Tsy miforona amin'izao izany ny fitiavana fa misy condition.

1. Herimiafina ( 24/09/2005 05:55)
Rehefa nodinihina ny resaka rehetra nandalo teto momba ny fitiavana dia hita fa tsy mi-exista zany fitiavana pure izany fa tsy maintsy misy condition kely foana ao ambadika.
Izay le ataontsika hoe intérêt.
Ary izay ihany koa no mahatonga ny olona mametraka kritera be dia be rehefa hisafidy ze olona tiany hiarahana na ho azony zany na tsia.

Ny fanazavana azoko omena dia satri miatomboka amin'ny admiration na EROS foana alou ny fitiavan'olondroa, io admiration io dia mitaky zavatra farafaharatsiny iray:
Ohatra: harena, voninahitra, hatsarantarehy, personnalité, sns.

Tsy misy olona tia olona hafa tsy hananany admiration zany mihintsy.
Ka na inona antony na inona dia azo lazaina fa fitiavana daholo na vazaha, na sipa efa niaraka taman'olona , na virja na tsy virja, na menopôzy na tsia, tsy maintsy misy zavatra nampiteraka admiration fôna tao.

Misy ihany koa anefa le hoe condition minimale, izay miankina amin'ny principen'ny tsirairay.
novalian'i miserana ny 05/10/2005 19:19
2. fasaly ( 24/09/2005 10:21)
amiko taloha ny fitiavana de tsisy condition zany, fa tena fitiavana mangarangarana be, fa amzao androntsika izao de hita be mintsy fa interet fotsiny indraindray satria nohon'ny fiainana no mahatonga izany. kanefa mampalahelo be izany toe-javatra izany satria ireo olona tsy ahitàna interet zany de tsy ho hisy mpitia mintsy:cry::cry::cry:
3. ravakamalala ( 24/09/2005 13:34)
Aiza kosa fasaly a! Lafiny ratsy no andraisan dry an ilay atao hoe interet.
Fa ny tiana tenenina eto anie dia hoe tsy maintsy misy zavatra iray manintona andry amina lehilahy iray vao mazoto indry hiaraka aminy e!
Za aloha manaiky ny tenin i Herimiafina hoe tsy maintsy misy zavatra iray manintona anao ao amin ilay olona vao mety hiaraka aminy enao e!
4. Herimiafina ( 24/09/2005 14:58)
Izay mihintsy, tsy maintsy voasarika amin'ny zavatra iray any aminy ny attention-nao, dia lasa ahatsiarovanao azy foana iny zavatra iny.

Tsy voatery intérêt vola na harena,famety hoe tsara tarehy, bôgôsy. Ary io arakaraka ny olona ihany.

Misy koa olona tsy ahitanao intérêt dieny voalohany fa rehefa mandeha eny ny fotoana dia hitanao fa misy zavatra manintona ao aminy, ohatra ny manière d'être, ny personnalité, sns.

Ary ny mahatonga ny olona leo matetika dia noho ny fitontonganan'io intérêt io, ohatra:

- Miha ritra le harena.
- Miha ratsy tarehy le olona.
- Miha miova ho ratsy le toetra nitiavana azy, sns.

Ka ny hanavotana ilay fitiavana indray eo dia ny famoahana atout hafa, izay le hoe surprizy e.
5. ravakamalala ( 24/09/2005 16:22)
Fa tsy maintsy mifanaraka sy mitovy tadin dokanga koa ny olona roa te hiaraka e!

Satria araka ny teneninao dia mety tsy hitoetra mandrakizay ilay endrika nanintona, dia hamoaka endrika hafa indray, nefa mety tsy hanintona intsony satria tsy mitovy ny tadin dokanga.
6. fasaly ( 24/09/2005 16:25)
ravakamalala:
ka efa interet aza izany kou! fa ny fahitàko azy alony de io lazaiko io no tena mibahana e! amzao andro izao. sa ahoana an....
7. Herimiafina ( 24/09/2005 17:54)
Ka mety le endrika hafa tsy de maninntona azy le navoakanao e. Fantaro tsar izy de fantatrao hoe inona le endrika hafa tokony havoaka. de mitovy ho azy eny njay ny tadindokanga. hehehehe:roll:
8. ravakamalala ( 24/09/2005 21:28)
Fasaly > Dia ny vahaolana rehefa te ho tian ny olona zany dia manao izay mba mahate ho tia, fa iza kosa moa akia no ndeha hiaraka amin ny olona tena tsisy atokona mihitsy (na amin ny lafiny inn na amin ny lafiny inn).
Na indry koa aza anie tsy hiarakarapoana amin olona fa tsy maintsy mba misy zavatra iray manintona andry any e!

Herimiafina > Za vizak ilay fitiavana e! manoatra noho ny mi "résoudre équation" à firy inconnu tsy haiko intsony.
Misy an ilay hiran i Lalao Rabeson iny hoe : "aleoko aloha irery, irery ihany irery foana, tsy misy mpi...jery".
Io zao no filamatra!
9. fasaly ( 25/09/2005 08:43)
ravakamalala:
ekeko mintsy ny hoe tsy maintsy misy interet ny hiarahana amin'olona ka! fa ny mapalahelo de ireo tsy ahitàna interet zany de tsy hisy mpitia!
na interet tsara na ratsy de interet ny anarany fa ny tena mateti-pitranga de ny fijerena interet ratsy ny ho an'i tena aloha. araka ny voalazako tetsy ambony hoe: hafa mintsy ny taloha tena fitiavana mangarana be tsy misy interet fa amzao de io foana aloha avant tout. fa zà alony manana fitiavana mangarana e! tsy mijery interet e!:wink:
10. Herimiafina ( 26/09/2005 03:49)
ravakamalala an. Ny tena izy dia tsy misy règle standard izany fa rehefa à l'aise ianao fa tsy manenjika izato na zaroa na koa hoe mandefitra sns, dia izay no tena izy e.

Refa al'aise fotsiny ianao tsy mahatsiaro ambany tsy mahatsiaro ambony tsy mahatsiaro very nefa tsy mahatsiaro avotra koa dia lafatra izay. sa tsy izany?

F'aza kivkivy zany fa enao zany tsy hanambady tsy hiteraka an. han perta be amzany papa sy maman an, tsisy zafikely.
11. pika ( 26/09/2005 04:56)
ny tena fitiavana dia miforona amin'izao, voanjanahary tsy azo amboamboarina izany
rehefa midoboka ny fo ka babo tokoa dia izay no izy
tsy misy interet izany amiko fa vokatry ny fo
ilay hoe misy interet ny hitiavanao azy dia tsy maharitra izany fa raha vao handalovan'ny rivomahery dia rava
12. fasaly ( 26/09/2005 06:18)
zay mintsy e!:-*
13. ravakamalala ( 26/09/2005 11:06)
Tsy possible pika a! Tsy maintsy misy zavatra iray manintona anao amin ny olona iray ohatra hoe : bogosy, mampimé, mananjavatra holazaina, be vola, manampahaizana, tsy maintsy misy na dia ataoko aza hoe iray fotsiny aza, dia avy eo mandeha ho azy ny ambiny.

rehefa midoboka ny fo ka babo tokoa dia izay no izy


manaiky aho fa tsy maintsy misy zavatra mampidoboka ilay fo. Sa tsy izany?

14. fasaly ( 26/09/2005 11:21)
ravak:
ka io anie lay lazaiko etys ambony hoe mamaplahelo zany lay olona tsy misy ireo de tsy ho hisy mpiita zany azon'i toi amzay???
15. cocorie ( 26/09/2005 12:42)
Misy mpitia daholo ny ol e! ny vodisobika aza hoy ny fiteny mana-tandrify. fa izao ze be intérêt, be fitiavana, be pitangorona le toe-tsaina matérialiste no tena manjaka amizao e!
16. fasaly ( 26/09/2005 13:11)
ka zay indrindra wa cocorie! izay mintsy anie le izy amzao e!
17. deghany ( 26/09/2005 15:32)
cocorie:

Misy mpitia daholo ny ol e! ny vodisobika aza hoy ny fiteny mana-tandrify. fa izao ze be intérêt, be fitiavana, be pitangorona le toe-tsaina matérialiste no tena manjaka amizao e!


fa iza zao le voditsobika @ zany?? hehehehehehe!! hahahaha
18. Herimiafina ( 26/09/2005 16:49)
Voditsobika aza manan-tandrify maika fa ny anareo?
19. Veloo ( 26/09/2005 17:34)
Pika a marina ny anjy zany mihitsy rehtsy ny tena fitiavana a=D=D=D=D
20. boubounezy ( 28/09/2005 11:59)
ary mety tena ho marina mintsy zany lazainy fasaly zany a!hihihihi:lol:

fasaly:

amiko taloha ny fitiavana de tsisy condition zany, fa tena fitiavana mangarangarana be, fa amzao androntsika izao de hita be mintsy fa interet fotsiny indraindray satria nohon'ny fiainana no mahatonga izany. kanefa mampalahelo be izany toe-javatra izany satria ireo olona tsy ahitàna interet zany de tsy ho hisy mpitia mintsy:cry::cry::cry:



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.18