara raha manatona dokotera
mereza misotro rano koa
aza dia mery mihinana sakafa mety hankarary aty....
7. xxx ( 04/10/2005 08:19)
maha afaka ulcère gastrique efa sarotsarotra ireny ny fanaovana an'io fisotrona rano betsaka sy fandohavana avy eo io. Miala daholo mantsy ireo atao hoe loto mipetraka @ paroi gastrique de mba misy fotoana hanaovany "cicatrisation" ny vavony. Fa averiko ihany fa mila mihinana sakafo maraina ampy tsara ora iray avy manao an'io raha tsy izany de ho reraka be. Andro vitsivitsy aorian'ny fanaovana an'io de ho voamarika fa na ny volon-kendrika aza de miova tanteraka(miova ho tsara an).
8. bichette ( 05/10/2005 08:22)
ilay mandoa aloha bof bof ihany fa tsy voatery handoa anie e ! sotroina tsikelikely ilay rano, misy tokoa tsy mahatanty amin'ny voalohany fa mandoa fa mizatra tsikelikely dia atao tsikelikely koa. Tokony te ho any an-kabiné avy eo ka iny no ilaina.
XXX ; tsy be loatra ve izany 1l izany ? lasa mi decalcifié indray ?????

9. rongatry ( 05/10/2005 08:47)
'za aloha tsy mahita vaha-olana, fa hisaotra anareo mahay azy aho, tena tsara tokoa ny mifanerasera raha toy izao, hahalalana zavatra maro ;
misy hanandramako izy io : fa misaotra nanoro hevitra mba tsy hahazoana azy.
Misaotra e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!e!
10. menakely ( 05/10/2005 17:31)
salut,
merci anareo @na coseil,
kay ra xxx ity mba mahay miresaka raha te-hanao serieux,merci ra xxx fa hataoko io manomboka rahapitso!
ciao!
11. xxx ( 10/10/2005 12:17)
Mihoatra ny 1litatra aza no tena tsara raha mahazaka ilay olona. Angamba aloha tsy mahafaka kalsiôma fa mahatsiaro reraka ihany ilay olona @ voalohany noho ireo singa mineraly na biolojika ilain'ny vatana miala voasasa daholo. Ny fandohavana tena ilaina ka! ny mandoha mihitsy no tanjona mba hampiala haingana ny loto.
12. angelastela ( 10/10/2005 14:25)
salut,
za efa nisotro 1 litre nadroany fa tsy nadoa ,tsy fantatro na satria manditrany alina efa 2fois misotro rano no mahatonga io;
fa zaho tena marary vavony sy aty;ka tsy fantatro na ampy 1 litre io na mila miampy na efa tsara raha @ alina efa misotro 2 verres miapy 1 litre @ maraina?
13. xxx ( 05/12/2005 12:25)
Zao a,nareo bediko fa tsy mijery ny site ato mintsy nareo,jereo le http://niainafara.loharano.com iny d ao misy torohevitra hoantsika vehivavy,zah alou nisy panda teo @ 2 moi teo,fa angamba fanafody no nahatonga ilay izy,dia misy ilay nolaizain'i tompon'io site io,dia nataoko dia efa mahita evolution mintsy zah @ izao,sady mila mihetsika ngeh ry Tanora tovovavy e,indrindra fa fety ny andro.Jereo fa misy produit naturel be d b ao na dia hanadiovanao tarehy fotsiny aza.Site vita sy mivoaka ato amintsika iany io ka dia mazotou mijery e,jereo ilay we torohevitra kolo/bika ,dia ireo produit vita avy any ivelany ireo kou vita @ ravinkazo fa andramo angeh e,zah wa misy fa efa miha afaka @ izao,Andramo:roll:
14. Sorate ( 09/01/2006 11:30)
Argile verte hono lereitsy a
Tena mandaitra io :
Fomba fampiasa azy: sady sotroina no ahosotra amin'ny tarehy ratsy.Maka 1 fonosana eo amin'ny 100gr eo de alona ao anaty rano tsy nandalo vy (1.5litre ny rano ).Isaky ny hisotro ianao de aontsana aloha zay vao sotroina (atao amin'ny tavoahangy plastika ).
Le aosotra ndray de zao:
maka 1sotro kely amin'ny le poudre argile verte de asiana huile d'olive na ranona voataby na ranona karoty na cocombre , de aosotra amin'ny ze misy tache (duree 1heure eo ho eo ) de atao isan'andro. Zay fa andramo aloha e
15. tolotriniaina16 ( 11/01/2016 15:30)
salama dol tsika at eee
tena mila vonjy maika re ra met fa tena feno Panda be ny tarehiko
misaotra mialoha tompoko
16. Aandrianina1 ( 29/07/2021 09:19)
Menaka fandrahoana io lou atw, sunflower ????,osory @fanondro f ts @coton,ajanony @ze fotoana tinw f rehf esorina d sasana rano asina savony kely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2525